Ny Centre de Formation d’Enseignants Robert MacGregor dia vondrona izay mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana manerana an’i Madagasikara. Robert ary ireo vondrona mpampiofana no mitantana izany.
Manana mari-pahaizana ambony momba ny Fampianarana avy amin’ny Oniversite Edinburgh, Ecosse i Robert ary nahazo fankasitrahana manokana noho izany. Efa niasa teo anivon’ny fampianarana nandritry ny 15 taona izy, ary nampianatra tamin’ny sekoly sangany toy ny Jerudong International School tany Brunei, Brighton College tany Angletera ary St Leonards School tany Ecosse.
Nampianatra Siansa teny ambony sambo iray tantànan’i Mercy Ships teto Madagasikara i Robert nandritry ny taom-pianarana 2015-2016. Niasa herintaona tao Toamasina izy nony avy eo mialoha ny nifindrany taty Antananarivo hiasa ao amin’i British School. Namolavola fandaharana fanofanana mpampianatra Malagasy i Robert nandritra izany fotoana izany izay sady tena mahomby no mifanentana amin’ireo sakana sy tombony hita eto Madagasikara. Nampiofana mpampiofana koa izy hampita ny fahalalana.
Mipetraka any Ecosse izy ankehitriny, mampianatra Fizika ary mandrindra ilay tetik’asa eto Madagasikara. I Robert dia tia mitaingina bisikileta eny an-tendrombohitra, mahandro sakafo, mivavaka ary mandany fotoana miaraka amin’ny namany.
Ireo mpampiofana izay avy amin’ny sekoly samihafa ary samy efa niofana mba ho afaka hanolotra fampiofanana avo lenta ho an’ny mpampianatra eto an-toerana avokoa.