16. Fifehezana ny fitondran-tena

Ny ankamaroan’ny ankizy dia tia mianatra amin’ny kilasy voafehy tsara izay tsy ahitana olana ara-pitondran-tena maro.

Ireo teboka anisan’ny tena manan-danja amin’ny fifehezana ny fitondran-tena ny mpianatra:

  • Ny lesona mahaliana sady mampavitrika dia mampihena ny olana misy vokatry ny fitondran-tena.
  • Rehefa asainao mangina ny mpianatra dia aza avela hitohy hiresaka izy. Miandrasa mandra-pahanginan’izy ireo, aza avela hisy mpianatra miresaka rehefa miteny ianao.
  • Fantaro foana izay zavatra ataon’ny mpianatrao ary jereo tsara izay mitondra tena tsara sy izay maditra.
  • Rehefa misy manao fitondran-tena tsy mety dia ampiasao ity ‘1-2-3’ ity:
    1. Ampahafantaro ilay mpianatra fa tsy mety ny fitondran-tenany: ‘Jack, aza miresaka ianao’.
    2. Ampitandremo indray izy: ‘Jack, raha tsy mitsahatra ny miresaka ianao dia … ‘, teneno azy ny sazy tokony homena azy raha tsy manaraka ny teninao izy.
    3. Tanteraho ilay sazy: ‘Jack, raiso ny entanao dia mifindrà toerana eto ianao’.
  • Mahaiza mifidy ny sazy mifanaraka amin’ilay ditra.
    • Raha miresaka foana ilay mpianatra, ny famindranao toerana ilay mpianatra iray dia matetika ampy mba hampitsahatra ilay tabataba satria lasa lavitra ny namany izy.
    • Rehefa mirava dia resaho mikasika ilay ditrany ilay mpianatra.
    • Ajanony ao an-dakilasy ilay mpianatra rehefa mirava ny mpianatra rehetra – “retenue”.
    • Asaivo manoratra taratasy manazava ny tsy mampety ny fitondran-tenany ilay mpianatra ary asaivo ambarany ao ny zavatra hataony mba hanovany izany.
    • Antsoy ny ray aman-drenin’ilay mpianatra ary resaho amin’izy ireo ilay fitondran-tenan’ilay zanany.
    • Aza avela mankany an-tsekoly ilay mpianatra mandritra ny andro iray (mise à pied) raha tena ratsy ny zavatra nataony.
    • Roahy ilay mpianatra. Rehefa tsy misy vahaolana hafa intsony vao tokony hanao izany.

Hevitra vitsivitsy hafa:

  • Aoka ho marina ianao amin’ny fitsaranao. Indraindray misy ankizy iray mangalatra, mamaly izany ilay mpianatra iray nangalarany ary izy indray avy eo no tratran’ny olana.
  • Ny ankizy madinika dia mora variana kokoa noho ny mpianatra lehibe kokoa, ka mandefera kokoa amin’izy ireny.
  • Tonia foana fa aza mitraotra.
  • Tsy tokony ho gaga ny mpianatra raha mahazo sazy, izany hoe tokony hampitandremana aloha izy.
  • Hendry kokoa ny mpianatra rehefa tiany sy hajainy ilay mpampianatra mampianatra.
  • Fadio ny manome sazy ny mpianatra rehetra raha mpianatra iray no nanao zavatra tsy mety.
  • Apetraho mazava tsara foana ny zavatra andrasanao amin’ireo mpianatra. Amin’ny fotoana voalohany handraisako ny mpianatro dia hanontaniako ny mpianatra hoe manao ahoana ny fitondran-tena tokony hananany. Manaiky ny ankamaroan’ny hevitra aroson’izy ireo aho ary avy eo milaza ny zavatra andrasako:
    • Manaova izay afanao mba hahay.
    • Mitondra pensilihazo sy kahie fampiharana amin’ny lesona rehetra.
    • Tongava ara-potoana.
    • Mangina ary mihaino rehefa misy mpianatra hafa miteny na miteny ny mpampianatra.
    • Miezaha mieritreritra fanontaniana tsara hapetraka mandritra ny lesona.
    • Mangataha fanampiana raha sahirana (ireo namana no anontaniana voalohany).
  • Ny mpianatra dia tia ny fitsipika mazava mahakasika izay mety sy ny tsy mety amin’ny fitondran-tena .
  • Ataovy mazava ny fitsipika mifehy ao an-tsekoly. Moramora kokoa ny mampihatra ny fitsipika raha samy manamafy izany avokoa ny mpampianatra rehetra.

Fakafakao/ Discuss

Inona no mampananosarotra anao amin’ny fitondran-tenan’ny mpianatra mandritra ny lesonao? Ahoana no fomba hamahanao izany?