Nanomboka nianatra mamaky teny Florina tamin’ny kilasy T1. Gaga ny ray aman-drenin’i Florina rehefa hitan’izy ireo fa manana olana amin’ny famakian-teny ny zanany. Izy anefa dia zaza marani-tsaina sady mazoto mianatra any an-tranony, ka nieritreritra izy ireo fa ho mora aminy ny hamaky teny. Fa sarotra taminy anefa izany. Tsy vitany ny mampifandray ny litera iray amin’ny feony na ny manambatambatra litera mba hamoronana teny. Ny olan’i Florina dia nitohy hatrany amin’ny T2. Mbola tsy afaka namaky teny izy ary nanana olana tamin’ny fanoratana.
Gerald dia tena tia fianarana ary tena nahay Malagasy sy “science sociale”. Fa hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana dia tsy nahitana fivoarana mihitsy izy tamin’ny matematika. Tsy hainy akory ny mifidy ny vola tokony halohany raha mividy zavatra izy na manao “addition” isa manome mihoatra ny 10. Tena halany ny fotoana fianarana matematika ary mahalana izy no manoratra na mahavita ny asa ampanaovina azy ao an-dakilasy ka lasa niteraka olana maro taminy izany.
Marc dia mpianatra antonontonony raha ny fahaizana no resahina ary saika hainy avokoa ny ankamaroan’ny taranja. Fa sarotra taminy ny niserasera tamin’ny mpampianatra na ny mpianatra hafa. Mandritra ny lesona dia matetika izy manao feo hafahafa ary indraindray izy dia tezitra ary manipitsipy zavatra. Rehefa mitranga izany dia tratran’ny olana izy ary efa nieritreritra ny handroaka azy mihitsy ny sekoly.
Fakafakao/Discuss
Q) Misy tsy vahiny aminao ve ny sasany amin’ireo tantara ireo? Mieritrereta mpianatra fantatrao izay manana olana toy izany.
Ireo mpianatra tsirairay anatin’ireo ohatra ireo dia manana fahasarotana ara-pianarana. Izany dia midika fa tena sarotra amin’izy ireo ny mianatra na mitondra-tena tahaka ireo mpianatra hafa.
Ny fahasarotana ara-pianarana dia mety hahatonga ny olona iray sahirana mianatra na mampiasa ireo fahaiza-manao sasantsasany. Ireo fahaiza-manao tena matetika voakasik’izany dia: ny famakian-teny, ny fanoratana, ny fihainoana, ny fitenenana, ny fisainana, matematika ary ny fahaizana miara-monina.
Ahoana no hanampiana ireo mpianatra manana fahasarotana ara-pianarana / How to help students with learning difficulties?
Voalohany indrindra, tsara ho fantatsika fa na inona na inona fahasarotana ara-pianarana mahazo ny mpianatra, ny ankamaroan’izy ireo dia manao izay afany mba hanao ireo zavatra izay mety tena sarotra aminy na tena tsy vitany. Mazava ho azy fa ho leo ny hiezaka hanao izany izy indraindray fa ampaherezo izy mba hiezaka fa aza bedesina.
Tena ilaina koa isika mba hahafantatra fa tsy mitovy mihitsy ny mpianatra kamo sy ny mpianatra manana fahasarotana ara-pianarana.
Faharoa, ny fampianarana tsara dia tena zava-dehibe. Ataovy azo antoka fa mazava tsara ny lesonao, voarindra tsara ary mandray anjara mavitrika amin’ny lesona ny mpianatra. Omano tsara ny lesonao mba hisy karazana “activité” mandritra izany. Ezaho mba ho fohy sy tsy hiolakolaka ny lesona izay tsy maintsy hadikan’ny mpianatra.
Raha ankizy madinika no ampianarinao dia tadidio fa maro amin’ny fihetsika fanaon’ny ankizy no mitovitovy amin’ny fahasarotana ara-pianarana. Ohatra: Ny ankizy madinika dia tsy manana fifantohana maharitra ary sahirana mamaky teny sy manoratra. Ny ankamaroan’izy ireo anefa dia handresy ireo olana ireo raha mahazo fanampiana kely avy any aminao, na dia misy ihany aza ireo izay mbola ho sahirana hatrany. Ho an’ny mpianatra maro izay mananosarotra amin’ny zavatra iray mahakasika ny fianarana dia fanampiana tsotra fotsiny dia ampy hahaizany izany.
Raha manana mpianatra iray manana olana manokana amin’ny sehatry ny fianarana ianao ao an-dakilasy, andramo atao ireto zavatra efatra manaraka ireto;
- Fantaro ny olan’ilay mpianatra. Hevero ihany koa fa mety efa manao izay afany izy fa tsy mba mahita vokatra tahaka ny mpianatra hafa.
- Resaho aminy ireo olana hitanao aminy ary lazao aminy ny zavatra tokony hataony mba hampivoatra azy. Izay firesahana amin’ilay mpianatra izay matetika dia efa mahavaha ilay olana ka hitondra fivoarana amin’ny fianarany.
- Omeo fampianarana fanampiny izy ka ampio izy amin’izay sehatra mampananosarotra azy.
- Raha nahomby izany, mifalia! Raha tsy nahomby kosa, jereo ireo paik’ady aroso amin’ity toko ity.
Famintinana ny mikasika ireo fahasarotana ara-pianarana mateti-pitranga/ Summary of common learning difficulties
Dyslexie/Dyslexia – fahasahiranana amin’ny famakian-teny sy fanoratana.
Eritrereto hoe sarotra be aminao ny mamaky zavatra izay mora vakiana ho an’ny olona hafa. Na hoe lasa mifangaroharo avokoa ny soratrao ary toa lasa nofy ratsy ho anao ny fanaovana tsipelina.
Richard Branson (businessman milliardaire) dia “dyslexique”.
Dysgraphie/Dysgraphia – fahasahiranana amin’ny fanoratana ny endriky ny litera.
Eritrereto hoe sarotra be aminao ny manoratra, miezaka mafy ianao mba hanoratra litera iray ka lasa tsy afaka mifantoka amin’ny hevitr’ilay zavatra soratanao akory.
Ireto mpahay siansa malaza ireto: Albert Einstein sy Louis Pasteur dia tratran’ny dysgraphie.
Fikorontanana sy tsy fahampian’ny fifantohana : TDA/TDAH (Trouble du Déficit de l’Attention / Trouble du Déficit de l’Attention avec Hyperactivité)
Ny olona tratran’izany dia « hyperactive », tsy mifantoka ary/na taitaitra.
Eritrereto hoe sarotra be aminao ny mipetraka tsara amin’ny toerana iray. Ny vatanao dia te handendeha sy hiazakazaka foana, hitsambikimbikina, hihetsiketsika, nefa ianao dia tsy maintsy mijanona amin’ny toerana iray foana. Tsy afaka ny hifantoka amin’izay zavatra atao ianao, ka hitazona ny sainao hifantoka, tsy hieritreritra zavatra hafa mihoatra ny 30 segondra. Misy amin’ireo mpianatra tratran’ny TDA no very fifantohana ka manofy atoandro am-pahanginana.
Ilay mpamokatra sarimihetsika Walt Disney dia tratran’ny TDAH.
Dyscalculie/Dyscalculia – Fahasahiranana amin’ny matematika.
Eritrereto hoe sarotra be aminao ny manao matematika, tsy mety hiraikitra amin’ny sainao ireo isa. Rehefa miezaka mamaky tarehi-marika ianao dia toa mifamadibadika avokoa izany ary tsy mijanona amin’ny laharany.
Ilay mpamorona ny Microsoft, Bill Gates dia tratran’ny Dyscalculie.
Autisme/Autism – Ireo olona izay tratran’ny “autisme” dia manana olana amin’ny fifandraisana amin’ny olona sy ny fiainana ara-piaraha-monina. Matetika dia manao fihetsika miverimberina izy ireo. Toa lehibe loatra ny fahitany izao tontolo izao ka lasa misy fiantraikany amin’ny fitondran-tenany izany. Mahatsiaro sahirana izy raha amin’ny toerana maro olona no misy azy, toa mandreraka azy ny mifanerasera amin’ny olona ary sahiran-tsaina izy rehefa miala amin’ny mahazatra azy ny zavatra mitranga.
Ilay “compositeur” malaza Mozart dia tratran’ny autisme.
Ny fahataran’ny fitomboana vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo/Stunting due to malnutrition – Ireo ankizy nateraky ny reny tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo na tsy ampy sakafo nandritra ny voalohandohan’ny fiainany dia matetika tsy mitombo ka tsy mahatratra ny vatana na fahaizana tokony hananany.
Ilay mpahay siansa malaza Voltaire sy ilay Mpanjakavavy anglisy Victoria Voalohany dia teny kely vatana tokoa ary toa tsy nitombo ara-dalana[1].
“Syndrome d’alcoolisation foetale”/ Foetal alcohol syndrome – Raha misotro zava-pisotro misy “alcool” ny vehivavy bevohoka mandritra ny vohoka dia be dia be ny karazana fahasarotana ara-pianarana sy fahasembanana ara-batana mety hahazo ilay zaza. Ny TDA na TDAH dia anisan’ny “symptôme” matetika hita amin’ny olona tratran’izany.
Fakafakao/Discuss
1) Marani-tsaina ve ireo mpianatra tratran’ny fahasarotana ara-pianarana?
2) Mety misy mpianatrao tratran’ny iray amin’ireo fahasarotana ireo ve?
3) Araka ny eritreritrao, inona no tsapan’ireo mpianatra manana fahasarotana ara-pianarana ireo?
Valin-teny voafidy: 1) Raha ny tokony izy, eny, fa ny fahataran’ny fitomboana no mety mampihena ny fahaizana. 4) Ny mpianatra dia manohatra ny tenany amin’ireo mpianatra hafa ary malahelo rehefa mahita fa tsy mahavita ny vitan’ireo sasany. Mety ho kivy satria tsy mba afaka manao izay ataon’ny hafa. Indraindray izy ireo dia milavo lefona ary tsy mety mnao ireo asa hitany sarotra.
Fanazavana fanampiny/More detailed information
Dyslexie /Dyslexia
Ny Dyslexie dia nofaritana ho fananana olana amin’ny famakian-teny sy/na fanoratana.
Ireo famantarana/ Symptoms
Ny mpianatra manana io fahasarotana io dia mety ahitana famantarana iray na maromaro amin’ireo manaraka ireo:
- Sady miadana no sahirana mamaky teny.
- Mora mahay amin’ny alalan’ny fihainoana, fa sahirana kosa mianatra amin’ny alalan’ny famakian-teny.
- Ratsy tsipelina.
- Sarotra aminy ny manoratra amin’ny tanana, fa afaka manome fanazavana am-bava tsara.
- Mikorontana ny filaharan’ireo litera rehefa mamaky teny sy/na manoratra.
- Ireo b dia soratany d ary ny d ataony b.
- Sarotra aminy ny mandamina fotoana na ny fitaovany.
Ahoana no hanampianao ireo mpianatra tratran’ny dyslexie? /How can you help students with dyslexia?
Tsy voatery hitovy ny karazana fanampiana ilain’ny mpianatra samihafa:
- Ataovy “photocopie” ny leson’ireo mpianatra. Hahay bebe kokoa izy ireo raha tsy ataonao mandika lesona lava be. Moramora kokoa aminy ny mianatra amin’ny alalan’ny fihainoana sy fijerena.
- Aza analana naoty noho ny tsy fetezan’ny tsipelina izy, fa ahitsio kosa izany.
- Omeo toerana mangina izy mba hanaovany ny asany.
- Mampiasa fomba fampianarana samihafa, fa tsy ny famakiana lahatsoratra fotsiny.
- Ampianaro tsikelikely ireo lesona. Ampiaraho amin’ny torolalana tsikelikely ny asa rehetra. Izany dia hanampy ny mpianatra rehetra, indrindra fa ireo mpianatra “dyslexique” na “dysgraphique”.
·Ataovy lehibe ny soratra ary asio elanelana malalaka amin’ireo andalana ho an’ny “dyslexie”.
- Afindrao toerana ho eny aloha ilay mpianatra mba ho lehibe kokoa aminy ny fahitany ny soratrao.
- Ataovy mampivoaka soratra tsara ny solaitra be, avereno lokoina izany raha ilaina.
- Mampiasa kahie misy tsipika mielanelana tsara ho an’ireo mpianatra manana olana amin’ny fanoratana.
- Aza anaovana teny mahery ireo mpianatra raha ratsy ny asa vitany, ampahafantaro azy fa tsy maninona na dia sarotra aminy aza ny manao izany, ampaherezo izy mba hikiry hatrany.
- Matetika dia moramora kokoa ho an’ireo mpianatra ny manoratra amin’ny alalan’ny fitaovana manokana noho ny manoratra amin’ny tanana. Raha azo atao, ataovy mampiasa “machine à écrire” na “ordinateur portable” izy.
- Ny fomba fianarana mety indrindra amin’ny mpianatra tratran’ny dyslexie dia ny fihainoana lahateny na resaka (discussion). Ny famakian-teny sy fanoratana dia mety hanembantsembana ny fianarany.
- Ampaherezo ireo mpianatra!
Dysgraphie /Dysgraphia
Ny mpianatra iray dia tratran’ny dysgraphie raha toa ka sahirana izy manao sary, ao anatin’izany ny fanoratana litera sy teny. Ilay ohatra eo amin’ny ankavanana io dia soratra mpianatra iray izay 11 taona fa efa lasa lavitra amin’ny fianarany izy amin’izao na dia mbola tsy mahavita manoratra mazava tsara aza.
Famantarana/Symptoms
- Sarotra vakiana ny sorany, na ny tenany aza mety tsy hahavaky ny sorany.
- Sarotra aminy avokoa ny asa atao an-tanana rehetra ary mety hiezaka hanalavitra ireny izy.
- Sahirana mafy raha sady manoratra no mieritreritra – afaka mandika lesona fa tsy afaka sady mieritreritra no manao izany.
- Mikaviavia.
- Sahirana mampirindra ny tanany sy ny masony.
- Olana amin’ny resaka fandaminana – manary zavatra na tsy afaka mitana “agenda” na mora very ara-potoana.
Ahoana no hanampianao ireo mpianatra tratran’ny dysgraphie? / How can you help students with dysgraphia?
Tsy voatery hitovy ny karazana fanampiana ilain’ny mpianatra samihafa:
- Ataovy “photocopie” ny leson’ireo mpianatra. Hahay bebe kokoa izy ireo raha tsy ataonao mandika lesona lava be. Moramora kokoa aminy ny mianatra amin’ny alalan’ny fihainoana sy fijerena.
- Aza hanalana naoty noho ny tsy fetezan’ny tsipelina izy, fa ahitsio kosa izany. Izany anefa mety tsy ho azo atao any amin’ireo fanadinana any an-tsekoly na fanadinam-panjakana.
- Ampianaro manoratra soratra lehibe aloha ireo mpianatra ary avy eo atao mihakely tsikelikely. Ohatra:
- Manoratra amin’ny rivotra, atao lehibe araka izay tratrany ilay soratra.
- Manoratra amin’ny solaitra be, araka izay lehibe indrindra vitany. Avy eo mamafa izany soratra izany amin’ny alalan’ilay fihetsika nataony tamin’ny fanoratana izany.
- Manoratra amin’ny solaitra (ardoise), atao lehibe araka izay vitany.
- Manoratra litera amin’ny solaitra ihany fa atao kely kokoa ny soratra.
- Manoratra litera amin’ny kahie, atao lehibe ny soratra.
- Manoratra litera amin’ny kahie indray fa atao kely ny soratra.
- Mampiasa kahie misy tsipika mielanelana tsara.
- Omeo toerana mangina izy mba hanaovany ny asany.
- Aza anaovana teny mahery ireo mpianatra raha ratsy ny asa vitany, ampahafantaro azy fa tsy maninona raha sarotra aminy izany, ampaherezo izy mba hikiry hatrany.
- Matetika dia moramora kokoa ho an’ireo mpianatra ireo ny manoratra amin’ny alalan’ny fitaovana manokana noho ny manoratra amin’ny tanana. Raha azo atao, ataovy mampiasa “machine à écrire” na “ordinateur portable” izy hanaovana ny asa mila atao an-tsoratra.
- Ny fomba fianarana mety indrindra amin’ny mpianatra tratran’ny dysgraphie dia ny fihainoana lahateny na resaka (discussion). Ny famakian-teny sy fanoratana dia mety hanembantsembana ny fianarany.
- Ampaherezo ilay mpianatra!
Dyscalculie/Dyscalculia
Famantarana/Symptoms
- Manana olana manokana amin’ny matematika.
Ahoana no hanampianao ireo mpianatra tratran’ny dyscalculie/How can you help students with dyscalculia
- Mifantoha amin’ireo zavatra izay ilainy ho hay mba hahavitany hiatrika ny fiainany andavanandro.
- Omeo asa izay manana hasarotana tokony ho vitany izy.
- Aoka ho azonao fa zavatra sarotra amin’izy ireo izany.
- Ampaherezo izy ireo mba hikiry. Maro ireo olona tratran’ny “Dyscalculie” izay mahita fa raha mikiry foana izy, amin’ny farany dia tratrany ihany ny tanjony.
- Mampiasa “méthode de différenciation” (jereo ilay toko mikasika ny « différenciation pédagogique»). Aza antenaina hanao matematika sarotra izay ampanaovinao ny mpianatra sasany ny mpianatra tratran’ny dyscalculie…fa raha hiatrika fanadinam-panjakana izy dia tadidio fa mila ampianarinao azy ny fomba mba hahazoana isa maromaro amin’ny fanadinana.
Ireo mpianatra sahirana mifantoka sy mihaino/Students who struggle to focus and pay attention
Matetika afohezina amin’ny hoe TDA (Trouble du Déficit de l’Attention) na TDAH (Trouble du Déficit de l’Attention avec Hyperactivité).
Famantarana/Symptoms
- Fihetsiketsehana mihoatra ny tokony ho izy (hyperactivité: ho an’ny TDAH ihany).
- Taitaitra manao zavatra (impulsif: ho an’ny TDAH ihany).
- Tsy mahay mipetraka tsara fa mihetsiketsika foana eo am-pitoerana (ho an’ny TDAH ihany).
- Mora variana ary sahirana mifantoka mandritra ny fotoana ela.
- Mety manao zavatra adaladala izay manapaka ny fampianarana (ho an’ny TDAH ihany).
Ny TDA dia fahaverezan’ny fifantohana izay tsy miteraka fikorontanana ho an’ny hafa. Sarotra ny mamantatra ny TDA matetika, ny TDAH kosa dia mora hita nohon’ny fihetsiketsehana tafahoatra (hyperactivité) aterak’izany.
Ahoana no hanampianao ireo mpianatra tratran’ny TDA na TDAH/How can you help students with ADD or ADHD?
- Ataovy tony ireo lesona. Aza mientanentana be loatra, fa ataovy mahaliana foana anefa ireo lesona.
- Manaova karazana zavatra samihafa amin’ny lesona. Ny “activité” dia tokony tsy hihoatran’ny 20 minitra.
- Omeo zavatra hotereny amin’ny tanany ilay mpianatra, ohatra:”éponge”. Ny fikitikitihana izany dia hanampy azy ireo.
- Avelao handehandeha kely ilay mpianatra rehefa mila izany izy.
- Manomeza torolalana mazava ary ataovy tsikelikely izany.
- Ataovy any amin’ny sisin’ny efitrano fianarana ilay mpianatra, eny alohaloha satria eny aloha sy amin’ny sisiny ny efitrano dia ho vitsy kokoa ny zavatra hitany ka mety tsy hampifantoka azy.
- Omeo fotoana hialan-tsasatra kely ireo mpianatra. Ampirisiho izy hihazakazaka any ivelany. Kanefa tsara marihina fa raha mihazakazaka manao boribory izy dia vao mainka ho “hyperactif”, Ampirisiho hihazakazaka mahitsy izy, ohatra: “Mihazakazaha mankerỳ amin’ny vavahady ary avy eo mihazakazaha miverina atỳ”.
- Omeo valisoa na fankasitrahana izy rehefa mitondra-tena tsara (ohatra: deraina kely izy na asiana autocollant na tampon ny kahieny).
- Tadiavo ny tanjak’ilay mpianatra (point forts).
- Ampio ireo mpianatra manao zavatra adaladala mba hahalala ny tokony ataony, ohatra: ‘Lili, rehefa ato an-dakilasy isika dia mila mipetraka tsara amin’ny toeranao ianao.’
- Raha toa ka lasa variana ilay mpianatra dia ampahatsiahivo azy ny zavatra tokony hataony (izay nampanaovina azy).
- Aza avela mampiasa ny fahasarotana mahazo azy ho fialan-tsiny amin’ny fitondran-tena tsy mety ataony ireo mpianatra. Mila mitady fomba hiatrehana ny fahasarotana ara-pianarana mahazo azy izay tsy hanelingelina ny fampianarana izy ireo.
- Ampaherezo izy ireo!
Ireo mpianatra tratran’ny “Autisme”/ Students with Autism
Tahaka ny amin’ireo fahasoratana rehetra voalaza teo, ny mpianatra iray dia tsy voatery hahitana ireo “symptômes” rehetra ireo ary ny fitrangan’ireo famantarana ireo dia mety ho samy hafa:
Famantarana/Symptoms
- Sarotra aminy ny manomboka na mitarika resaka na miditra amin’ny resadresaka madinika.
- Raisiny ara-bakiteny avokoa ny teny rehetra ka sarotra aminy ny mamantatra ny tena tian’ny olona ambara amin’ny ohabolana, sangisangy na oha-pitenenana.
- Sarotra aminy ny mahazo fomba fijery samihafa sy hevitra vaovao ary ireo hevitra midadasika.
- Sarotra aminy ny mahazo ny fihetseham-pon’ny olona hafa.
- Sarotra aminy ny milaza ny zavatra tsapany na ny fihetseham-pony araka ny tokony ho izy. Mety toa tony ny fahitana azy ary tampoka eo dia mitroatra izy na maneho ny fihetseham-pony amin’ny fomba tsy mety.
- Te-hifandray amin’ny olona hafa nefa tsy hainy ny zavatra tokony hataony mba hanaovany izany.
- Sarotra aminy ny mifandray na minamana amin’ny olona hafa.
- Misalasala na tsy mahazo ny ‘fitsipika sosialy’ ho amin’ny toe-javatra samihafa.
- Miasa loha.
- Tia na mila lamina na “routine” – matetika sorena rehefa tsy manaraka izay “routine” izay ny zavatra mitranga.
- Sarotra aminy ny mahazo ny fifandraisan’ny “évènement” na “actions” – ny mahazo ny “relation de cause à effet”. Ohatra : Niteny zavatra nanafitohina an’i Elise i John ka nokapohin’i Elise izy.
- Tsy dia mahay fotoana loatra ka sarotra aminy ny hahavita ny zavatra ampanaovina azy ara-potoana, ny ho tonga ara-potoana amin’ny fivoriana tokony hatrehany na ny manombatombana ny fotoana aharetan’ny zavatra iray.
- Fihetsika miverimberina ary fahalianana be sy fahavitrihana amin’ny zavatra vitsy.
- Fironan-tsaina be loatra amin’ny zavatra iray. Ohatra: mety handany ora maro hiresahana momba ny kilalao tiany indrindra.
- Mety ho sarotra aminy ny hijanona amin’ny toerana mitabataba be.
- Manao feo hafahafa na fihetsika hafahafa mahazatra azy (tic).
- Ny mpianatra tratran’ny “autisme” dia mijery izao tontolo izao amin’ny fomba tena lôjika. Ny zavatra tsy manaraka ny “logique”(ohatra ireo olona miovaova miankina amin’ny toe-pony) dia tena manahirana azy.
Ahoana no hahafahanao manampy ireo mpianatra tratran’ny “Autisme”?/ How you can help students with Autism?
- Ataovy izay hampifantoka ilay ankizy mialohan’ny hanombohanao resaka.
- Ataovy mazava tsara ny teninao ary ataovy fohy ny fehezanteninao.
- Ataovy araka ny filaharan’ny fotoana hitrangany ny zavatra teneninao.
- Lazao azy izay tokony hataony fa aza ny tsy tokony hataony no tenenina! Ohatra: ‘Mipetraha’ fa tsy hoe ‘aza mandehandeha eraky ny trano’.
- Aza manao sangisangy na mampiasa “sarcasme” raha tsy azonao antoka fa ho azony izany ary hitanao fa mety tsara ny fony amin’ny fotoana hanaovanao izany.
- Ekeo fa mila fotoana hijanonany irery izy indraindray.
- Ataovy mazava aminy tsara ny fihetseham-ponao. Lazao aminy izay tsapanao. Ohatra: Raha mitomany ianao, lazao aminy hoe faly ianao sa malahelo.
- Hazavao aminy ny fetra na fitsipika tokony harahina manoloana ny tranga sosialy iray.
- Ampirisiho izy mba hianatra ny hifandray amin’ny olona, mety hoe amin’ny alalan’ny fizarana manao izany any an-tranony na any an-tsekoly.
- Mampiasa tantara mba entina hanazavana aminy ny fihetsika tokony hananany manoloana ny toe-javatra manokana.
- Ampio izy mba hahazo ny toe-javatra misy amin’ny alalan’ny fanazavana aminy mazava tsara ny antony mahatonga ny olona hanao zavatra iray.
- Mora aminy ny mianatra amin’ny alalan’ny zavatra azony tsapain-tànana, sary, “démonstration” na lesona an-tsoratra.
- Manana fitadidiana tsara ny “information”, “routine” sy ny “procédure”.
- Aoka hanana “routine” tsy miovaova ao am-pianarana.
- Mijoro ho mahitsy sy marina.
- Manomeza torolalana fohy sy mazava tsara.
- Ampio ireo mpianatra amin’ny fizarazarana ireo asa sarotra lehibe ampanaovina azy . Ohatra, raha milaza ianao ‘Mamorona lahatsoratra mikasika an’i Toamasina’, afaka zarazarainao ho asa kely kokoa toy izao izany: ‘Voalohany indrindra, soraty ireo zavatra hita eto Toamasina. Avy eo soraty ireo zavatra tianao mahakasika an’i Toamasina. Farany, soraty ireo zavatra tianao hivoatra eto Toamasina.’
- Ny fanampiana ilay mpianatra mba hahafantatra ny fomba tokony hitondrany ny tenany (ohatra ‘Tsy mitabataba rehefa ato am-pianarana’).
- Manana faharetana amin’ilay mpianatra.
Ohatra:
- Misy zazalahy iray nafindra efitrano fianarana ary tsy nanaiky izany fa nipetraka amin’ny tany ary nitomany. Hotsapan’ilay mpampianatra fa sarotra amin’io zazalahy io ny mifindra efitrano tampotampoka. Ka raha misy fiovana toy izany mitranga amin’ny manaraka dia efa hanao fampilazana matetika mikasika izany fiovana izany ilay mpampianatra mialohan’ny hitrangany.
- Misy zazavavy kely iray nivazavaza ilay ankizy nikasika azy. Rehefa afaka fotoana fohy dia hazavain’ny mpampianatra an’ilay mpianatra fa tsy mety ny mivazavaza olona toy izany satria mahatonga azy hatahotra izany ary zavatra tsy tokony atao izany.
- Misy zazalahy kely iray tsy nieritreritra fa manafintohina ireo mpianatra hafa ny zavatra lazainy. Entin’ilay mpampianatra misintaka kely izy ka hazavaina aminy hoe manafintohina olona ny zavatra nolazainy ka lasa tsy hiresaka aminy intsony ireo ankizy ireo raha manao toy izany izy.
Fahataran’ny fitomboana/ Stunting
Famantarana/ Symptoms
Raha tsy ampy sakafo ny vehivavy mitondra vohoka, na tsy ampy sakafo ny ankizy, ilay zaza ao an-kibo na ilay ankizy dia tsy hitombo araka ny tokony ho izy. Ny vatan’izy ireo dia ho kely noho ny tokony ho izy ary tsy hitombo ara-dalana ny ati-dohany. Ho latsaka kokoa ny fahaizany sy ny fahafahany mianatra raha oharina amin’ny ankizy hafa. Mora azon’aretina izy ireo ary hatahorana kokoa ho voan’ny homamiadana na diabeta.
Manodidina ny 50% ny ankizy eto Madagasikara dia tratran’ny fahataran’ny fitomboana io.
Ahoana no hanampiana ireo mpianatra tratran’ny fahataran’ny fitomboana/How can we help students with stunting?
Rehefa tratran’ny fahataran’ny fitomboana ireo mpianatra dia tsy misy fomba hamadihana izay zavatra nitranga intsony. Fa kosa, mbola hanana ny fahafahana ny hianatra sy hivoatra izy ireo, na dia hisy ho sahirana kokoa noho ny sasany aza. Maro amin’ireo olona malaza taloha noho tratran’izany tsy fitomboana ara-dalana izany, ka noho izany aza tsipahina izy ireny!
Tena ilaina ny mampianatra mikasika ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana an’ireny fianakaviana manana zanaka tratran’ny tsy fitomboana ara-dalana ireny.
Ny fanolorana fanabeazana tsara kokoa ho an’ny mpianatra rehetra dia hampivoatra ny fambolena, ny fandrindram-piterahana ary ny “régime alimentaire” eto Madagasikara. Ireo fivoarana ireo dia hampihena ny fahataran’ny fitomboana.
Raha any amin’ny toerana tena manana olana amin’ny fahataran’ny fitomboana no misy ny sekoly misy anao, afaka mampianatra izany eny amin’ny fiaraha-monina ve ny sekoly misy anao mba hampihena ny olana mahatonga ny fahataran’ny fitomboana?
Syndrome d’alcoolisation foetale / Foetal Alcohol Syndrome
Ny tahan’ny alikaola ambony miantraika amin’ny zaza ao am-bohoka dia mety hiteraka olana maro.
Tsaboy ireo “symptômes” ary ampianaro ireo ray aman-dreny mba hifady alikaola mandritra ny vohoka.
Fanehoan-kevitra ankapobeny/General comments
Indraindray ireo mpianatra dia mety hanana fahasarotana ara-pianarana mihoatra ny iray.
Raha tratran’izany fahasarotana ara-pianarana izany ilay mpianatra dia tsy fahadisoany izany.
Maro ireo fahasarotana ara-pianarana tsy dia fahita. Ny sasany dia hafahafa, ohatra, misy namako iray izay mampifandray ny fihetsem-po amin’ny matematika. Tiany ary tena mahay “addition” izy. Fa aminy dia mahatohina ny manao “soustraction” ka lasa tsy mahay izany izy. Raha manana mpianatra mananosarotra ianao, maka fotoana hiresahana amin’ilay mpianatra. Anontanio azy izay hitany sarotra sy ny fomba afaka hanampianao azy.
Fanontaniana/Questions
1) Miresaha na manorata mikasika mpianatra iray fantatrao fa mety manana fahasarotana ara-pianarana.
a) Araka ny hevitrao, inona ilay fahasarotana mahazo azy?
b) Ahoana no hanovanao ny fomba fampianarana azy ireo na fitondranao azy vokatr’ity lesona ity?
c) Miresaha amin’ireo mpianatra ary anontanio azy izay hitany mora sy sarotra amin’ny taranja ampianarinao ary manao ahoana ny fahatsapany izany. Anontanio azy ny mikasika ireo zavatra hitanao fa sarotra aminy.
2) Inona no mety fiantraikan’ity toko ity amin’ny fomba fijerinao ny fahasarotana ara-pianarana?
http://wphna.org/wp-content/uploads/2013/03/GC-July-August-2010-blog.pdf notsidihina tamin’ny Desambra 2016