2. Inona avy ireo tanjon’ny fanabeazana/ what are the purposes of education

‘Ny fanabeazana dia fahazavana, ny tsy fahampiany dia aizina’ – ohabolana russe

Activité 1/Activity 1

Miresaha amin’ireo mpampianatra hafa, na diniho ireto fanontaniana ireto. Soraty ireo valin-teninao:

1) Inona no maha zava-dehibe ny sekoly sy ny fanabeazana?

2) Afaka ny hobeazina ve ny olona na dia tsy mankany an-tsekoly aza?

Activité 2/Activity 2

Matetika dia manana tarigetra ny sekoly. Ny tarigetra dia manoritsoritra ny tanjon’ny sekoly.

1) Vakio ireo tarigetra efatra etsy ambany ireo ary mariho izay mahafinaritra anao.

2) Lazao ny antony itiavanao ireo tarigetra ireo.

Fanamarihana mikasika ny fampianarana/ teaching note: Mariho fa eto dia ataoko izay hahatonga anao handinika mikasika ny fampianarana, fa tsy miresaka na manoratra mikasika ny fomba fampianarana tsara fotsiny aho. Hahay kokoa ny mpianatra raha mandinika fa tsy mihaino fotsiny ny tenin’ny mpampianatra.

Sekoly 1/ School 1

Ny tarigetranay dia ny hanome tontolom-pianarana tsara ho an’ny mpianatra rehetra mba hahafahan’izy ireo manatratra izay rehetra ilainy mba hahomby.

Sekoly 2/ School 2

Ny tarigetranay dia ny hanome toeram-pianarana ho an’ireo ankizy tsy manan-kialofana. Ny tanjonay dia ny hanampy ireo ankizy ireo hiala amin’ny tontolon’ny fahantrana sy ny tsy fisiam-panantenana amin’ny alalan’ny fanolorana azy fampianarana, ireo fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana andavan’andro, toetra tsara ary tontolo feno fitiavana izay hanome alalana azy hiditra amin’ny fiaraha-monina iombonana.

Sekoly 3/ School 3

Izahay dia miezaka mba hampita sy hanome:

  • Ny fitiavana mianatra tsy an-tery
  • Foto-pahalalana sy fahaizana izay entina mamantatra sy mitsikera izao tontolo ivelomantsika izao ary izay hanomana antsika, amin’ny alalan’ireo fomba fijery vaovao mahakasika ny fampianarana, ho amin’ny tontolo mety hivelomantsika amin’ny ho avy.
  • Fampahafantarana sy fanomezan-danja ny lafiny ara-panahy ny fiainantsika.
  • Ny fahavitrihana ho an’ny tontolo ivelan’ny toeram-pianarana – ohatra, ny fanatanjahantena, mozika sy ny zava-kanto.
  • Ny fanajana ny fahasamihafana misy amin’ny hafa sy ny fanekena fa ny ezaka sy ny zava-bitan’ny tsirairay anatin’ny fiaraha-monina dia mitovy lanja avokoa.
  • Ny fahatsapana ny filan’ny tsirairay ary ny finoana marina fa – na firy taona na firy taona – dia afaka mitondra fiovana, eto an-toerana sy manerana izao tontolo izao, amin’izao vaninandro ankehitriny izao.

Raha fehezina dia mifofotra mafy izahay mba hamoaka olona nahazo fampianarana tsara, mahay mandefitra, manana saina tia karokaroka, izay vonona handray anjara feno sy mavitrika ary hitondra vokatra tsara eo amin’ny fiainam-pirenentsika sy maneran-tany.

Sekoly 4/ School 4

Izahay dia miezaka mba hanome fanabeazana mifototra amin’ny Baiboly ho an’ireo ankizy, mba hahatonga azy ireo haniry hanaraka an’I Jesosy marina.

Miezaka izahay mba hanolotra ireo foto-pahalalana sy fahaiza-manao izay ilain’ireo ankizy mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Izany dia hotanterahina amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Ray aman-dreny amin’ny famolavolana toetra kristiana ao amin’ireo zanany.

Izahay dia mampianatra ireo toetra tsara araka ny Baiboly ary manome fampianarana avo lenta izay mifanaraka amin’ny filana ara-batan’ny mpianatra tsirairay (manao izay hankafizan’ny ankizy ny fanatanjahantena sy hahaizany mikarakara vatana), ny filany ara-pihetseham-po (hanampy ny ankizy mba ho tonga olona hanana fihetseham-po mirindra ary hahay hiatrika am-pahendrena sy am-pahamatorana ireo olana ara-tsosialy eo amin’ny fiainana) ary ny filany ara-panahy ( hanampy ny ankizy mba hifandray amin’Andriamanitra).

Inona no antony hanabeazantsika?/ Why do we educate?

Ny tarigetra dia mirakitra ireo antony nahatonga antsika hanabe. Anisan’ny hevi-dehibe anatin’ny tarigetra ny:

  • Hampita fahalalana sy fahaiza-manao ho an’ny mpianatra.
  • Hanampy ny mpianatra mba ho tia fianarana.
  • Hanosika ny mpianatra mba hametra-panontaniana mikasika ny tontolo manodidina antsika.
  • Hanomana ny mpianatra ho amin’ny fiainana ao anatin’ny tontolo izay hisy azy any aoriana.
  • Hanampy ny mpianatra mba hahafantatra ny fisian’ny lafiny ara-panahy ny fiainana.
  • Hanome tombontsoa ny mpianatra mba hahafahany manao fanatanjahantena, mozika sy zava-kanto.
  • Hampianatra ny ankizy mba hanaja ny hafa na dia misy aza ny tsy fitoviana.
  • Hanampy ny ankizy mba hieritreritra izay ilain’ny hafa.
  • Hampiditra tsikelikely ao an-tsain’ny mpianatra fa izy ireo dia afaka mampivoatra izao tontolo izao.
  • Hanampy ny ankizy mba hahatratra ny fahalalana tokony hananany sy hanana tontolo-pianarana tsara.
  • Hanampy ny mpianatra mba hanalavitra ny fahantrana sy ny tsy fananan-kialofana.
  • Hampianatra ny mpianatra ireo fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana andavan’andro.

Nefa mino aho fa ny fanabeazana dia manana tanjona maro hafa ankoatra ireo voalazan’ny fanambarana tarigetra ireo. Anisan’izany ny:

  • Hampianatra ireo ankizy mba ho afaka amin’ny fanadinam-panjakana lehibe.
  • Hampianatra ireo fahaiza-manao fototra ilaina mba hatafita amin’ny fiainana: mamaky teny, manoratra, manisa ary miteny.
  • Hahafahana manova ny sokajy ara-tsosialy. Ny rafim-pampianarana tsara dia mahatonga olona iray avy amin’ny fianakaviana mahantra ho tafita lavitra.
  • Mampianatra ireo fahaiza-manao ilaina mba hahazoana asa na fanabeazana.
  • Mampianatra ireo mpianatra ny fomba fianarana fahaiza-manao vaovao na traikefa tsy nianarany tany an-tsekoly.
  • Mampianatra ireo mpianatra mba ho tonga olona tsara kokoa eo anivon’ny fifandraisany amin’ny hafa, fanompoany ny hafa, fikajiany ny tontolo iainana ary amin’ny fomba fiainana ara-pahasalamana.
  • Mampianatra ireo mpianatra mba ho tia mitsikera, hahay hampihatra ny fahalalana ananany amin’ny toe-javatra vaovao, hamokatra fahalalana vaovao ary hamaha olana.
  • Ny fianarana dia tokony hiezaka mba hiaro ny ankizy amin’ny fahasimbana ateraky ny fanilihana, fiainana ao anatin’ny fahantrana na ny fanararaotana.

Ho an’ny sekoly kristiana irery:

Ampianaro ireo mpianatra ireo hevi-dehibe mikasika ny finoana kristiana, anisan’izany:

  • Ny finoana kristiana dia fivavahana mifototra amin’ny fahasoavana. Izany hoe tsy misy fepetra maro izay mila arahinao mba ho tonga kristiana. Ampianaro ireo mpianatra fa avy amin’ny finoana an’i Jesosy dia afaka ny ho voavela ny fahotany. Ireo kristiana dia tsy mitovy fomba fiaina amin’ireo izay tsy kristiana noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fahamelan-keloka ary noho izany dia te hanaraka ny lalany izy amin’ny fiainany, fa tsy noho ny fiheverany fa voatery atao izany mba hahazoana tambiny avy amin’Andriamanitra.
    • Andriamanitra dia tia ireo mpianatra araka ny maha-izy azy ary tena miahy azy ireo fatratra, na inona na inona mahasahirana azy na tsy mety ataony.
    • Andriamanitra dia miantso ireo kristiana mba hampihatra ny finoany. Tiany isika raha hiaina tsara, araka izay nambarany ao amin’ny Baiboly.
    • Fianarana Baiboly amin’izay fomba mifanentana amin’ny taonan’ireo mpianatra. Mianara ireo lohahevitra sy ireo boky rehetra ao amin’ny Baiboly. Ireo mpianatra ao amin’ny sekoly kristiana dia tokony hahafantatra tsara ny Baiboly rehefa hiala ao izy.
    • Andriamanitra dia tia azy ireo anio. Izy ireo kosa dia tokony hahay “hihaino” izay tiany hambara amin’izy ireo sy hamantatra raha tenin’Andriamanitra tokoa ny hafatra iray amin’ny alalan’ny fijerena raha mifanaraka amin’izay voasoratra ao amin’ny Baiboly izany.
    • Ny kristiana dia mpanota, manao fahadisoana ary manao zavatra tsy mety. Fantaro fa rehefa manao zavatra tsy mety ny kristiana dia tsy solo-tena an’Andriamanitra izy.
    • Ireo karazana toetra tsara ara-Baiboly, ao anatin’izany ny fitiavana, famelan-keloka, fahalalan-tanana, fo manompo, fangorahana, fahatsoram-po, fahononam-po ary fiainam-piaraha-monina.
    • Manampy ireo mpianatra hiatrika ireo olana izay mitranga amin’ny lalan’ny kristiana.
    • Manampy ireo mpianatra mba hiaina fiainana mitoky amin’Andriamanitra fa tsy amin’ny herin’ny tenany.
    • Manaova fanompoam-pivavahana isan’andro, fotoana fohy hieritreretana toetra iray mahakasika ny finoana.
    • Mampianatra ireo ankizy mba hivavaka, ary asio vavaka mandritra ny andro ianarana. Ary tena tsara tokoa raha mivavaka ho an’ireo olana eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra ary manamarika izany rehefa novalian’Andriamanitra ny vavaka.
    •  Hampandraiso andraikitra amin’ireo fotoana natokana ho an’ny fiainana Kristiana ireo ankizy. Ny maha-ankizy azy dia tsy midika fa tsy afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fivavahana izy ireo, mamantatra izay tian’ny Baiboly ambara amin’izy ireo, mihaino ny tenin’Andriamanitra ary mampihatra izany.
    • Manampy ireo mpianatra mba hahafantatra ny fomba hiainany amin’ny maha kristiana azy eto amin’izao tontolo izao, any an-tsekoly, any an-trano, eny amin’ny fiaraha-monina sy toeram-piasana.
    • Ny finoana dia safidy malalaka. Tsy ny ankizy rehetra no hifidy ny hino, ary izany dia safidy malalaka ananany.

Tamin’ny fotoana nampianarako tao amin’ny sambo Africa Mercy, izay sambo hopitaly kristiana, dia nisy olona maro avy amina antokom-pinoana samihafa niaraka nanao asa fanompoana, nivavaka ary nanolotra fampianarana kristiana. Misy ireo fiangonana izay manana fampianarana mivily lavitra amin’ny votoatin’ny finoana sy fomba kristiana, fa ny fampianaranao dia tsy tokony hikasika izay antokom-pinoana ‘marina’ sy ‘diso’, fa tokony hirona kokoa amin’ny fahalalana an’Andriamanitra kosa. Raha fantatr’ireo ankizy hoe iza moa Andriamanitra ary afaka ‘mandre ny feon’ny mpiandry ondry’ izy dia tsy hotamana any amin’ireo toerana izay mampianatra hafatra lavitra ny fahamarinana.

Maro ireo tanjon’ny fanabeazana. Aza taitra amin’ireny! Rehefa mamaky ity boky ity ianao dia hahita ny tanjon’ny fanabeazana misimisy kokoa.

Activité /Activity

Fakafakao ireo fanontaniana ireo ary soraty ireo valin-teninao:

1) Diniho ireo tanjon’ny fanabeazana. Inona amin’ireo no efa tanterahinao na tanterahin’ny sekoly misy anao?

2) Inona ireo zavatra tianao hiezahana hohatsaraina mikasika ny fampianaranao na ny fampianaran’ny sekoly misy anao? Misafidiana tsy mihoatran’ny 3 – tsy afaka ny hanatsara ny zavatra rehetra indray mandeha ianao!

3) Inona ireo teboka hitanao tena manan-danja indrindra tao anatin’ity toko ity?