9. “Programme parascolaire”

“Tsy ny fahazoana naoty tsara ihany no mila ampianarina, ary aty Bretagne, ny sekoly dia tsy natao ho an’ny saina fotsiny fa natao ho an’ny fanatanjahantena sy ny zava-kanto ary natao hitadiavana karazana fomba maro mba hahalafatra. Ny rafitra britanika dia tsy dia mifantoka amin’ny vokatra loatra, fa mamolavola ny “estime de soi”, ny maha-izy ny olona (personnalité) sy ny toetrany, nefa izany dia tsy hita mihitsy amin’ny rafi-pampianarana frantsay ary toe-javatra mampalahelo izany.” Peter Gumbel, cherheur en éducation[1]

Fakafakao/Discuss

1) Misy olona tianao mba halain’ireo mpianatrao tahaka ve? Inona no zava-manokana hitanao amin’ireo olona ireo?

2) Inona no zavatra afaka ataonao mba hanahafan’ireo mpianatrao an’ireo olona miavaka ireo?

Maro ireo sekoly no mihevitra fa ny antom-pisian’ny fanabeazana dia mba hahombiazan’ny mpianatra amin’ny fanadinana. Izany dia tena manan-danja ary hitana toerana lehibe amin’ny zavatra ataon’ny sekoly foana fa mbola misy zavatra maromaro manan-danja tokony hampianarina izay tsy miditra amin’ny fanadinana nefa mety afaka hampivoatra ny fiainan’ireo mpianatra sy ny an’ny fiaraha-monina misy azy.

Mampianara ireo zavatra ivelan’ny fandaharam-pianarana (programme parascolaire) mba hahafahanao mampivoatra ny fiainan’ireo mpianatrao. Izany dia ny fampianarana azy ireo zavatra tsy hadinina amin’ny fanadinana.

Maro dia maro ny safidy ananantsika mikasika ny “activité parascolaire” afaka atao. Ny sekoly sy ny mpampianatra no mila mifidy ireo izay tena ilaina. Mifantoha amin’ireo izay hitanao fa ilaina, mifandray amin’ny lesonao na tena mahafinaritra anao. Ary tadidio fa tsy afaka hanao an’izy rehetra ianao!

Misy mpampianatra mampiditra ny “activité parascolaire” amin’ny lesona fampianariny amin’ny alalan’ny fomba hitondrany ny mpianany na amin’ny alalan’ny karazana lahatsoratra fidiny. Misy kosa manokana fotoana vitsivitsy isan-kerinandro mba hampianarany ireo “ programme parascolaire”. Misy sekoly manana “club” sy “activité” izay atao amin’ny fotoana ivelan’ny ora fianarana.

“Programme parascolaire” tena ilaina / Essential extra-curriculum

Ny sekoly dia tokony hanomana ireo mpianatra mba hahomby amin’ny fiainana. Ireto manaraka ireto dia misy zavatra vitsivitsy, fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana izay heveriko fa tokony hohezahin’ny sekoly rehetra ampianarina ny ankizy ao aminy

Ny fampiasana ny zavatra ananan’ny mpianatra

  • Ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana sy mora vidy ho an’ny fianakaviany. Tsy ara-pahasalamana ny fihinana vary fotsiny.
  • Ny fampiasana fomba fahandro mahomby tahaka ny fatana mitsitsy etsy ankavanana.
  • Ny fomba fambolena mahomby.
  • Ny fomba fanaovana zezika amin’ny alalan’ny fako mba hampitombo ny voly.
  • Ny fomba fitantanam-bola tsara.
  • Mampianatra ny mpianatra ny fitondran-tena tokony hanana mba hananany fiaraha-monina mafy orina.

Fanampiana ireo mpianatra mba ho tonga olona tsara ho an’ny mpampiasa

  • Manana ny toetra mifanaraka amin’ny fitsi-pitondran-tena manoloana ny asa. Maro amin’ny Malagasy no tsy afaka raisina miasa noho ny tsy fananany izany toetra izany na tsy mba azo itokisana.
  • Fampianarana ireo fahaizana teknolojia tsotsotra. Sarotsarotra ny hampiasa olona tsy afaka antsoina @ finday na tsy afaka mampiasa “email”.
  • Ny fahaizana manao CV sy fahaizana miatrika ny “entretien d’embauche”.
  • “Compétences entrepreunariales”- manampy ny olona mba hamorona orinasa ho an’ny tenany.
  • Ny fifidianana ny “filière” tokony hatao any amin’ny Oniversite izay afaka ahitana asa.

Ireo fahaiza-manao ireo dia afaka ampianarina amin’ny fotoana manokana ivelan’ny ora fianarana.

Ny fikolokoloana ny fahasalamana

Eto Madagasikara dia hita fa tsy ampy ny fahazoan’ny mponina ireo olana ara-pahasalamana tsotra ka tsy ara-dalana ny fahasalaman’ny olona sasany. Ny fanatsarana ny fanabeazana mikasika ny fahasalamana any an-tsekoly dia hampivoatra ny fahasalaman’ny mponina rehetra. Hevitra vitsivitsy:

  • Kendreo mba voala kankana sy vita vaksiny hatrany ireo mpianatra.
  • Ny fomba hisorohana ny tazomoka sy ny aretina hafa aterakin’ny moka.
  • Fahadiovana tsotsotra – toeram-pivoahana, fanasana tanana, fisotrona rano madio sy fikarakarana sakafo azo antoka.
  • Ny fanadiovana ny rano mba ho tonga rano fisotro madio.
  • Ny fisorohana ny diabeta amin’ny tsy fihinana sakafo sy zava-pisotro mamy.
  • Ny resaka firaisana ara-nofo.
  • Ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, ny fampianarana ny olona rehetra mba hampiasa fanabeazana aizana mba tsy hisy vehivavy hiteraka zaza maro loatra mihoatra noho ny afaka hovelominy.
  • Ny sakafo ara-pahasalamana tokony hohanina rehefa mitondra vohoka na mampinono. Tena ilaina ny fihinana sakafo samihafa (vary, tsaramaso ary anana). Mila omena nono foana ny zaza ary mila mampiasa “lait maternisé” raha tsy afaka mampinono ny reny. Ny varin’ampango dia tsy misy otrikaina ary tsy mampitombo ny zaza. Fadio ny zava-pisotro misy “alcool” rehefa mitondra vohoka. Ny fihinana anana dia tsy mampisy mangana ny zaza rehefa teraka.
  • Fampianarana entina manampy ny mpianatra mba hanalavitra ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina sy ny “alcool”.
  • Ny fomba fiatrehana aretina mateti-pahazo, ao anatin’izany ny fampahafantarana ny fotoana tokony hanantonana mpitsabo.
  • Ny fikojakojana ny nify.

Ireo lohahevitra ireo dia afaka ampianarina amin’ny ora fianarana, ohatra : amin’ny ora fianarana “Biologie” sy siansa. Kendreo mba ho tafiditra amin’ny fandaharam-pianarana ny fianarana zavatra mikasika ireo lohahevitra ireo na manokàna fotoana hafa ianarana izany. Afaka maka mpitsabo na mpitsabo mpanampy ny sekoly mba hampiofana ny mpiasa ao aminy raha ilaina izany.

Manaraka fomba fiainana mampiakatra ny “économie”

  • Manjifa ny vita gasy fa tsy ny vokatra nafarana avy any an-dafy.
  • Manangana raharaham-barotra kely.

Mety tsy hitovy ny fomba hampianaran’ny sekoly ireo fahaiza-manao ireo. Ny sasany amin’ireto “activité parascolaire” manaraka ireto dia afaka hampivelatra ireo fahaiza-manao ireo amin’ny mpianatra.

Karazana “programme parascolaire” hafa / “Other extra curricular options

Ireto manaraka ireto dia karazana “programme parascolaire” hafa izay tsara ihany koa:

“Estime de soi”/ Self Esteem: Ny fananana “estime de soi” dia ny fanananao fahatokisana ny fahaizanao sy ny fanananao fijery “positif” momba ny tenanao. Ny fananana fahatokisan-tena sy “estime de soi” dia mampitombo tokoa ny fahombiazana amin’ny fiainana.

Amin’inona no ampianarana izany: Amin’ny “activité” rehetra sy fotoana fampianarana rehetra ao an-tsekoly.

Ny fomba ampianarana izany: Ny fomba hitondranao ny mpianatrao ao am-pianarana dia manampy ny “estime de soi” ananany. Raha lazainao fa vendrana izy dia hanana “estime de soi” ambany. Fa raha mitady ny tanjany (point fort) ianao ary midera azy dia mety hatoky kokoa izy fa afaka mahavita zavatra tsara ary manan-danja ny tenany. Maro ireo “activité” izay manangana ny “estime de soi”. Ny « activité parascolaire » tahaka ny “éducation en plein air », fanatanjahantena, mozika sy tantara an-tsehatra dia mampitombo ny « estime de soi ».

Efa nahare aho fa misy mpampianatra eto Madagasikara manao fihetsika mahatonga ireo mpianany hatahotra, miteny ratsy azy ireo, mikapoka na mahatonga azy ireo hanana fijery ratsy mahakasika ny tenany. Ny fitondran-tena toy izany dia hahatonga ireo mpianatrao hankahala ny taranja ampianarinao ary tsy hahay izany. Misy fotoana ireo mpianatrao mety hahatezitra anao. Fa aoka mba hanana faharetana ianao, hanazava tsara, handray andraikitra amin’ny hitsiny manoloana ireo olana ara-pitondran-tena ary ny tena zava-dehibe indrindra, omeo tosika hatrany ireo mpianatra amin’ny zavatra vitany.


Fitarihana/Leadership: Tena zava-dehibe amin’ny fahombiazan’ny sekoly rehetra, ny orinasa, ny fiaraha-monina, ary ny firenena ny fisian’ny mpitarika tsara. Na iza na iza no ampianarin’ny sekoly misy anao dia misy amin’ireo mpianatra ao ireo no hanana tombontsoa hitarika amin’ny ho avy.

Ny fomba ampianarana izany: Omeo andraikitra ireo mpianatra mandritra ny lesona na ao an-tsekoly. Asaivo mifidy mpisolo-tena isaky ny kilasy na sokajy ireo mpianatra, ka ireny no hitatitra ny hevitr’izy ireo sy ny fihetsem-pony mandritra ny fivoriana hiarahana amin’ny mpandraharahan’ny sekoly isam-bolana. Afaka asiana filoha iray ary mpisolo-vava lehilahy sy vehivavy izay hitana andraikitra vitsivitsy toy ny manampy amin’ny fivorian’ny ray aman-dreny, mitondra teny sns…Manasà mpitarika eny amin’ny fiaraha-monina mba ho avy ary hiresaka momba ny andraikiny eny amin’ny fiaraha-monina. Manatona ny HELP Madagascar ao Toamasina raha mila fanazavana fanampiny mikasika ny fampianarana fitarihana ho an’ny mpianatra.


Toe-tsaina tokony hananana manoloana ny vola sy ny fananana/Attitude to money and posessions: Maro amin’ny olona eto amin’izao tontolo izao no manome lanja bebe kokoa ny vola sy ny fananana manoloana ny mpiara-belona aminy na ny fifandraisana amin’ny olona. Fomba fijery tsara ve izany sa tsia? Raha ny hevitro dia tsy ratsy akory ny fahombiazana, fa tsy mety kosa raha avy amin’ny fanambakana ny hafa no nahazoana izany vola izany. Tsara kokoa ny mahazo tombom-bola kely sady mikarakara ny mpiasanao sy ny tontolo iainana ianao noho ny mahazo tombony be fa mampiasa olona amin’ny tsy rariny sy manimba ny tontolo iainana. Ny fanaovana kolikoly dia tsy fahamarinana ihany koa. Rariny isika raha mandoa hetra fa ny manao tsolotra kosa dia tsy mety. Ampianaro mba tsy handray na hanome tsolotra ireo ankizy.

Tena zava-dehibe ihany koa ny ampianarana mikasika ny lanjan’ny fanangonam-bola sy ny fanomezana. Maro amin’ny Malagasy no mandany ny volany amin’ireo zavatra izay tsy haharitra. Ampianaro ny ray aman-dreny mba hahay hitantana ny volany ka mba tsy ho tapatapaka ny saram-pianaran’ny zanany.

Ny fomba ampianarana izany: Ny mpampianatra dia modely ho an’ireo mpianatra, ny mpampianatra no tokony haneho ny toetra mety. Ora fianarana manokana mikasika ny fitantanam-bola.


 “Principe”/Principles: Ny lalàna moraly hentitra dia tsara hampitaina amin’ny mpianatra. Ny toetra mahatoky, ny rariny, ny tsy fizahan-tavan’olona, ny fanomezan-danja ny hafa, ny fandraisan’andraikitra amin’ny asa tokony hatao, ny famelan-keloka, ny fahazotoana miasa ary ny fijoroana amin’ny fahamarinana.

Ny fotoana ampianarana izany: Mandritra ireo “activité scolaire” rehetra.

Ny fomba ampianarana izany: Ny mpampianatra dia tokony hiezaka araka izay vitany mba ho modely haneho ireo toetra ireo ary hanaiky fa ny olona dia mety ho diso. Ampirisiho ary ampianaro miasa miaraka amin’ny foto-pisainana sy fitondran-tena tsara ireo mpianatra. Aoka ho modely ho an’ny mpianatra amin’ny rariny sy ny hitsiny ao am-pianarana ny mpampianatra. Aoka hizaka ny vokan’ny nataony ny mpianatra izay manao fahadisoana. Mamelà ny helok’ireo mpianatra izay nanao zavatra tsy nety taminao taloha.


 “Empathie” (fiaraha-miory) /Empathy: Ny sekoly dia tokony hampirisika ny mpianatra mba hahazo ny toe-javatra mahazo ny olona manodidina azy, ary manampy azy ireny amin’izay azony atao.

Ny fotoana ampianarana izany: mandritra ireo “activité scolaire” rehetra.

Ny fomba ampianarana izany: Ampio ireo mpianatra mba hahazo ny ady mianjady amin’ny tsirairay, maneho « sympathie » sy antra ho an’ireo mpianatra mandalo fotoan-tsarotra. Amin’ny taranja sasany dia afaka manao vakiteny momba ny fiainan’ny olona samihafa sy ny toerana misy azy ireo ary mianatra ny mipetraka eo amin’ny toeran’ireo olona ireo. Ny sekoly dia afaka manohina ireo mpianatra tena mahantra amin’ny alalan’ny fanomezana azy sakafo maimaimpoana any an-tsekoly na asa ho an’ny ray aman-dreniny, ohatra miasa any amin’ny toerana fiompian’ny sekoly na mikarakara ny trano fianarana.


Fampandrosoana ny fiaraha-monina/Community development: Ny sekoly dia tokony hanampy ny mpianatra mba hahay hanampy ireo olona sahirana. Hevitra vitsivitsy:

  • Ampianaro mahandro sakafo ireo mpianatra ary zarao amin’ny olona mahantra izany.
  • Mambole hazo fihinam-boa eny amin’ny fiaraha-monina.
  • Mianara mikasika ireo olana ara-pahasalamana eo anivon’ny fiaraha-monina ka mandehana mampianatra izany any amin’ireo fianakaviana sy ireo namana.
  • Manamboara mofo mamy ary amidio izany mba ahafahana manangom-bola entina hanaovana fiantrana eo an-toerana.
  • Asaivo manadio sy manala ny fako manodidina ny sekoly sy ny fiaraha-monina ireo mpianatra.

Toe-tsaina tia karokaroka/Curiosity: Ny fananana fahalianana amin’ny fianarana ary ny fametrahana fanontaniana.

Ny fotoana ampianarana izany: mandritra nyLesona.

Ny fomba ampianarana izany: Ampirisiho hieritreritra fanontaniana mikasika ny lohahevitra ampianarinao ireo mpianatra, na dia tsy hainao aza ny valiny rehetra. Ataovy mahaliana ireo lesona ary manomeza ohatra mampifandray izany amin’ny fiainan’ny mpianatra raha mety. Omeo zavatra fanampiny ho vakiny ireo mpianatra liana ny amin’izany.


Fahaizana”communication”/Communicators: Ny “communication” tsara, mazava dia fahaiza-manao tena ilaina.

Ny fotoana ampianarana izany: Lesona, aorian’ireo “activité scolaire”.

Ny fomba ampianarana izany: Manaova “groupe de discussion”, “discussion de classe” ary ady hevitra ao an-dakilasy. Asaivo miezaka manatsara ny fanoritsoritana nomen’ny mpianatra iray ireo mpianatra sasany. Tokony hahavita hamorona lahatsoratra lava ireo mpianatra. Manaova tantara an-tsehatra amin’ny taranja ampianarinao na any amin’ireny “club” aorian’ny ora fianarana ireny. Mamorona “club” izay hanofananao ireo mpianatra hanao lahateny mahaliana mikasika lohahevitra iray.


Fampianarana “informatique”/Computer literate: Amin’ny fotoana maha-mety azy dia tokony omena tombontsoa hianatra “informatique” ireo mpianatra. Izany dia azo lazaina ho fanamby, indrindra ho an’ireo sekoly izay manana mpianatra maro sahirana na dia hividy penina sy taratasy hianarany aza.

Ny fotoana ampianarana izany: Lesona, “cours spécial”.

Ny fomba ampianarana izany: Raha manana solosaina na “tablette” na “smart phone” ianao dia afaka omena ampiasain’ny mpianatra tsiroaroa izany mba hanaovany “activité”. Asehoy ny mpianatra ny fomba fitadiavana “information” amin’ny alalan’ny aterineto. Jereo ny http://www.mada-enseignants.org raha mila “ressource” tsara azonao ampiasaina na ampidirina amin’ny solosainao ianao.


Fahaizana misaina lalindalina kokoa/Higher level thinking skills: Ny fampianarana lesona izay misy zavatra mitaky fahaizana misaina ambonimbony kokoa amin’ny sokajin’i Bloom dia tena hitondra tombony be dia be ho an’ny mpianatra amin’ny ho avy.

Ny fotoana ampianarana izany: Lesona.

Ny fomba ampianarana izany: Mampiasa hevitra avy amin’ilay toko momba ny sokajin’i Bloom.


Fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana/Life skills: Ireo fahaiza-manao ilaina mba hahombiazana amin’ny fiainana. Ny resaka fahasalamana, fitantanam-bola, fandrindrana fotoana, fahaizana manadihady, “orientation professionnelle”, fanomanana ny fianarana atao any amin’ny ambaratonga ambony, ary ny maro hafa koa. Ny fanampiana ny mpianatra hahay hiatrika zava-tsarotra toy ny fahafatesana sy ny loza. Ny fampianarana ny mpianatra ny fahaizana mikaroka.

Ny fotoana ampianarana izany: Misy fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana izay afaka ampianarina amin’ireo lesona anatin’ny fandaharam-pianarana, ohatra: ny fitantanam-bola dia mety tsara amin’ny lesona matematika. Fa misy kosa fahaiza-manao maro izay mila fotoana manokana hianarana izany.


Mozika/Music: Ny mozika dia nanana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny kolontsaina foana hatramin’izay.

Ny fotoana ampianarana izany: Mandritra ny lesona na ora fianarana manokana.

Ny fomba ampianarana izany: Ampianaro hira ireo ankizy mandritra ny lesona (ho fomba hianarana ilay taranja). Mampianara hira nentim-paharazana malagasy. Makà mpampianatra mahay hampianatra zava-maneno ireo mpianatra.


Dihy/Dance: Raha tsy ampianarina any an-trano ireo dihy nentim-paharazana eo an-toerana dia afaka ampianarin’ny sekoly izany. Na mampianara dihy moderina.


Tantara an-tsehatra/Drama: Ny fandraisan’ny mpianatra anjara amin’ny famokarana tantara an-tsehatra dia mampiakatra ny fahatokisan-tenany sy ny “estime de soi” ananany.

Ny fotoana ampianarana izany: amin’ireo lesona na “cours”.

Ny fomba ampianarana izany: Ny tantara kely dia fomba iray mahafinaritra hilalaovana sy hahafahan’ny mpianatra mampiasa ireo teny amin’ny lesona momba ny fiteny vahiny na Malagasy. Ny famokarana tantara lehibe kokoa, izay hanasana mpanotrona hijery kosa dia mila fotoana manokana mihitsy ny fianarana izany. Izany dia tena hanampy ireo mpianatra mba hatoky tena kokoa ary hampitombo ny fahaizany “communication” sy ny fahaizany miara-miasa amin’ny hafa.


Fahaizana miasa “en équipe”/Working as a team: Ireo “Stratégie d’apprentissage actif” maro izay hanaovan’ny mpianatra “devoir de groupe” dia hampisondrotra ny fiaraha-miasa “en équipe” .


Ny fiarovana ny tena/Personal safety: Tena zava-dehibe ny fahaizana manalavitra ny loza. Betsaka ireo “danger physique” (toy ny eny amin’ny lalana sy ny any an-dranomasina) sy ny loza ateraky ny olona. Ireto misy ohatra vitsivitsy mahakasika izany:

  • Ny fampianarana ny mpianatra mikasika ny fahasalamana sy fiarovan-tena tsotsotra mba hampihenana ny fitrangan’ny faharatrana.
  • Ny fampianarana ny mpianatra momba ny loza ateraky ny “industrie sexuelle” sy ny “pédophilie”, ary ny fomba hisorohana ireny.
  • Ny fampianarana ireo mpianatra ny fisorohana ny tsy rariny ataon’ny mpampiasa ratsy fanahy, indrindra ny any an-dafy.
  • Ny fampianarana ny mpianatra momba ny fisorohana ny fandriky ny fiankinan-doha (zava-mahadomelina/paraky/firaisana ara-nofo/toaka) ary ny toerana aleha raha miady amin’izany ny tenany na ny namany.
  • Ny fampianarana ny mpianatra ny fisorohona ny hosoka izay mety hahavery ny volany.
  • Ny fampianarana ireo ankizivavy ny loza mety hateraky ny fidirana amin’ny sehatry ny fivarotan-tena.
  • Ny fampianarana ireo mpianatra mba hanaja ny vola eo am-pelatanany no sady hanohitra ny fakam-panahy mitarika azy amin’ny fitiavam-bola tafahoatra.
  • Ny fampianarana ny mpianatra ny fomba hisorohana ny halatra ka tsy hisy hangalatra ny fananany.

Ny fotoana ampianarana izany: Matetika amin’ny “cours spécial”.

Ny fomba ampianarana izany: Mila manao fandaharam-pianarana manokana izay miresaka momba ireo voalaza etsy ambony ireo.


Ny fampiasam-batana/Physical Activity: Ny fampiasam-batana isan’andro dia mampihena ny mety hitrangan’ny aretim-po na diabeta no sady mitondra fifaliana bebe kokoa ary mahatsara kokoa ny fiainana.

Ny fotoana ampianarana izany: Ny ankamaroan’ny sekoly dia manana fotoana manokana hanaovana fanatanjahantena. Misy mpampianatra manokana manofana ireo ekipa ara-panatanjahantenan’ny sekoly. Maro ny mpianatra tena tia fanatanjahantena ary ny fidirana amin’ny ekipa ara-panatanjahantena dia mampitombo ny fahazotoany amin’ny fianarana ireo zavatra hafa rehetra.


Ny fialam-boly/Hobbies: Misy sekoly manana “club” izay hahafahan’ny mpianatra mandray anjara amin’ny fialam-boly maro samihafa tahaka ny “’jeu d’échecs”, “jeu de société” ary fanaovana asa tanana.


Ny fahaizana manombo-javatra (esprit d’initiative)/Enterprise: Ny fampianarana ny mpianatra ny fomba hitantanan’asa madinika.

Ny fotoana ampianarana izany: Afaka ampidirina amin’ny fampianarana matematika na amin’ireo “cours spécial”.

Ny fomba ampianarana izany: Ny matetika fanao dia ireo zavatra tsotra tahaka ny fivarotana mofo namboarin’ireo mpianatra. Asaivo manao asa “en groupe” ireo mpianatra ary mitondra hevitra izay azony hatao hitadiavam-bola. Avy eo dia omeo vola kely izy ireo (ohatra: 5000Ar) mba hanombohany ny fitadiavam-bolany, ny tanjona dia ny hahazoany tombony araka izay azony atao. Ny tombony dia afaka omena ireo mpianatra na ireo mpanao asa soa. Misy mpianatra mila hampianao amin’ny fitadiavana hevitra ary rehefa manana tetikasa mahomby izy ireo vao omena vola. Tsy maintsy hisy foana anefa ireo asa tsy hamokatra.


Ny fahaizana mandini-tena/Reflective: Sarotra ny mianatra mandini-tena. Ireo mpianatra mahay mandinika ny tenany dia mahafantatra ny zavatra hainy sy ny tsy hainy. Vokatr’izany dia fantany izay tokony hiezahany bebe kokoa ahafahany mivoatra. Ireo mpianatra dia mila mianatra mandray lesona avy amin’ny fahadisoany fa tsy hamerina izany foana.

Ny fotoana ampianarana izany: Ny lesona rehetra.

Ny fomba ampianarana izany: Ny fananana tanjona mazava mikasika ny zavatra tokony ho hain’ireo mpianatra ary ny famelana azy ireo hanapaka raha vitany ny nianatra ireo na tsia. Ampirisiho hieritreritra izay zavatra hainy sy ireo izay mbola tiany hatsaraina ireo mpianatra.


Fampianarana mikasika ny tontolo iainana/Environmental education: Ny Malagasy dia miantehitra amin’ny tontolo iainana manodidina azy. Tena ilaina ny hikarakarana izany mba hitohizan’ny fiainany. Hevitra vitsivitsy tokony hojerena:

  • Ny fomba hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana.
    • Ny fampianarana ny mpianatra ny fomba fiompiana mahomby.
    • Ny fampianarana ny mpianatra ny fomba fambolena mahomby.
    • Ny fampianarana ny mpianatra ny lanjan’ny hazo sy ny ala.
    • Ny fampianarana ny mpianatra ireo fomba fambolena maharitra. Ny fikarohana dia manambara fa ireo fomba fambolena vaovao dia afaka manatsara ny vokatra ary tsy mitaky “produit chimique” lafo vidy.
  • Misy fomba fijery kristiana mikasika izany, amin’ny teny frantsay/malagasy afaka jerena ao amin’ny:

http://www.farming-gods-way.org/field_guide.htm. Misy milaza izany amin’ny an-tsipiriany bebe kokoa amin’ny teny anglisy amin’io tranonkala io. Izy io dia fomba tsotra sy mora afaka hanatsarana ny vokatra azo avy amin’ny fambolena.

Io boky filan-kevitra io dia manazava ny tombony azo avy amin’ny hazo amin’ny sehatry ny fambolena.

Ny fotoana ampianarana izany: Fianarana “biologie”, siansa na “voyage d’étude”

Ny fomba ampianarana izany: Fampidirana ireo lesona mikasika ny tontolo iainana amin’ny lesona ampianarinao. Ao Toamasina, ao amin’ny Parc Ivoloina (http://www.parcivoloina.org/) dia misy programa fampianarana tena tsara ho an’ny ankizy avy eo an-toerana.


Asa/Trades: Madagasikara dia tsy ampy mpiasa mahay izay mahatonga ireo orinasa tahaka ny Ambatovy hampiasa olona avy any ivelany. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo mpianatra mianatra momba ny asa anatin’ny fanabeazana raisiny, ohatra ny fanaovana “soudure”, “mécanique”, “technicien électronique”, “électricité “, “plomberie” sns….


Sekoly kristiana/Christian schools: Ny sekoly kristiana dia matetika maniry ireo mpianatra ao aminy mba hianatra momba ny finoana ary hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra.

Ny fotoana ampianarana izany: Amin’ireo ora fianarana sy “activité” rehetra.

Ny fomba ampianarana izany: Ny finoana kristiana mafy orina dia miorina ambonin’ny fahalalana kristiana lalina sy ny fahazoana izany, amin’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra sy ny fampiasana ny finoana amin’ny fanarahana ny lalan’Andriamanitra amin’ny fiainantsika isan’andro. Zavatra izay afaka atao any amin’ny sekoly kristiana:

  • Fotoam-bavaka 10-20 minitra isan’andro. Ny fanovaovana ny zavatra atao dia tena ilaina amin’ny fanompoam-pivavahana. Aza hadino ny mampandray anjara mavitrika ireo mpianatra.
  • Ireo mpampianatra dia mety hivavaka na hilazalaza momba ny fifandraisan’ny finoany amin’ilay lohahevitra izay hampianariny amin’ny lesona.
  • Ireo mpianatra dia afaka omena tombontsoa hitarika ilay fotoana, na hijoro vavolombelona amin’ny zavatra izay efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany.
  • Tena ilaina ny famakiana Baiboly sy ny fianarana izany.
  • Ny sekoly dia manana foto-pisainana kristiana hentitra, izay mampianatra ny mpianatra ny voalazan’ny Baiboly mahakasika ny fomba fiainana tokony hananany no sady manampy ireo mpianatra hahazo ny antony mahatonga izany ho fomba fiainana tsara tokony harahina.
  • Ireo mpianatra dia tsy terena na gejaina hino. Izany dia safidy malalaka ananan’ny tsirairay.
  • Ireo mpampianatra sy mpandraraha ny sekoly dia tokony hitantana ny sekoly am-pahatokiana, amin’ny hitsiny ary am-pahamarinana. Mety tsy hahavita ny zavatra tokony hataony izy ireo indraindray ka tokony hangataka famelan-keloka amin’ny olona rehetra ao amin’ny sekoly raha toa ka tsy nahavita ny andraikiny.
  • Tandremo mba tsy ho lasa hirona any amin’ny fanarahan-dalàna be fotsiny ny finoana ka lasa tsy ahitana fiainana ary tsy manaja ny fomba fijery Kristiana hafa.

Activité/Activity

Mieritrereta kely ny sekoly misy anao:

1) Inona avy ireo “activité parascolaire” izay efa ampianarina ao amin’ny sekoly misy anao amin’izao?

2) Amin’ny fotoana manao ahoana no ampianarina ireo “activité parascolaire” ireo? Amin’ny fotoana manao ahoana no ahafahana mampianatra “activité” vaovao? Eritrereto ireo fotoana malalaka anananao mandritra ny taom-pianarana, ohatra anatin’ireny fotoana lava be fisoratana anarana ireny. Mety mila manokana fotoana isaky ny herinandro koa anefa ianao.

3) Inona no “activité parascolaire” tianao hampidirina amin’ny fandaharam-pianarana ao amin’ny sekoly misy anao? Nahoana?

4) Inona amin’izay voalaza ao amin’ity toko ity no hitanao fa tsy ilain’ireo mpianatrao loatra? Nahoana? Mariho: Izany dia tena mety hanaovana fitsikerana. Tsy voatery hanaiky ny zavatra nosoratako ianao!

5) Ahoana no fomba ampidiranao ireo “activité parascolaire” ao amin’ny fanontaniana faha-3 amin’ny fampianaranao?

6)Ahoana no fomba hampianaranao ireo “activité parascolaire” amin’ny fanontaniana faha-3 amin’ny ora ivelan’ny ora fianarana? 7) Ampiharo izay efa noeritreretinao hatao amin’ny lesonao na ao amin’ny sekoly misy anao!


[1] https://www.theguardian.com/world/2010/sep/05/french-schools-pupils-feel-worthless notsidihina tamin’ny Aogositra 2016