‘Ny fanabeazana dia ilay mbola tafajanona ao an-tsaina na dia efa adino avokoa aza ireo zavatra nianarana.’ Psychologue B.F. Skinner
Somary sarotsarotra ny mahazo ny fomba hahaizan’ny olona. Ity toko ity dia hanazava fohifohy ny “neurosciences” ambadiky ny fianarana.
Fampifandraisana/Making connections
Mba hahaizan’ny olona zavatra iray dia mila mampifandray ny zava-baovao izany amin’ny zavatra efa hainy izy ary mamerimberina mametika izany zava-baovao hainy izany.
Ny “information” voatahiry ao amin’ny saintsika dia fitambatambarana hevitra maro izay nampifandraisana. Mba hahafahana mitadidy zavatra vaovao sy mitahiry izany dia mila mampifandray izany amin’ireo tahiry efa nananantsika isika.
Raisiko ohatra:
‘Thurso dia anarana azo avy amin’ilay anarana fatan-daza “Thor”. Taona maro taloha tany dia ny “Viking” no nonina tao’
Ho sarotra aminao ny hitadidy izany. Nefa raha izao no lazaiko:
‘Thurso no anaran’ny tanana niaviko. Izany anarana izany dia azo avy amin’ny anaran’ilay Andriamanitra ara-tantara (dieu mythique) nantsoina hoe “Thor”. Taona maro taloha tany dia ny foko iray antsoina hoe “viking” no nonina tao.’
Io dia mora tadidina kokoa. Efa afaka mampifandray io fahalalana vaovao io amin’ny fahalalana efa nanananao ianao. Fantatrao ny atao hoe tanana, andriamanitra ary foko, ka afaka mampifandray izany fahalalana vaovao izany amin’ny sainao ianao.
Tena ilaina ny miezaka mampifandray ny fahalalana vaovao amin’ireo fahalalana efa nananan’ireo mpianatra rehefa mampianatra. Maro ireo fomba mety hanaovana izany:
- Asehoy ireo fifandraisan’ireo fahalalana vaovao sy ireo fahalalana efa nananan’ireo mpianatra rehefa mampianatra ianao. Ohatra : raha mampianatra momba ny rafitra politikan’ny Afrika Atsimo ianao, dia tokony hampitahanao amin’ny rafitra politika efa mahazatra eto Madagasikara izany.
- Ataovy miara-miasa tsiroaroa ireo mpianatra milaza ny mampitovy sy ny mahasamy hafa zavatra roa, ohatra:
- Inona no mampitovy sy ny mahasamy hafa ny “nombre premier” sy ny “entier”?
- Inona no mampitovy sy ny mahasamy hafa ny “réaction chimique exothermique” sy ny “réaction endothermique”?
- Mampiasa sary (carte mentale) hampifandraisana ireo hevitra. Misy mpianatra tena tia ireny, misy kosa mankahala ireny. Ny fanehoana an-tsary dia famerenan-desona tena mahomby. Etsy ambany etsy dia misy fanehoana an-tsary mamehy ity toko ity.

Famerenana/ Repetition
Ny neuroscience dia milaza fa mizara roa ny fitadidiantsika:
Ny mémoire à court terme izay mitahiry fahatsiarovana ao anatin’ny fotoana fohy ary manadino avy eo.
Ny mémoire à long terme izay mitahiry fahatsiarovana ao anatin’ny fotoana maharitra.
Ny tanjontsika dia ny hamadika ireo zavatra ao amin’ny “mémoire à court terme” ho any amin’ny “mémoire à long terme”. Toro-hevitra ho an’izany:
- Fintino ireo hevi-dehibe tao amin’ny lesona eny am-pamaranana ny lesona. Afaka mametraka fanontaniana izay mila valian’ny mpianatra ianao na mila fakafakainy miaraka.
- Asaivo mamerina ny lesona nianarany tany am-pianarana androtriny ny mpianatra rehefa any an-tranony. Mety amin’ny alalan’ny fanomezana azy fanontaniana atao enti-mody na manao “note” na manao “carte mentale” an’ireo hevi-dehibe. Raha mamerina izay zavatra vaovao nianarany ireo mpianatra anatin’ny 24 ora nianarany izany dia ho mora aminy ny hitadidy an’izany ela.
- Rehefa manomboka lesona ianao, dia avereno ireo lesona taloha. Afaka manoratra fanontaniana fohifohy eo amin’ny solaitra be ianao ka mametraka izany amin’ny mpianatra rehetra na mampiasa fomba hafa izay hampandray anjara ny kilasy iray manontolo.
- Ny fanaovana fitsapam-pahaizana kely (interrogation rapide) isan-kerinandro na fitsapam-pahaizana isam-bolana dia hamerina izay efa nianaran’ireo mpianatra ary hanampy azy hanamafy ny “mémoire à long terme” ananany. Ireo mpianatra dia tokony hamerin-desona hiatrehany ny fitsapam-pahaizana.
- Ny ankamaroan’ny fahalalana dia mila averina jerena mihoatra ny indray mandeha mba ho lasa any amin’ny “mémoire à long terme”. Tsara ihany koa raha averimberina matetika ary elanelanina tsikelikely ny fotoana ianarana izany. Raha ohatra ka mianatra zavatra vaovao aho ka mamerimberina izany in-dimy : 1) andro nianarana azy; 2) andro manaraka; 3) afaka herinandro 4) afaka 1 volana 5) afaka 3 volana, ho azo antoka kokoa fa ho tadidiko ao anatin’ny fotoana maharitra izany.
- Ny fanaovana zavatra mampavitrika, toy ny fampianarana ireo fahalalana azo na ny famaliana fanontaniana mikasika ny lesona dia fomba famerenan-desona mahomby kokoa raha oharina amin’ny famakiana lesona fotsiny.
- Farany, ny fahazotoana dia manova zavatra tokoa. Raha toa ka liana amin’ny zavatra ianarany ny mpianatra dia ho mora kokoa aminy ny hahay izany. Mila miezaka mitady fomba hisarihana ny mpianatra mba hianatra ianao.
Raha fehezina, tena zava-dehibe ny fampifandraisan’ny ankizy ny fahalalana azony amin’ny fahalalana efa ananany ary mamerimberina izany matetika mba hahaizany izany.
Fanontaniana/ Questions
1) Mieritrereta kely mikasika ny lesona izay hampianarinao amin’ity herinandro ity. Ahoana ny fomba hampifandraisanao ny fahalalana avy amin’izany lesona izany amin’izay zavatra efa hain’ireo mpianatra? Ampiharo izany amin’ity herinandro ity.
2) Mieritrereta kely mikasika ny kilasy iray izay ampianarinao. Inona no eritreretinao hatao mba hahatonga ireo mpianatra hamerina matetika ireo fahalalana vaovao noraisiny? Inona no “activité” hampiasainao? Ampiharo izany amin’ity herinandro ity.
3) Miezaha manao fanehoana an-tsary (carte mentale) ny lohahevitra iray izay hampianarinao. Rehefa vonona ianao, ampianaro manao toy izany ny mpianatrao. Ary ataovy manao fanehoana an-tsary lohahevitra iray efa nampianarinao izy ireo – fa tsy maka tahaka ny anao. Tokony ho samy hafa avokoa ny an’ny tsirairay.
4) Fitsikerana: Ahoana no hahafantaranao fa ny fanovana hampiharinao amin’ny lesonao dia hampivoatra ny fahaizan’ireo mpianatra?