‘Ny fanimbana na fanararaotana ny ankizy dia mety hitranga n’aiza n’aiza ‘ – Fiangonana any Ecosse
Inona no atao hoe fahasimbana na fanararaotana?/What is harm or abuse?
Ny fanararaotana dia ireo karazana zava-dratsy rehetra mahazo ny ankizy vokatry ny nataon’ny olon-dehibe, na noho ny tsy firaharahian’ny olon-dehibe. Misy karazany izany:
Fanararaotana ara-batana: Ny fanararaotana ara-batana dia mitranga rehefa iharan’ny herisetra ny ankizy, voaratra na iharan’ny fanaintainana ara-batana ataon’ny olon-dehibe. Tsy mitovy ny fibedesana ara-dalana izay mihatra amim-batana (ohatra: ny fikapohana zaza noho ny ditrany) sy ny fanararaotana (fanaovana herisetra amin’ny ankizy). Nefa kosa maro ireo “psychologue” no mampirisika ny Ray aman-dreny mba hampiasa fomba fibedesana hafa. Ao anatin’izany ihany koa ny fampijaliana ankizy ataon’ny samy ankizy.
Fanararaotana ara-tsaina: Ireo ankizy ompana, lazaina fa tsy misy ilana azy na ampijaliana amin’ny alalan’ny teny na ny fihatahana aminy. Misy ireo milaza fa izany dia manimba kokoa noho ny fanararaotana mihatra amin’ny vatana. Ity fanararaotana ara-tsaina ity dia mety hanimba kokoa noho ny fanararaotana ara-batana. Ao anatin’izany ihany koa ny fampijaliana ankizy ataon’ny samy ankizy.
Tsy firaharahina: Ireo ankizy tsy mahazo fitiavana, fikarakarana na sakafo izay ilainy. Eto Madagasikara dia maro ireo ankizy izay azo lazaina fa tsy voakarakara noho ny tsy fahampian-tsakafo mahazo azy. Tia azy ireny ihany ireo ray aman-dreniny fa tsy mba afaka manome azy sakafo araka ny tokony ho izy.
Fanararaotana ara-nofo: Ireo ankizy ampitodihin’ny olon-dehibe amin’ny “pornographie”, na voatarika amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny olon-dehibe. Ny ankamaroan’ny fanararaotana ara-nofo dia notontosain’ny lehilahy, fa ny ankamaroan’ny lehilahy dia tsy mpanao izany. Ireo zaza tsy ampy taona lasa tafiditra amin’ny fivarotan-tena dia anatin’ny fanararaotana ara-nofo.
“Radicalisation”: Famandrihana ny ankizy mba hanaraka fomba fijery ratsy, ohatra: Ny “Etat islamique” na ireo toy izany.
Fampiasana ankizy: Ny fampiasana ankizy dia mety ho endrika fanararaotana ary mety hiteraka voka-dratsy amin’ny fitomboan’ny ankizy. Ny mpampianatra no matetika mahay mitsara raha ohatra ka mitaky zavatra tsy araka ny tokony ho izy amin’ilay ankizy ny ray aman-dreniny na ny mpitaiza azy. Ny zava-misy amin’ny fiainana eto Madagasikara mantsy no mahatonga ireo ankizy maro be tsy maintsy miasa mba hahafahany mamelona ny fianakaviany.
Ireo fanaraotana rehetra voalaza etsy ambony dia ratsy, manimba ny ankizy ary hampitondra takaitra azy ireo mandritra ny fiainany manontolo.
Famantarana ny fisian’ny fanararaotana/Signs of abuse
Maro ireo famantarana fa iharan’ny fanararaotana ny ankizy iray:
- Ireo mangana izay tsy hain’ireo ankizy hazavaina, na any amin’ny toerana tsy mahazatra. Nefa tsy vokatry ny fanararaotana avokoa ny mangana rehetra!
- Fiovana be tampotampoka amin’ilay ankizy, ohatra: olona misokatra amin’ny hafa lasa mitokatokana. Tsy ny fiovana rehetra amin’ny ankizy anefa dia ho vokatry ny fanararaotana avokoa, ohatra: mety hoe nisy havany maty na mety manana olana ara-pianakaviana izy.
- Fisian’ireo famantarana ara-batana ny tsy fahampian-tsakafo. Izany dia mety hiteraka ny fahataran’ny fitomboana.
- Ankizy mbola kely taona miresaka momba ny firaisana ara-nofo. Tsy voatery ho porofon’ny fanararaotana izany.
- Ireo ankizy reraka loatra rehefa tonga ao am-pianarana. Mety hoe tsy maintsy miasa mafy izy rehefa any an-tranony… na nilalao “jeu” tamin’ny solosaina izy nandritra ny alina.
Inona no tokony atao manoloana ny fanararaotana/What to do about abuse
Fanararaotana eny amin’ny fiaraha-monina / Abuse in the community
Raha toa ka fantatrao fa ny iray amin’ny mpianatrao dia iharan’ny fanararaotana any amin’ny fiaraha-monina misy azy dia tokony hiditra an-tsehatra ny sekoly. Ny fomba hidiranao an-tsehatra anefa dia hiankina amin’ny toe-javatra misy anao fa ireto misy hevitra vitsivitsy:
- Tsy fanjarian-tsakafo: Ampianaro an’ireo ray aman-dreny ny sakafo tsara tokony homeny ny zanany ary raha anisan’ny fototry ny olana ny hamaroan’ny zanany, ampianaro mikasika ny fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana ireo ray aman-dreny (fanabeazana aizana). Hevero ihany koa ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana isak’antoandro any an-tsekoly.
- Raha toa ka tsy ireo ray aman-dreny no manao izany fanararaotana izany dia resaho amin’ireo ray aman-dreny ny paik’ady tokony hananany mba hiarovana ilay zanany.
- Raha ireo ray aman-dreniny no manao ilay fanararaotana, ampiasao ny fahendrenao, mety mila miantso ny “ministère de la population” izay mety afaka hanampy amin’izany ianao na antsoy ny laharana maitso 147.
- Misy sekoly manendry mpiasa iray mba hisahana ny resaka fanararaotana ary omena fotoana manokana izy hanaovana izany.
- Manatona ny polisy.
- Manatona ireo tompon’andraikitra eo an-toerana.
- Ampio ilay ankizy amin’ny fitadiavana ireo havany izay afaka hanampy azy raha toa ka tsy afaka ny hanampy azy ireo ray aman-dreniny.
- Afaka aterina eny amin’ny toerana fitaizana zaza kamboty ihany koa ilay ankizy kanefa tsara kokoa raha eny anivon’ny fiaraha-monina ihany no hitaizana azy.
Ny fisorohana ny fanararaotana eny an-tsekoly / Avoiding abuse in schools
Saika ahitana fanararaotana avokoa ny ankamaroan’ny sekoly eto Madagasikara. Ny mpampianatra ihany koa dia mety ho voaendrikendrika fotsiny. Hojerentsika eto ny fomba hampihenana ny mety hitrangan’ny fanararaotana eny amin’ny sekoly sy ny fomba hiarovana ny mpiasa ao amin’ny sekoly mba tsy hotratran’ny fanambarana tsy marina. Tadidio fa ny asa tena tian’ny olona “pédophile” dia ny asa ahafahany mifandray amin’ny ankizy.
a) Ataovy azo antoka fa tsy manana tantara ratsy mikasika ny fanararaotana ireo mpiasa.
- Jereo tsara ny “référence” ananan’ilay olona mialohan’ny hampiasana azy. Anontanio ireo mpampiasa azy fahiny raha efa nisy tranga fanararaotana niseho. Takio ny “contrôle de police” ho an’ireo mpiasa mety horaisinao amin’ny ho avy.
- Tokony horaisina ireo vahiny mandalo ao amin’ny sekoly, fa tsy tokony havela irery miaraka amin’ny mpianatra iray na roa.
b) Ofano ireo mpiasa ao aminao mba handray andraikitra ka hampihena ny tranga fanararaotana sy ny mety hisian’ny fanendrikendrehana:
- Ahenao ny fitokatokanana: Ny fanararaotana dia matetika mitranga eny amin’ireo toerana mitokana tsy hitan’olona ka irery miaraka amin’ny ankizy iray ny olon-dehibe. Mba hampihenana ny fitokatokanana dia tokony hamboarina ny efitrano fianarana mba ho tazana avy any ivelany ny ao anatiny.
- Ny mpampianatra dia tokony hiaraka amin’ny ankizy maromaro foana: Sarotra ny hanararaotra ankizy rehefa miaraka amin’ny mpianatra maro ny mpampianatra anankiray.
- Ampitomboy ny fandraisana andraikitra: Ireo mpampianatra dia tokony hampilaza ny lehibeny rehefa mampianatra amin’ny ora ivelan’ny ora fianarana na mampanao “cours” mpianatra tokana. Ny “cours individuel” dia tokony eny amin’ny toerana izay afaka ho hitan’olona ny ao anatiny, ohatra eny amin’ny efitrano fianarana misokatra varavarana.
- Ireo mpiasa dia mila mifampahery hatrany mba samy hitondra-tena tsara, hanao araka izay voalazan’ireo toro-marika etsy ambony. Raha misy miahiahy ny amin’ny fitondratenan’ny mpampianatra iray dia tokony ho fantatr’izy ireo ny olona tokony hampahafantarany an’izany.
- Ho an’ny sekoly kristiana: Ampianaro mazava tsara ny finoanareo mba hahafahan’ireo mpianatra mahita ny lesoka amin’ny hevitra haelin’ny vondrona “radical”.
c) Saraho ny toeram-pivoahan’ny ankizy sy ny olon-dehibe ary ny toerana fisoloany akanjo.
d) Ampianaro ireo ankizy ny olana mahakasika ny fanararaotana.
- Ireo mpianatra dia tokony hahafantatra ireo zavatra samihafa mitarika amin’ny fanararaotana – ireo olona tsy fantany izay mamandrika azy ireo mba handeha any amin’ny toerana mitokana irery; Ireo fikasikasihana tsy ara-dalàna ataon’ny olon-dehibe sns. Tokony ho fantatr’izy ireo fa ireo mpanararaotra dia matetika tena efa za-draharaha amin’ny fomba ifandraisana amin’ny ankizy ary mampiresaka.
- Tokony ho fantatr’ireo ankizy ny olona azony hiresahana mikasika ny fanararaotana.
- Tokony ho fantatry ny ankizy ny loza manodidina ny “radicalisation”.
- Tokony ho fantatry ny ankizy fa tsy tokony leferina ny fanenjehana ataon’ny namany.
e) Ny fanenjehana dia tsy tokony hatao tsinontsinona. Ny fanenjehana dia fanararaotana ara-tsaina sy ara-batana ataon’ny ny ankizy hafa amin’ny ankizy iray. Izaho dia mahafantatra sekoly tsy dia ahitana izany fahenjehana izany. Amin’io sekoly io dia roahina ireo mpianatra izay tsy mitsahatra ny manenjika ankizy hafa. Tsy tokony handefitra amin’ny fanararaotana ara-tsaina sy ara-batana ataon’ny ankizy mihitsy.
f) Aza atao tsinontsinona ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona, indrindra raha misy elanelana lehibe amin’ny taonan’ireo olona manao izany na raha toa ka manararaotra ny iray amin’izy ireo.
Fakafakao/Discuss
Inona no afaka ataonao sy ny sekoly misy anao manoloana izany olana izany?