FIOFANANA

Manolotra fiofanana isan-karazany izahay. Misy ny fanohanana ara-bola ho an’ireo sekoly sahirana tsy mahaloa ny sarany.

Fomba Fampianarana Moderna 1

Ahitana fizaram-potoana 10, atao mandritry ny adiny 15-30 hianarana ny fahaiza-manao fototra momba ny fampianarana. Hevitra voarakitra ao amin’ny boky mitondra ny lohateny hoe “Fomba Fampianarana Moderina” no ifotorana.

Natao ho an’ny mpampianatra amin’ny ambaratongam-pampianarana rehetra ny fiofanana.

Ahazoana bokin-desona iray sy taratasy fanamarinana any am-piafaran’ny fiofanana ny saram-piofanana naloha.

Fomba Fampianarana Moderna 2

Ahitana fizaram-potoana 10, ary maharitra adiny 15-30 hanampiana ny mpampianatra hampihatra ireo lesona tamin’ny  fiofanana voalohany. Ahitana lohahevitra mifototra amin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe “Fomba Fampianarana Moderina II” koa izany.

Ahazoana bokin-desona iray sy taratasy fanamarinana any am-piafaran’ny fiofanana ny sarany aloha.

Fomba Fampianarana Moderna ho an’ny Garabola sy ny ambaratonga fototra

Ahitana fizaram-potoana 5, ary maharitra adiny 12. Hevitra voarakitra ao amin’ilay boky mitondra ny lohateny hoe “Fomba Fampianarana Moderina ho an’ny Garabola sy ny Ambaratonga” no ifotorana

Ahazoana bokin-desona iray sy taratasy fanamarinana any am-piafaran’ny fiofanana ny sarany aloha.

Fiofanana ho mpampiofana

Mpampianatra hanofana momba ny Fomba Fampianarana Moderina I no hofanina. Maharitra adiny 21 (ary ahitana fizarana 14) ny fiofanana ary maimaim-poana. Ahazoana boky tari-dàlana ho an’ny mpanofana izany. Tsy maintsy efa nahavita ny Fomba Fampianarana Moderina I sy II ny mpampianatra vao afaka misoratra anarana hanao ity fiofanana ity.

Asa fampiharana ho an’ny taranja « Physique-Chimie », natao ho an’ny mpampianatra any amin’ny ambaratonga faharoa

Nandrafitra asa fampiharana mora vidy ho an’ny mpampianatra Siansa izahay. Ohatra, nandrafitra lesona izahay ahazoan’ny mpampianatra fitaovana entina manao fanandramana ao am-pianarana ary azo ampiasaina mandritry ny taom-pianarana iray manontolo. Amin’ny sarany 15000 ariary. Mampanao fiofanana indray andro (adiny 6) izahay ampidirana ny asany amin’ireo fanaovana fanandramana.

Ahazoana bokin-desona iray sy taratasy fanamarinana any am-piafaran’ny fiofanana ny sarany aloha.

Raha te hisoratra anarana

Antsoy ireto laharan-tariby ireto raha anao famandrihan-toerana na mila fanazavana fanampiny:

Antananarivo (ivelan’ny ora fianarana azafandy): Tahina – 0348875540 na Josianne – 034 96 150 36

Tamatave (ivelan’ny ora fiasana azafady): Lili: 032 580 3630 or 034 13 762 04

Fenoy ny “formulaire” ao amin’ny tranonkala: http://mada-enseignants.org/laharana-ifandraisana

Na koa tsidio ny pejy Facebook: ‘Centre de formation d’enseignants Robert MacGregor’ https://www.facebook.com/madaenseignants