Sasin-teny/Preface

Ny fampianarana dia asa mendrika. Ny mpampianatra dia manova izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fanabeazany sy ny fanomezany ainga ireo tanora. Ny tanora nahazo fanabeazana tsara dia hanana fiainana tsara kokoa ary hahatonga ny fireneny hanan-karena sy hahomby kokoa.

Tamin’ny taona 2016, izaho dia nanolotra fampiofanana ho an’ireo mpampianatra avy eto an-toerana teto Madagasikara. Ilay fampianarana dia natao mba hampidirana karazana pedagojia izay hanatsara ny vokatra ara-pianarana eto Madagasikara. Ity boky ity dia nosoratana ho an’ny mpampianatra rehetra nefa mifanentana kokoa amin’ireo izay mampianatra ankizy na mpianatra mihoatran’ny 9 taona. Nasaina mba hiverina taty aho, ary nanoratra ity boky ity mba hanampiana ireo mpanofana mpampianatra eto an-toerana sy ireo miofana ho mpampianatra.

Amin’ity boky dikan-teny malagasy ity, ireo lohateny rehetra dia natao amin’ny teny anglisy sy malagasy mba hanampy ahy amin’ny fampiofanana amin’ny teny anglisy.