8. Fahazoana fahombiazana amin’ny fanadinana/Achieving examination success

“Ny fanadinana dia mety ho fitaovana iray mahomby ahafahana mitsapa ny fahaizan’ny mpianatra ary ny fanaovana fanadinana dia afaka hanampy antsika mba hahay ary hitahiry “information” vaovao anatin’ny fotoana lava ary hampihatra izany amin’ny toe-javatra samihafa.” Association pour la science psychologique[1]

Ny sekoly iray dia afaka ny hahazo vokatra tsara lavitra noho ny sekoly hafa, na dia mitovy aza ny mpianatra ao aminy. Inona no ataon’izy ireo mba hahazoany izany vokatra izany? Ity toko ity dia maneho ny fomba hahombiazan’ireo mpianatra amin’ny fanadinana.

Fakafakao/Discuss

1)Inona no antony mety mahatonga ny sekoly sasany mahomby kokoa noho ny hafa amin’ny fanadinana?

2) Inona no eritreretinao ho azonao atao mba hanatsarana ny voka-panadinan’ireo mpianatrao?

Ity toko ity dia miresaka mikasika zavatra efatra izay tena zava-dehibe amin’ny fahazoana fahombiazana amin’ny fanadinana:

  1. Mpianatra mianatra araka ny tokony ho izy
  2. Kolontsain’ny sekoly
  3. Fitsapam-pahaizana sy fidiran’ny sekoly an-tsehatra
  4. Fanaovana fampiasana hizaran’ny mpianatra mamaly fanontaniana ao an-dakilasy.

1. Fomba fianarana mahomby amin’ny fanomanana fanadinana/ Successful exam study

Misy zavatra telo izay tena manan-danja amin’ny fanomanana fanadinana:

a) Ny fanaovana mpianatra “activité” izay hanampy azy hianatra.
b) Ny fanaovana mpianatra fampiasana (exercice)/fampiharana.
c) Ny fangatahan’ny mpianatra fanampiana rehefa misy zavatra tsy hainy.

a) Ny fanaovan’ireo mpianatra “activité” mahasoa ny fianarany

Tokony ho vitanao aloha ny fandaharam-pianarana mba ahafahanareo manana fotoana mamerin-desona ao an-dakilasy. Ireto manaraka ireto dia misy soso-kevitra vitsivitsy mikasika ny zavatra afaka ataon’ny mpianatra ao an-dakilasy na any an-tranony:

  • Asaivo manomana famelabelaran-kevitra (exposé) entina hamerenana ireo lesona isan-tarika ireo mpianatra. Zarao ho tarika ireo mpianatra ay omeo lohahevitra fohy samy hafa ny tarika tsirairay. Ataovy mazava amin’izy ireo ny zavatra tianao ataony anatin’izany:
    • Mila mamerina ireo hevi-dehibe rehetra amin’ilay lohahevitra izy ireo.
    • Mila mampanao activité na quiz (test de connaissance) izay ahafahana mamerina ilay lohahevitra amin’ny fomba active an’ireo mpianatra hafa izy ireo.
  • Manaova an’ilay kilalao “fady” mba hahafahana manao “révision” an’ireo teny nianarana (Jereo ilay toko mikasika ny ‘Apprentissage actif’)
  • Manao carte mentale an’ireo lohahevitra nianarana (Jereo ny toko mikasika ny “Fomba hahazoana fahalalana”). Ity misy ohatra “activité” afaka atao:
    • Mifidiana lohahevitra vitsivitsy hatao révision ao an-dakilasy (farafahakeliny 3)
    • Omeo taratasy A4 iray avy ireo tarika. Soraty amin’ireo taratasy tsirairay ny iray amin’ireo lohahevitra.
    • Ny tarika tsirairay dia mahazo taratasy iray misy lohahevitra iray avokoa. Omeo fotoana kely ireo tarika (10 minitra raha lava indrindra) ary asaivo manoratra izay rehetra hainy mikasika ilay lohahevitra amin’ilay taratasy izy ireo. Tsy mahazo mampiasa kahie!
    • Afamadika amin’ny tarika hafa ilay taratasy. Mamaky sy manitsy ireo zavatra nosoratan’ilay tarika voalohany ilay tarika manaraka ary manampy izany amin’izay zavatra hainy ka mbola tsy voasoratra ao.
    • Afamadika amin’ny tarika hafa isaky ny minitra vitsivitsy (10 minitra raha lava indrindra) ilay taratasy. Rehefa saika voasoratra avokoa ireo hevitra rehetra dia asaivo mijery kahie amin’izay ireo mpianatra.
    • Mandritra izany activité izany dia tokony handehandeha mijery ireo mpianatra ianao, manitsy ireo diso sy mampahatsiahy azy ireo izay zavatra adinony.
    • Amin’ny farany, averina any amin’ilay tarika voalohany niaingany ilay taratasy mba hovakiany.
    • Afaka apetaka amin’ny rindrina ivelan’ny efitrano fianarana ireo tsara indrindra mba ho “ressource” famerenan-desona ho an’ny mpianatra rehetra.
  • Asaivo mijery ny kahieny ireo mpianatra ka samy manamboatra “carte mentale” an’ireo lohahevitra tsirairay.
  • Ampahafantaro ny mpianatra ny andro hanaovana fanadinana ary asaivo mamerin-desona izy hanomanany izany.
  • Ho an’ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga faharoa (mpianatra 12 taona miakatra), omeo ny mpianatra ny lisitr’ireo zavatra mila hainy amin’ny fanadinana iray. Izany hoe lazao azy ireo ny zavatra mety hipoitra any amin’ny fanadinana fa tsy ireo zavatra hivoaka any amin’ny fanadinana hampanaovinao azy ireo. Aorian’izany dia afaka mamerina ireo lesona mifanaraka amin’izany ireo mpianatra. Ampirisiho mba hanao ezaka amin’ny fianarana ireo zavatra mbola tsy hainy tsara ireo mpianatra. Ny mpampianatra kosa dia tokony hanana ny lisitr’ireo zavatra mila hain’ny mpianatra amin’ny fanadinana.
  • Afaka manamboatra “carte mémoire” (flashcards). Ny “carte mémoire” dia misy fanontaniana amin’ny lafiny iray ary misy ny valiny ao ambadika. Afaka mifanadina amin’ny alalan’ireo « cartes » ireo mpianatra. Ireo mpianatra roa tonta (na ilay manadina na ilay adinina) dia samy mianatra avokoa rehefa manao izany.
  • Ataovy azo antoka fa mety tsara ny lesona anatin’ny kahien’ny mpianatra. Jereo raha marina tsara ny zavatra nadikany.
  • Asaivo manao famintinana ireo lohahevitra samihafa amin’ny lesony ireo mpianatra. Ao anatin’izany dia tokony hisy:
    • Ireo famaritana lehibe mila hainy.
    • Ireo teboka lehibe mila hainy.
    • Ohatra fanontaniana na “problème” tokony ho voavaliny.
  • Ny fanomezana enti-mody tsara dia izay manampy ny mpianatra mba hahafantatra ny zavatra tokony hataony any an-tranony. Soso-kevitra vitsivitsy:
    • Manao famintinana, sary peta-drindrina (poster) mikasika lohahevitra iray.
    • Omeo fanontaniana maromaro ho valiny ireo mpianatra. Ireo fanontaniana dia tokony ho mora kokoa noho ireo fanontaniana any an-dakilasy mba tsy hahatonga ireo mpianatra ho sahirana any amin’ny toerana tsy ahafahana manampy azy.
  • Mila fantatr’ireo mpianatra fa ny fanaovany ezaka dia hanatsara ny vokatra azony.
  • Omeo fandaharam-potoana maneho ny famerenan-desona tokony hataony any an-tranony ireo mpianatra mialohan’ny fanadinany. Izany fandaharam-potoana izany dia tokony haneho aminy ny fotoana tokony hianarany lohahevitra iray. Hanokany fotoana lavalava kokoa ireo lesona izay efa ela no nanaovana azy, ireo izay efa mety adinodino.

b) Ny fanaovan’ny mpianatra fampiasana (exercices)

Mba hahafahan’ny mpianatra mahomby amin’ny fanadinana dia mila omentsika fahafahana mizatra mamaly fanontaniana mitovy endrika amin’ireo fanontaniana any amin’ny fanadinana izy ireo. Soso-kevitra vitsivitsy:

  • Omeo boky voatonta feno fanontaniana ireo mpianatra ka mamaly izany araka izay hafainganana mety aminy. Misy hahavaly ireo fanontaniana rehetra, misy kosa hahavaly vitsivitsy. Mila manana boky misy ny valin’ireo fanontaniana ihany koa ianao mba hahafahan’ny mpianatra mindrana izany ka mitsara ny valim-panontaniany.
  • Zaraina ho tarika ny mpianatra ka asaina mamaly fanontaniana, atao toy ny amin’ireny fifaninanana amin’ny fahitalavitra ireny.
  • Manorata karazam-panontaniana mpitranga amin’ny fanadinana eny amin’ny solaitra be ary asaivo valian’ny mpianatra isan-tarika na tsirairay izany.
    • Lazao ireo mpianatra ireo valim-panontaniana marina mialohan’ny hiravana.
    • Fantaro fa hisy mpianatra hahavita izany malaky kokoa noho ny sasany. Manomana zavatra ampanaovina ireo izay mahavita.

c) Ny fangatahan’ny mpianatra fanampiana rehefa misy zavatra tsy hainy

Entano ireo mpianatra mba hangataka fanampiana amin’ny namany rehefa misy zavatra tsy hainy. Rehefa tsy afaka manampy azy ny namany vao tokony hanantona anao izy. Izany dia hahatonga an’ireo mpianatra hifampianatra ka hampitombo ny fahaizan’izy ireo.

2. Ny kolontsain’ny sekoly/ School Culture

Ny kolontsain’ireo mpianatra anatin’ny sekoly iray dia misy fiantraikany lehibe amin’ny voka-panadinana. Raisintsika ohatra ireo kolontsain’ireto sekoly roa ireto:

Sekoly A

Mahafinaritra ireo mpianatra ary mifantoka tsara ao an-dakilasy, na eo aza izany dia tsy mba nataony izy ireo ho zavatra tsara ny fahombiazana amin’ny fianarana. Ny mpianatra mahomby dia tsy mba malaza, indraindray izy ireo dia enjehin’ireo mpiara-mianatra aminy ka any tranony na any amin’ny trano famakiam-boky izy no mianatra. Mipirina avokoa ny boky sy ny fitaovam-pianarana rehetra mandritra ny fakan-drivotra na ny fotoana fisakafoanana. Maro ireo mpianatra milaza fa ny sekoly dia ‘ho an’ireo vendrana’. Ny mpampianatra dia saika mahay mampianatra avokoa, fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy tena mandresy lahatra ireo mpianatra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana. Ny kolontsain’ny sekoly A dia tsy manome lanja ny fahombiazana ara-pianarana.

Sekoly B

Tamin’ny andro voalohany nampianarako dia tena gaga aho nahita ireo mpianatra mipetrapetraka miaraka amin’ny bokiny, mamaky boky, mianatra ary miresaka momba ny lesona amin’ireo namany. Mbola nahita fotoana nanaovana kilalao sy hifalifaliana ireo mpianatra nefa hita fa nanan-danja tamin’izy ireo ny fianarany ary nikatsaka ny vokatra tsara indrindra hatrany izy ireo. Ao an-dakilasy dia mazoto sy mianatra mafy avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ary ireo mpianatra mahomby dia noderaina sy nohajaina. Vitsivitsy ihany ireo mpianatra tsy niraharaha ny fanabeazana. Ny kolontsain’ny sekoly B dia manome lanja ny fahombiazana amin’ny fianarana.

Inona no antony mahasamihafa be ny kolontsaina?

Nahita fahasamihafana maromaro tamin’ireo sekoly ireo aho:

  • Ireo ray aman-dreny ao amin’ny sekoly A dia tsy niandrandra zavatra ambony avy amin’ireo mpianatra. Fa ireo ray aman-dreny amin’ny sekoly B dia niandrandra vokatra tena tsara avy amin’ireo zanany.
  • Ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly B dia nanantena vokatra tsara kokoa avy amin’ny mpianany raha oharina amin’ ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly A. Ny fikarohana[1] dia milaza fa matetika dia tratran’ireo mpianatra ny vokatra izay antenain’ny ray aman-dreniny na ny mpampianatra hotratrariny.
  • Ireo mpampianatra tao amin’ny sekoly B dia nanomana bebe kokoa ny mpianany ho amin’ny fanadinana noho ny mpampianatra ao amin’ny sekoly A.
  • Ny mpianatra tao amin’ny sekoly B dia naniry kokoa ny hahomby raha oharina amin’ireo tao amin’ny sekoly A. Ny mpianatra sasany izay tsy dia niraharaha fianarana loatra dia nampaherizin’ireo mpianatra maro izay nazoto. Tadidiko nisy ankizivavy kely iray izay nampidirina nianatra tao amin’ilay kilasy nampianariko, ratsy dia ratsy ny vokatra azony tany amin’ny sekoly izay nisy azy taloha. Ny naotiny dia niakatra 20% farafahakeliny tao anatiny ny volana vitsivitsy satria tsara kokoa ny kolontsaina tao amin’ilay sekoly.
  • Ny mpandraraha ny sekoly B dia mijery ny fahaizan’ny mpianatra hatrany. Nojerena sy nampiana ireo mpianatra izay natahorana hahazo valim-panadinana ratsy.
  • Ireo vokatra miavaka mikasika ny fianarana kosa dia nankalazaina hatrany any amin’ireo fivoriana na any an-dakilasy.

Ahoana no hanovanao ny kolontsaina?

Ampaherezo hatrany ireo mpianatra tena mahay sy ireo izay nanao ezaka ao amin’ny kilasy ampianarinao. Arahabao ireo mpianatra nahay sy izay nanao ezaka be indrindra. Ireo mpianatra somary votsavotsa kosa dia tokony homena tanjona izay heverinao fa tokony hotratrany ary deraina rehefa mahatratra izany.

Derao mandritra ireo fivorian-dehibe ny zava-bitan’ireo mpianatra, ohatra: ny fanomezana sertifika ireo mpianatra noho ny ezaka nataony sy ny fahombiazany tamin’ny fianarany.

Ireo ray aman-dreny na mpitaiza dia tokony hilazan’ny sekoly ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ireo ankizy. Ampio izy mba hahatsapa fa ny ankizy nahazo fanabeazana tsara dia hahomby bebe kokoa amin’ny fiainana. Raha liana amin’ny fanabeazana ny ray aman-dreny dia hitombo ny ezaka ataon’ny mpianatra. Ampio ihany koa ireo ray aman-dreny amin’ny fametrahana tanjona ho an’ireo mpianatra, ary ampio izy mba hahita ny mety ho fivoaran’ny fiainany avy amin’ny fanabeazana ny zanany.

Misy mpianatra tena miezaka mafy nefa mahazo naoty ratsy. Ireny mpianatra ireny dia mila ankasitrahana noho ny ezaka ataony. Tena mampirisika anareo aho mba hanisy naoty manokana ho an’ny ezaka ataon’ireo mpianatra ho fanampin’ny naotiny ao an-dakilasy. Izaho dia milaza amin’ireo mpianatra foana hoe tsy ny naoty azon’izy ireo amin’ireo fanadinana no zava-dehibe amiko fa ny ezaka nataon’izy ireo tamin’izany. Raha niezaka araka izay vitany ny mpianatra iray tao an-dakilasy, nanao izay fara-heriny tamin’ny fanaovana ny enti-mody ary tena namerin-desona tokoa tany an-tranony dia omeko naoty tsara amin’ilay naoty ho an’ny ezaka. Tadidio fa na dia tsy mahafa-po anao aza ny asan’ny mpianatra iray dia mety efa nanao izay fara-heriny izy hatomombana izany.

Fahalalana ny taranja ampianarina/Subject knowledge

Fony aho mpampianatra zandriny dia tena nanana fahazotoana nefa mbola nisy fahabangana tamin’ny fahalalako sy fahazoako ilay taranja nampianariko. Nangataka toro-hevitra tamin’ireo mpiara-miasa tamiko aho matetika ary izy ireo dia nanampy ahy mba hahazo kokoa ny zavatra nampianariko. Izy ireo koa dia nampianatra ahy ny fomba hampianarana ireo lohahevitra sarotsarotra. Na izy ireo aza tsy nahay ny valiny indraindray.

Tena ilaina ny manome vahana ny kolontsaina izay ahafahan’ireo mpampianatra ao amin’ny sekoly mifanampy, mifanontany hevitra sy mifangataka “ressources” ary tsy hahazo tsikera hafahafa noho ny fanaovany izany. Any Ecosse, izahay dia manana “réseau” amin’ny aterineto izay ahafahan’ny mpampianatra taranja fizika mizara ireo “ressources” novokarin’izy ireo. Misy ihany koa ireo vondrona izay manome vahana ny fianarana ny Siansa ary manampy ireo mpampianatra. Ilay kolontsaina mizara dia hanampy antsika rehetra mba ho tonga mpampianatra tsara kokoa. Tena zava-dehibe ihany koa ny hanomezantsika lanja ny kolontsaina izay ahafahan’ireo mpampianatra mifanakalo hevitra mikasika ny fomba hiatrehana ireo kilasy na mpianatra mety manahirana.

Mila hainao tsara ihany koa ny fanadinana mikasika io taranja io. Tsara raha efa namaly laza-adina maro mikasika ny taranja ampianarinao ianao ka nitsara izany araka ny fomba fitsarana ofisialy.

Afaka mahita rohy (lien) ahazoanao “ressources” mikasika taranja samihafa ianao ao amin’ny http://www.mada-enseignants.org. Raha manana lesona tsara mikasika ilay taranja ampianarinao ianao dia hevero ny hizara izany maimaimpoana amin’ny olona hafa.

3. Fitsapam-pahaizana sy fidirana an-tsehatra/Assessment and interventions

Nisy mpampianatra frantsay iray nilaza tamiko ny hatairany rehefa nahita fa ny mpianany rehetra dia tsy afaka tamin’ilay fanadinana an-tsoratra nataon’izy ireo. Tsy nampoiziny izany satria tsy nampanao fitsapam-pahaizana an’ireo mpianany izy ary tsy nahalala ny fahaizan’izy ireo. Tokony tsy hitranga matetika aminao sy ny mpianatrao izany hoe tsy fahafaham-panadinana tsy nampoizina izany.

Voalohany, mila azonao an-tsaina hoe hatraiza ny zavatra afaka ho vitan’ny mpianatra iray. Tahaka ny ahoana ny asa tsara indrindra vitany? Manaraka izany dia ampanaovy fitsapam-pahaizana tsy tapaka izy ireo, izany dia haneho aminao raha mahatratra ilay lenta heverinao fa tokony ho tratrany ny zava-bitany.

Raha tsy tsara araka ny tokony ho vitany ny zavatra ataon’ny mpianatra, miresaha aminy. Mety hoe maty tamin’ny herinandro lasa ny biby fiompiny ka kivy izy. Mety hoe very ny fahazotoany ka mila fampaherezana izy. Na mety mila fanampiana izy amina lohahevitra iray sarotsarotra.

Raha mila fanampiana bebe kokoa ireo mpianatra, ireto misy hevitra vitsivitsy:

  • Manamboara fotoana manokana hianaran’ilay mpianatra miaraka amin’ny mpampianatra. Mety ho sarotra ny hanao izany na mety ho lafo loatra ho an’ilay mpianatra.
  • Manao “cours” iarahana amin’ny mpianatra hafa amin’ilay mpampianatra. Mety mbola ho lafo loatra ho an’ilay mpianatra koa izany.
  • Ataovy miara-mianatra amin’ny mpianatra mahay indrindra izay hampianatra azy izy. Izany dia tombony ho an’ireo mpianatra roa tonta. Hahay kokoa ilay mpianatra mahay indrindra satria hampianatra izy, ary ilay mpianatra tsy mahay dia hahay satria ampianarina. Ataovy azony ireo mpianatra mazava tsara fa samy hahazo tombony amin’izany izy roa.
  • Tokony hampafantarina ny ray aman-dreny raha toa ka somary sahirana ny zanany. Mety hoe mila fotoana malalaka kokoa izy ianarany, na sakafo bebe kokoa, na fampaherezana bebe kokoa. Fa tsy ekena kosa raha manantena an’ireo ray aman-dreny hampianatra ireo mpianatra izay zavatra tokony hampianarinao ianao. Misy fianakaviana mety afaka ny hampianatra ny zanany fa tsy ny fianakaviana rehetra no hanana ny fahaizana-manao na ny fotoana hanaovana izany. Averiko ihany, tsy mety raha manantena an’ireo ray aman-dreny hampianatra ireo zanany ianao, asanao izany!

Tokony raisinao an-tsoratra ireo vokatra azo ny mpianatrao amin’ireo fanadinana an-dakilasy mandritra ny taona maro misesisesy. Izany dia hanampy anao hahita raha mihatsara na miharatsy ny vokatra ka ahafahanao miezaka mamantatra ny antony nampiova izany.

4. Ny fampanaovana fampiasana izay misy fanontaniana mitovy endrika amin’ny fanontaniana any amin’ny fanadinana mandritra ny lesona/Put exam practise in lessons

Tamin’ilay kilasy iray tamina toeram-pampianarana teny Frantsay izay tsy nisy mpianatra afa-panadinana tamin’ny fanadinana an-tsoratra, ny antony nahatonga ireo mpianatra tsy afaka dia satria tsy nomena fahafahana hizatra hanoratra izy ireo! Nampianarin’ilay mpampianatra azy ireo ny fomba fanaovana asa an-tsoratra fa tsy mba nomeny fampiasana an-tsoratra mihitsy izy ireo.

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana ampianaranao dia tokony hanome fampiasana afaka hizaran’ireo mpianatra hamaly fanontaniana ianao. Ezaho asiana fanontaniana mora sy fanontaniana sarotra vitsivitsy. Asio fanontaniana avy amin’ny sokajy 3-6 ny sokajin’i Bloom iray farafahakeliny. Tokony hametraka fanontaniana izay hitsapa ny fahalalan’ny mpianatra sy ny fahazoany ny lesona ianao. Izany dia hahatonga ny mpianatra hamerina ilay lesona sy hahay izany.

Raha toa ka tsy manana fotoana ampy hanomezana fampiasana an’ireo mpianatra ianao dia andramo ireto manaraka ireto:

  • Aza tara rehefa hampianatra. Raha manomboka ara-potoana ny lesonao dia hanana fotoana be be kokoa hanomezana fampiasana an’ireo mpianatra ianao.
  • Ataovy malaky kokoa ny fanazavana. Raha nisy mpianatra vitsivitsy tsy nahazo tsara ny fanazavanao dia afaka mangataka fanampiana manokana izy mandritra ny fotoana hamalian’ny mpianatra rehetra ireo fanontaniana amin’ny fampiasana.
  • Atontay ny lesona (atao “impression”). Mitaky fotoana lavalava ny fandikana lesona.
  • Aza asaina adikan’ny mpianatra ireo fanontaniana fa tonga dia valiana avy hatrany.

Fanontaniana/Questions                                  

1. Inona no hevitra vaovao taminao tamin’ity toko ity?

2. Inona no hevitra tianao hampiharina any amin’ny kilasy ampianarinao? Manaova planina momba ny fomba hanaovanao izany izao.

3. Inona no zavatra hovainao amin’ny fombanao rehefa akaiky ny fanadinana?

4. Ianao ve manana lisitra izay maneho ny zavatra mila hain’ny mpianatrao atao amin’ny taranja ampianarinao? Raha tsia, manomboha manao iray.

4. Fitsikerana: Inona amin’ireo hevitra ireo no hitanao tena hampiova zavatra be amin’ny mpianatra? Nahoana?

5. Fitsikerana: Inona amin’ireo hevitra ireo no hitanao fa tsy hanova zavatra firy amin’ny voka-panadinana? Nahoana?


[1] http://www.psychologicalscience.org/index.php/news/releases/testing-can-be-useful-for-students-and-teachers.html, notsidihina tamin’ny Aogositra 2016

[2] http://files.eric.ed.gov/fulltext/EJ1081569.pdf  notsidihina tamin’ny Septambra 2016