5. “Apprentissage actif”/Active Learning

               ‘Izay henoko, hadinoko’

               ‘Izay hitako, tadidiko’

               ‘Izay ataoko, azoko’ Ohabolana sinoa

Activité/Activity

1) Ataovy sary an-tsaina kely ireo kilasinao. Mandritra ny lesona, inona no ataon’ireo mpianatrao? Mifidiana amin’ireto hevitra manaraka ireto ary ampio amin’ireo hevitrao manokana :

  • Matory
  • Manonofy atoandro
  • Mitabataba
  • Mihaino
  • Mandika izay soratanao
  • Mamaky teny
  • Mijery sary na “schémas”
  • Mijery horonan-tsary
  • “Excursion éducative” (ohatra: mankany an-tsena)
  • Mijery “démonstration”
  • Mamaly fanontaniana
  • Mandray anjara mavitrika amin’ny sahanasa
  • Miara miasa amin’ireo mpianatra hafa
  • Manamboatra modely (modélisation)
  • Manao fikarohana mikasika ilay lohahevitra (fa tsy tolorana fotsiny)

2) Saintsaino kely ireo fotoana hanaovanao “activité” miaraka amin’ny mpianatrao, izay hahazoanao valin-teny avy amin’izy ireo. Ohatra: mametraka fanontaniana amin’izy ireo ianao.

a) Rehefa mamaly ny fanontaniana apetrakao ireo mpianatra dia firy amin’izy ireo no mandray anjara? Iray? Roa? Ny mpianatra rehetra?

b)Raha tsy ny mpianatra rehetra no mandray anjara dia inona kosa no ataon’ireo mpianatra sasany?

3) Fitsikerana: Diniho kely ireo “activité” tao amin’ny fanontaniana 1). Inona amin’ireo no hitanao tena ilaina mba hahaizana? Nahoana?

Apprentissage traditionnel/Didactic learning

Ny ankamaroantsika dia niaina tamina mpampianatra izay nampiasa fomba fampianarana nentim-paharazana na “traditionelle”. Wikipedia[1] dia nanome famaritana mahakasika izany : Amin’ny “méthode d’enseignement traditionnelle”, ny mpampianatra dia manolotra fampianarana ho an’ny mpianatra ary ny mpianatra dia saika mihaino fotsiny. Izy io dia fomba fampianarana mifantoka amin’ny mpampianatra ary mirona amin’ny votoatin’ny lesona. Ny votoatin-kevitra na ny fahalalan’ny mpampianatra dia tsy azo iadian-kevitra.

Mandritra ny fizotry ny fampianarana, ny mpampianatra dia manome toromarika, baiko, manatitra ny votoatin’ny lesona ary manome ny fahalalana vaovao rehetra ilaina. Ny zavatra ataon’ny mpianatra dia ny mihaino sy mitadidy ireo votoatin-kevitra… “cours magistral” izay anisan’ny fomba fampianarana tena ampiasaina.’

Anatin’ny kilasy “traditionnel” dia mety tena hahay ny mpianatra sasany. Fa maro ihany koa no manonofy atoandro, tsy mifantoka, manao hadaladalana, izany hoe tsy mandray na mahazo lesona izy ireo. Izany no mahatonga ny fikarohana momba ny fampianarana sy fianarana maneho fa ny fampianarana “traditionelle” dia anisan’ny fomba fianarana tsy mamokatra indrindra.

Ity tabilao manaraka ity dia maneho ny isan-jaton’ny “information” voarain’ny mpianatra ampianarina amin’ny fomba samy hafa:

Io tabilao io dia manambara amintsika fa raha tiana hivoatra ny fihazonan’ny mpianatra “information” dia mila “actif” kokoa ireo mpianatra mandritra ny lesona. Tena sarotra ny manafoana io fomba fampianarana “traditionnelle” io, misy zavatra mila hambara amin’ireo mpianatra fotsiny ary raha tsy misy boky fampianarana tsara azo ampiasaina, ireo mpianatra dia mila mandray an-tsoratra izay zavatra ianarany mba hahafahany mamerina izany avy eo. Na izany aza dia mampirisika anareo hatrany aho mba hampitombo tsikelikely ny fampiasanareo ny fomba fampianarana “active”.

Tsy ho vitako ny hampianatra ka tsy hampiasa fomba fampianarana “traditionnelle” mihitsy. Ny mpianatra dia mila lesona tsara ho raisiny any anaty kahieny ary misy zavatra tena sarotra ampianarina raha tsy mampiasa lahateny. Na izany aza ny fampianarana “traditionnelle” dia afaka ny ho voarain’ny mpianatra ihany amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra “active”. Ohatra: Afaka ampanaovina “prise de note active” ny mpianatra mba hamadihana ny ankamaroan’ireo sahanasa miendrika “traditionelle” ho lasa “active”.

Apprentissage actif/ Active learning

Ny tahirin-kevitra[2] iray dia namaritra ny “apprentissage actif” ho:

  • Fahazoana fahalalana amin’ny alalan’ny fandraisana anjara na fanolorana hevitra.
  • Ny fomba hitazomana ny mpianatra mba havitrika ara-tsaina ary matetika ara-batana amin’izay zavatra ianarany amin’ny alalan’ireo “activité” izay hahatonga azy hanangona hevitra, hieritreritra ary hamaha olana.
  • Fomba entina hampanaovana ny mpianatra “activité” izay tsy maintsy hanosika azy hikaroka hevitra sy hieritreritra ny fomba hampiasainy ireo hevitra ireo.
  • Fitakiana ny mpianatra mba hanombana tsy tapaka ny fahazoany sy ny fahaizany ny hevitra resahina na mamaha olana amina taranja iray.

Ny “apprentissage actif” dia mampandray anjara ny ankaramoan’ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ny fianarany. Ireo sahanasa atao dia harafitra mba hahatonga ny mpianatra rehetra hieritreritra sy hamakafaka “information”. Betsaka ireo tombony azo avy amin’izany:

  • Afaka mampiakatra hatramin’ny 15% ny naotim-panadinan’ny mpianatra.
  • Mampifantoka bebe kokoa ny mpianatra.
  • Manatsara ny fihazonana ny fahalalana.
  • Manampy ny mpianatra mba hahay hianatra irery (fa tsy tolorana).
  • Mahatonga ny fianarana mahafinaritra kokoa.
  • Mampianatra fahaiza-manao hafa ankoatra ny fandikana, fihainoana ary fitadidiana fotsiny.

Ny fianarana mampianatra amin’ny fomba mampavitrika ny mpianatra dia mila fotoana, indrindra raha mbola tsy niaina izany mivantana ianao. Fa mendrika ny hanaovana ezaka!

Activités pour l’apprentissage actif/Active learning activities

Ity fizarana manaraka ity dia hanome anao karazana “activités” izay afaka ampiasainao any an-dakilasy mba hampavitrika ny mpianatrao. Rehefa nanandrana ny sasany amin’ireo ianao dia manandrama hafa indray ary mamorona “activité” hafa izay mifanaraka amin’ny taranja ampianarinao.

« Penser, Apparier, En groupe de 4, Partager »/ Think Pair Square Share

Matetika rehefa mametraka fanontaniana ao an-dakilasy dia toy izao ny fisehoany:

Mpampianatra: ‘Jack, mba lazao amiko ny fomba niforonan’ny tendrombohitra?’

Jack [taitra tamin’ny torimaso]: ‘Azafady ramose, afaka averina ve ilay fanontaniana?’

Mpampianatra:’Ahoana no niforonan’ny tendrombohitra?’

Jack [menamenatra sady mifoha tsara]: ‘Avy amin’ny alalan’ny orana ramose.’

Mpampianatra: ‘Diso. Lili, inona ny valiny?’

Fa amin’ny “Penser, Apparier, En groupe de 4, Partager” dia ny kilasy iray manontolo no mamaly ny fanontaniana:

Mpampianatra: ‘Tiako ianareo rehetra samy hieritreritra ny fiforonan’ny tendrombohitra’

[Manomeza 1 minitra hieritreretany, soraty eo amin’ny solaitra be ilay fanontaniana]

Mpampianatra: ‘Izao dia makà namana iray ary lazao azy izay rehetra fantatrao mahakasika ny fiforonan’ny tendrombohitra.’

[Manomeza 2 minitra hiresahany, mifampizara izay hainy ny mpianatra. Raha misy ankizy tsy misy namana dia ataovy miaraka tsitelotelo izy izy ireo]

Mpampianatra: ‘Izao dia miaraka tsiefatrefatra ary zarao izay noresahinareo’.

[manomeza 2 minitra hiresahana ny mpianatra hizarany izay resaka efa nataony. Raha misy anankiroa tsy tafiditra amin’ny groupe tsiefatrefatra dia ataovy miaraka tsieninenina]

Mpampianatra:’Groupe 1, ilazalazao izay zavatra noresahinareo aho’

[Group 1 mizara, matoky tena satria efa nifampizara tamin’ireo namany indroa. Ny mpampianatra manitsy raha misy diso, na manome fampaherezana raha marina]

Mpampianatra: ‘Groupe 2, lazalazao aminay hoe ny andinindin’ny resakareo teo’

Araka izao hitanao izao, ity “méthode” ity dia mahatonga ny mpianatra rehetra ho tafiditra amin’ny resaka atao mahakasika ilay fanontaniana ary mety na firy na firy ny isan’ny mpianatra!

Ity “méthode” ity ihany koa dia mahatonga ireo mpianatra saro-kenatra hahasahy hiteny manoloana ny mpianatra rehetra. Rehefa avy miresaka momba ny valin-teniny amin’ny namany izy ireo dia matetika matoky tena kokoa raha hizara ny valin-teniny amin’ny mpianatra rehetra. Afaka dinganinao ilay firesahana tsiroaroa na ilay tsiefatrefatra raha te hitsitsy fotoana ianao

Ankihibe/Thumbs

Ity manaraka ity dia “activité” tena tsara hanaovana ireny “marina sa diso” ireny. Mety hitsapana tsara ny fahazoan’ny mpianatra ihany koa ity “activité” ity, hijerena raha azon’ny mpianatra ny lesona na tsia.

Ireo mpianatra dia afaka manambara ny heviny aminao sy amin’ny mpianatra rehetra amin’ny alalan’ireto fihetsika manaraka ireto:

Ohatra:

Mpampianatra: ‘Marina sa diso: Durban dia renivohitry Afrika Atsimo? Tiako ianareo raha hieritreritra ao anatin’ny 10 segondra ary avy eo ataovy manondro ambony ny ankihibenareo raha marina, antongilano raha tsy hainao ary ataovy manondro ambany raha diso.’

[Avy eo ny mpampianatra mandinika ny mpianatra rehetra, mijery ny valiny ary manasa ireo mpianatra mba hampiseho mazava ny safidiny raha toa ka tsy hitan’ny mpampianatra tsara izany. Amin’ny farany dia lazainy amin’ny mpianatra ny valiny marina]

Mpampianatra: ‘Asehoy ahy ny fahazoanareo ny lesona androany. Ankihibe manondro ambony midika hoe mazava tsara, mihilana midika hoe eo eo ary ambany midika hoe tsy azonao mihitsy’.

[Avy eo dia mijery ny mpianatra rehetra ny mpampianatra mba hijery ny valiny. Raha tsy nanondro ambony ny ankihiben’ny mpianatra dia mametraka fanontaniana fanampiny indray ny mpampianatra: ‘Inona no tsy azonao?’. Izany dia hanampy ny mpampianatra amin’ny fanomanana lesona hanampiana ireo mpianatra amin’ny manaraka na raha ohatra ka fahadisoan-kevitra tsotra fotsiny izany dia mba hanitsiany izany avy hatrany]

Tsara raha ampiasaina izany mba hamantarana haingana raha nanaraka ilay lesonao ireo mpianatra amin’ny faran’ny lesona! Aza malahelo raha tsy azon’ny mpianatrao tanteraka ny lesonao. Indraindray manahirana ny lohahevitra ary tsy ny mpianatra rehetra no hahazo tanteraka izany. Misy fotoana kosa mety tsy nety ny fanazavanao ilay lesona ka mila mieritreritra fomba hafa tsara kokoa hanazavana izany ianao.

Aotra hatramin’ny dimy (0 à 5)/Fist to five

Mitovitovy amin’ilay fampiasana ankihibe fa betsaka kokoa ny karazana valiny afaka atolotra amin’ny alalan’izany ka mahatonga an’ity “activité” ity mety ampiasaina amina toe-javatra samihafa.

Maneho ny isa 1-5 amin’ny tanany iray (na 1-10 amin’ny tanany roa) ireo mpianatra.

Betsaka ireo fomba azo ampiasaina izany:

1) Entina hamaliana andiam-panontaniana (QCM), iarahan’ny mpianatra rehetra. Ohatra : Inona no TSY ilaina amin’ny fandrehetana afo:

 1) oxygène

 2) rano

 3) solika

 4) Hafanana

(Ny valiny dia 2)

2) Mba hamaliana fanontaniana hanomezana isa, ohatra firy ny 5×2-1? (ny valiny dia 9). Io no “activité” voalohany matetika ataoko rehefa avy mampianatra “équation physique”, ohatra: F=ma; raha 5kg ny “masse” ary 0.4 m s-2 ny “accélération”, firy ny “Force”? (Ny valiny dia 2 Newtons)

3) Mba hanehoanao ny hamafin’ny fihetseham-ponao momba ny zavatra iray, ohatra: Manao ahoana ny fitiavanao an’ny Toamasina, raha 1= halanao, 3= “neutre”, 5= Tianao be.

4) Mba hamantarana ny anaran’ny fizarazaran’ny “schéma” iray, ohatra: fanehoana an-tsary ny sela (schéma d’une cellule) amin’ny biolojia. Manorata lisitra arahana tarehimarika ny anaran’ny faritra samihafa amin’ny sela. Raha mety, hampandraiso anjara amin’ny alalan’ny fanontaniana ireo mpianatra ka anontanio azy ny anaran’ny faritra rehetra amin’ny sela. Avy eo dia manaova sarina “cellule” ka isaky ny mahavita ny sarin’ny faritra iray amin’ilay “cellule” ianao dia asaivo asehon’ny mpianatra anao ny tarehimarika manome ny anaran’ilay faritra nataonao sary.

Raha sarotra be ilay fanontaniana napetrakao dia afaka akambanao amin’ilay « Penser, apparier, en groupe de 4, partager » (TPSS) ity “activité” ity.

Fanaovana modely (modélisation)/Modelling

Matetika dia sarotra ny mahazo ny fomba fiasan’ny zavatra tsy hitantsika maso. Ohatra: Ny endriky ny sela, ny toetoetrin’ny “volcan”. Matetika dia ny “modely” no entina hanehoana izany.

Ny modely dia fanehoana tsotsotra ny zavatra tena misy. Ohatra ireny fiara kely kilalao ireny dia modelin’ny fiara tena izy. Misy lafiny itovizany. Samy misy kodiarana, misy vatana sy varavarankely. Samy afaka mandeha eny amin’ny arabe. Betsaka koa ny mahasamy hafa azy. Tsy misy motera. Tsy misy familiana. Tsy misy jiro.

Ny fiara kilalao dia afaka entina hampianarana ny endriky ny fiara tena izy amin’ny olona mbola tsy nahita fiara hatramin’izay. Manome fahafahana ny olona iray hikasika sy hahita. Manampy azy hieritreritra ny fiasan’ny fiara sy ny endriny.

Mety efa mampiasa modely ihany ianao rehefa mampianatra, matetika “schéma” natao tanana izany. Fa eto kosa dia ny modely “actif” no horesahiko, ny mpianatra dia handray anjara amin’ny fanaovana ilay modely, izy ireo mihitsy no hanao ilay modely na ho tafiditra amin’ilay modely ny tenany.

Ohatra iray: olik’aratra (circuit électrique) misy vatoaratra (pile) sy takamoa (ampoule). Ity ohatra ity dia natao sary amin’ny fonin’ity boky ity.

Teoria: Ny électron dia mandeha mihodidina ny “circuit électrique” izay misy “pile”, ka mandeha avy any amin’ny miabo (positive) mankany amin’ny miiba (negative).

Ilay modely:  

1) Manaova “circuit électrique” tena izy, misy “pile”, “fil” ary “ampoule” mirehitra mba hojeren’ny mpianatra (raha mety).

2) Omeo vato kely avokoa ny mpianatra tsirairay, na taratasy miforiporitra tahaka ny baolina.

Ilay vato na taratasy dia endriky ny “électron”.

3) Ataovy mitsangana manao boribory ny mpianatra. Mety mila mankany ivelan’ny efitrano fianarana ianareo mba halalaka tsara ny toerana.

4) Apetraho eo amin’ny tanan’izy ireo havia ilay “électron”. Lazao izy ireo mba tsy hanetsika ny tanany havia.

5) Lazao izy ireo mba handray ilay “électron” amin’ny tanany havanana, ary hamindra izany eo amin’ny tanana havian’ny olona eo an-kavanany. (Mijoroa eo amin’ilay boribory ary asehoy azy ireo ny fanaovana izany). Izany dia hampita ny “électron” eny an-tanan’izy ireo amin’ny olona manaraka.

6) Rehefa azon’izy ireo ny tiana hatongavana, asaivo hafindrany ny électron eny an-tanany rehefa miteny ianao hoe: “ampitao”

7) Ampitapitao foana ilay “électron” mandra-pahazoan’ireo mpianatra ny fandehan’ny “électron” ao anaty taribỳ.

8) Mbola afaka hitarina toy izao izany fanoharana izany:

  • Maka mpianatra iray manao ny asan’ny “interrupteur” – izay miteny hoe ‘areheto’ sy hoe ‘vonoy’ mba hanombohana sy hanajanonana ilay fandehanan’ny électron (miaraka amin’ny tosika kely avy any amin’ny mpampianatra).
  • Afaka asiana mpianatra iray hafa manao “pile” – avadiho ilay “pile” dia hizotra amin’ny lalana mifanohitra tamin’ilay teo ireo “électron”.
  • Ampiakaro ny hafainganam-pandehan’ny famindrana ireo “électron” – izany dia hampiakatra ny herin’ny rianaratra (courant).
  • Asio mpianatra anankiray manisa ny “électron” mandalo amin’ny toerana iray. Izany dia tahaka ny mampiasa “coulombmètre” izay manisa ny habetsahan’ny “charge” mandalo amin’ny toerana iray.

9) Manaova “schéma” an’ izany “circuit” izany mandritra ilay “activité” mba hahafahan’ireo mpianatra mampifandray ilay sary amin’ilay modely sy ilay “circuit” tena izy.

10) Fakafakao miaraka amin’ireo mpianatra ny mampitovy sy ny mahasamy hafa izany fanoharana izany amin’ny tena izy:

Mampitovy: ireo “électron” dia mandeha avy any amin’ny – mankany amin’ny +; rehefa vonoina ny “interrupteur” dia tsy mihetsika ireo “électron”.

Mahasamy hafa: betsaka kokoa ny isan’ny “électron” amin’ny tena fiainana; betsaka kokoa ny isan’ny ‘mpitondra “électron”’ anatin ‘ny taribỳ tena izy; Miadana be ny hafainganam-pandehan’ny “électron” amin’ny olika tena izy.

11) Manontania mpianatra hoe ‘Inona no asanao amin’ity modely ity?’. Ny valiny marina dia taribỳ (fil).

Famintinana/Summary

Ny modely dia fitaovana tena mahomby tokoa amin’ny fanampiana ny mpianatra mba hahazo ireo zavatra tsy hitany maso.

Misy karazany telo ny modely:

  • Ny modely atao sary an-taratasy.
  • Ny modely dia mety ho zavatra azo tsapain-tanana tahaka ny fiara kilalao. Tena tsara ho an’ny mpianatra ihany koa raha toa zarazaraina ho tarika izy ireo ka samy miaraka manamboatra modely.
  • Ny modely dia afaka mampiasa olona, tahaka io modelin’ny “circuit électrique” etsy ambony io.

Eritrereto: Inona no modely azonao ampiasaina amin’ny taranja ampianarinao? Miezaha mieritreritra modely azo ataon’olona maro miaraka, na modely hahafahan’ny kilasy iray manontolo mandray anjara. Miresaha amin’ireo mpampianatra hafa ary manandrama mampiasa modely amin’ny lesona.


Fametrahana fanontaniana/Questioning

Ny fanomezana ny mpianatra lisitra fanontaniana maromaro dia manampy ny mpianatra mba hiditra tanteraka amin’ilay lohahevitra ary hahay ireo teboka lehiben’ny lesona. Rehefa avy mampianatra amin’ny fomba “traditionnelle” ianao dia tokony hanokana fotoana any am-pamaranana ny lesona mba hamalian’ireo mpianatra fanontaniana mikasika ireo hevi-dehiben’ny lesona. Izany dia hahatonga ireo mpianatra hamerina ireo teboka lehibe noresahina tamin’ny lesona ka hanamafy ny fitadidiany izany.

Fanamarihana kely mikasika ny famoronana fanontaniana:

  • Asio fanontaniana mora izay mamerina ireo hevi-dehiben’ny lesona.
  • Aza fanontaniana izay mahatonga ny mpianatra hamerina fahalalana fotsiny ihany no apetraka. Fa mametraha fanontaniana sarotra kokoa izay hampieritreritra ny mpianatra. Jereo ilay toko manaraka mikasika ny sokajin’i Bloom.
  • Tadidio fa betsaka ireo fanontaniana izay tsy misy valiny iray marina na misy valiny marina mihoatra ny iray. Zavatra roa tsikaritro teto Madagasikara:
    • Mpampianatra izay mandiso ny mpianatra raha mampiasa fomba hafa kanefa marina izy hamahana olana amin’ny matematika. Fomba ratsy izany!
    • Afaka manome naoty ratsy ny mpampianatra amin’ny “art” raha nampiasa ny fitiavany mamorona ilay ankizy fa tsy nandika an’ilay sary nataon’ny mpampianatra. Fomba ratsy izany!
  • Asio fanontaniana sarotsarotra kokoa anankiray na roa any amin’ny faran’ilay lisitra fanontaniana mba hampieritreritra ireo mpianatra mahay kokoa.
  • Fanomezana modelin’ny valim-panontaniana: Matetika sarotra loatra ho an’ireo mpianatra ireo fanontaniana sarotsarotra amin’ny fotoana voalohany hametrahanao izany. Mety tsy maintsy hanampy azy ireo ianao mba hahaizany ny fomba tokony hamakafakana sy hamaliana ireo fanontaniana sarotsarotra ireo.
  • Ny “Question ouverte” dia mety hahazoana valiny maro (‘Lazalazao ahy hoe nanao ahoana ny andronao’), ary ny “Question fermée” dia iray ihany ny valiny (‘Inona no anaran’ny renivohitry Madagasikara?’). Miezaha mametraka “question ouverte” rehefa mampianatra ianao.

Fandaharana karatra/Card sort

Ny ankizy dia mora mahay amin’ny alalan’ny kilalao. Ny fandaharana karatra dia kilalao izay hangalana ny mpianatra karatra maromaro ka mampifandray izany.

Fanaovana modely    Ny mpianatra rehetra dia afaka mamaly fanontaniana amin’ny alalan’ny tanany.
“Penser-Apparier-En groupe de 4-Partager/TPSSManasa ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana anatin’ny kahieny.
Aotra ka hatramin’ny dimy (0 à 5)  Namboarina mba hanampy ny fahazoana Sistema sarotra na tsy hita maso.
Ankihibe    Fanomezana rafitra hanampiana ireo mpianatra somary votsavotsa na hanampiana amin’ireo fanontaniana sarotsarotra.
Fametrahana fanontaniana    Mieritreritra irery ireo mpianatra, avy eo mampita izany amin’ny namany, mizara izany amin’ny vondrona mpianatra efatra ary amin’ny farany mizara izany amin’ny mpianatra iray manontolo.
ÉchafaudageFomba hahafahan’ny mpianatra milaza hoe marina/diso na hanambarana ny fahazoany ny lesona.

Amin’io ohatra eo ambany io, ny mpianatra dia tokony hanapaka io taratasy io manaraka ireo tsipika ireo ary mampifandray ireo teny ireo amin’ny famaritana azy:

Afaka manamboatra karatra soratana an-tànana ianao na manonta ka asaivo hetezan’ny mpianatra izany.

Mila fotoana lavalava ihany ny fanamboarana karatra, kanefa afaka manonta izany ianao ary manao “plastification”. Rehefa vita izany dia asaivo angonin’ireo mpianatra izany ka akambany amin’ny “trombone” izany na ataony anaty valopy. Afaka averinao ampiasaina izany amin’ny fotoana manaraka. Raha voarindranao tsara ny fanaovana izany dia hankafỳ io sahanasa io ireo mpianatra ary ho hitan’izy ireo fa mety tsara hamerenan-desona izany.


Échafaudage/Scaffolding

Ny “échafaudage” dia teknika ampiasain’ny mpampianatra mba hanamora ny hamalian’ny mpianatra fanontaniana iray na ny hamahany olana.

Matetika dia sahirana ny mpianatra rehefa tsy maintsy hamaly fanontaniana mitaky valiny lava na mitaky fanarahana dingana maromaro. Ny fanaovana “échafaudage” dia mizarazara ny “tâche” ho kelikely kokoa, ho asa mora atao kokoa ka afaka ny hahavita izany ireo mpianatra sahirana nanao izany.

Ohatra: Diniho kely ity fanontaniana mikasika famoronan-dahatsoratra ity ‘Manorata lahatsoratra iray pejy mikasika ny famokarana herinaratra eto Madagasikara. Ary manomeza toro-hevitra mikasika ny famokarana herinaratra amin’ny ho avy’.

Ireo mpianatra somary votsavotsa dia ho sahirana ary tsy hahafantatra ny tokony hanombohany izany. Ampio izy mba handrafitra ny valim-panontaniany amin’ny alalan’ny fizarazarana ny asa tokony hataony. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka hapetrakao amin’izy ireo mba hanampiana azy:

a) Inona avy ireo karazam-pamokarana herinaratra eto Madagasikara?

b) Ho an’ireo karazam-pamokarana herinaratra isany avy, soraty:

i) Ny tanjaky ny herinaratra vokariny.

ii) Inona avy ireo lafiny tsara sy ratsy mikasika io fomba famokarana io.

iii) Aiza no ahitana io karazana famokarana herinaratra io.

c) Fakafakao ireo lafiny tsara sy ratsy mikasika ny fomba famokarana herinaratra tsirairay.

d) Manomeza hevitra hanatsaran’i Madagasikara ny famokarany herinaratra amin’ny ho avy.

Anisan’ny fomba fanaovana io “échafaudage” io ny fanaovana “fenoy ny banga”, izay tena mety amin’ny famerenana ireo hevi-dehibe ary fampianarana voambolana. Ohatra: Ny _________ dia tahaka ny gidro, fa eto Madagasikara kosa no ahitana azy.

Betsaka ireo fomba ahafahana manao io “échafaudage” io.


Fady

Kilalao hafa koa. Ity kosa dia natao hianarana teny sy ny dikany.

1) Ataovy lisitra amin’ny taratasy ireo teny tokony ho hain’ireo mpianatra.

2) Miantsoa mpianatra mahay iray mba ho eny aloha. Omeo teny iray izy ary asaivo hazavainy (amin’ireo mpianatra rehetra) ny dikany. Raha sahirana ilay mpianatra, toroy hevitra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay hamerina ny fitadidiany izy. Ny teny izay hazavain’io mpianatra io dia fady izany hoe tsy azony atao ny manonona ilay teny.

3) Ny iray kilasy kosa mamantatra ilay teny ka mihiaka ny valiny na mananga-tanana.

4) Mifidiana indray mpianatra hafa ary omeo teny hafa izy. Afaka mifidy ilay mpianatra izay nahamarina ilay fanontaniana teo aloha ianao, fa kendreo mba ho mpianatra samy hafa no handray anjara.


Laharana fanehoan-kevitra/Opinions line

Ny mpianatra dia tia milaza ny heviny mikasika lohahevitra iray, ary ity “activité” ity dia fomba tsara hitarihana resaka amin’ny mpianatra.

Hevero ity fanontaniana ity ‘Moa hitanao fa tsara ny asa fanabeazana ataon’ny fanjakana eto Madagasikara?’

Ataovy mitsangana eo amin’ny faritra ankavia ny efitrano fianarana ireo mpianatra izay mankasitraka ny asa ataon’ny fanjakana, ary eo amin’ny ankavanana izay mahita fa ratsy ny asany. Ary ireo mahita fa eo eo ihany ny asa vitany dia tokony hitsangana eo afovoany.

Avy eo dia asaivo miresaka momba ny antony mahatonga azy mihevitra izany amin’ireo namany manodidina azy ilay mpianatra.

Ary farany, mifidiana mpianatra iray hizara ny heviny amin’ireo hafa. Tokony hiezaka handresy lahatra ireo mpianatra hafa mba hanaiky ny heviny izy ka hifindra toerana any amin’izay mifanaraka amin’izany ireo mpianatra raha niova ny heviny.

Ny mpampianatra kosa dia mila mitandrina tsara mba hamoaka hevitra voalanjalanja na tsy manambara hevitra mihitsy amin’ny fanontaniana mety hiteraka disadisa toy ilay teo.


« Prise de note active »/Active note taking

Ampiasao ho solon’ny fanaovana lahateny na famakiana boky ity « méthode » ity mba hampavitrika ny fianarana.

1) Asaivo mandray an-tsoratra ireo teboka lehibe voarakitra ao anatin’ny lahatateny ataonao na zavatra vakiany ireo mpianatra.

2) Asaivo milaza ireo hevitra izay hitany fa manan-danja ireo mpianatra. Soraty ireo hevitra marina. Ny mpianatra rehetra dia tokony hihaino an’ireo valin-teny avy amin’ireo mpianatra hafa ary hijery raha voarainy an-tsoratra avokoa ireo hevi-dehibe.

3) Fenoy raha toa ka misy hevitra tsy voalazan’izy ireo.

Izany dia hanampy ireo mpianatra somary votsavotsa mba hahita ireo hevi-dehibe fa ireo mpianatra mahay kosa dia hahavita hamantatra izany irery.

Raha toa somary votsavotsa ireo mpianatra dia azo atao ihany koa ny mandika ny lesona ary mamela banga eo amin’izay tokony ho toeran’ny teny manan-danja ka asaina fenoin’izy ireo izany. Raha sarotra amin’ireo mpianatra ny mameno ireo banga dia omeo lisitra misy teny afaka ampiasainy hamenoana izany izy. Aza hadino ny manome azy ireo ny valiny marina eny am-pamaranana ny lesona mba ho marina ny lesona any anaty kahieny.

Lalao/Play

Ny lalao dia zava-dehibe amin’ireo ankizy, indrindra ho an’ireo ankizy izay mbola any amin’ny akany fibeazana. Amin’ny alalan’ireo lalao kivarivary no ahafahan’ireo ankizy mamantatra ny tenany sy izao tontolo izao, ahafahany maneho ny heviny mahakasika ny olana eo amin’ny fiainana sy mamolavola ireo fahaiza-miaina takian’ny fiaraha-monina sy fahaizana mieritreritra ary mamerina ireo fahalalana sy fahaiza-manao efa nananany.

Ho an’ny mpianatra rehetra, ny lalao dia miteraka fahazotoana ary manome tombontsoa lehibe hianarana sy hanaovana famerenana. Ho an’ireo mpianatra lehibe kokoa, ny ‘filalaovana’ “nombre”, hevitra na teny dia afaka manampy ireo mpianatra mba hahafehy bebe kokoa ny taranja iray. Ny fanandramana zavatra ary ny fijerena izay mitranga dia manampy ny olona mba hahafehy izany haingana.

Ny mana-pahaizana dia milaza fa ny ankizy madinika dia tokony hanana tombontsoa hilalaovana anatin’ny ora iray any an-tsekoly. Afaka manome lohahevitra hitarihana ilay lalao ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fitaovana tsotsotra mifandray amin’izany, fa ireo ankizy dia mila manana fahafahana mamorona ary milalao araka izay tiany. Raha toa ka tsy mahazatra azy ireo ilay lohahevitra dia mety tsy tena handray anjara amin’izany izy ireo.

Ho an’ireo ankizy madinika, azonao atao ny mampiditra lohahevitra iray, ohatra “mpamboly” ary avy eo, manome fitaovana vitsivitsy mifandray amin’izany, ohatra, tapa-kazo izay endriky ny voly na sampan-kazo endriky ny fitaovana fambolena, ka mamela ireo ankizy milalao avy eo. Tsy voatery ho avo lenta ny fitaovana omena azy ireo , ilay ankizy maka sary an-tsaina izany no zava-dehibe.

Amin’ny maha mpampianatra anao dia tokony handray anjara amin’ny kilalao ataon’izy ireo ianao, asaivo manoritsoritra izay mitranga ao izy ireo na miaraha milalao aminy. Raha mampianatra Frantsay ianao dia asaivo milalao amin’ny teny frantsay izy ireo, fa aza hadino ny mampahafantatra azy ireo teny ilainy amin’izany mialohan’ilay lalao!

Afaka asianao hira, tsianjery, dihy, kilalao, horonan-tsary, fanaovana asa-tanana ny lesonao. Afaka entina hisarihana ny mpianatra hampiasa ny fahaiza-mamorona ananany ireo rehetra ireo, ohatra, asaina mamorona hira vaovao iray izay mampianatra teny frantsay vitsivitsy na dihy maneho ny fitomboan’ny zava-maniry izy. Ny fanaovana asa tanana dia hanampy ireo mpianatra mba hampivoatra ny fahaizany mampiasa ny tanany ary izany dia fahaiza-manao mila ianaran’ireo ankizy madinika. Ary raha omenao azy ny fahalalahana mamorona zava-kanto vaovao dia hitombo ny fahaizany mamorona.

Famintinana/Summary

Ho an’ny ankamaroan’ny mpampianatra eto Madagasikara, ireo “activité” ato amin’ity toko ity dia hiteraka fiovana lehibe amin’ny fomba fampianarany. Hila fotoana lavalava ianao vao tena afaka hampihatra ireo hevitra rehetra avy amin’ity toko ity. Miezaha mampiasa azy ireo tsikelikely- Aza mieritreritra hoe tsy maintsy hanova ny zavatra rehetra indray mandeha ianao!

Maro ny fomba hampandraisana anjara ny mpianatra bebe kokoa izay hampavitrika azy ao an-dakilasy. Ny fampandraisan’anjara mavitrika ireo mpianatra mandritra ny lesona dia hampitombo be dia be ny fahafinaretana sy ny fandraisany anjara, hampianatra karazana fahaiza-manao maro kokoa azy ireo ary hanatsara ny fitadidiany lesona. Mendrika ny hanaovana ezaka bebe kokoa izany.

Fanontaniana/Questions

1) Rehefa avy namaky ity toko ity ianao, inona no maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana maromaro sy fanaovana “activité active”?

2) Inona amin’ireo fomba fianarana “active” ireo no hitanao mora ampiasaina? Manaova planina hampiharana izany amin’ny lesona hampianarinao amin’ity herinandro ity.

3) Inona amin’ireo fomba fianarana “active” ireo no hitanao sarotra ampiasaina ao an-dakilasy? Nahoana?

4) Mbola maro ireo fomba fianarana “active” ankoatra ireo, ny sasany mety efa nampiasainao. Mahita hafa ve ianao?

5) Fitsikerana: Inona ireo lafiny tsara sy lafiny ratsy amin’ny “apprentissage actif”?

[1] https://en.wikipedia.org/wiki/Didactic_method

[2] Inona no manaporofo fa mandaitra ny fampianarana mavitrika?, Joel Michael, revue sur les progrès de l’education en physiologie, 30: 159-167, 2006