3. Inona avy no afaka hampianarina any an-tsekoly? /What can schools teach?

‘Ny fampianarana no mamokatra ireo asa hafa rehetra’ – mpanoratra tsy fantatra

Activité/Activity

Eritrereto ireo zavatra nianaranao, tany an-tsekoly, tany an-trano, na tany amin’ny fianarana ambony.

1) Inona avy ireo zavatra samihafa nianaranao?

2) Inona ireo zavatra nianaranao ka mbola ampiasainao hatramin’izao?

Inona no nianarantsika tany an-tsekoly?/ What did we learn at school?

Misy zavatra tadidiko ihany ireo zavatra nianarako tany an-tsekoly fa saika hadinoko avokoa ireo “information” tsy nampiasaiko matetika. Raha izany…Inona no dikan’ny nianarako raha hadinoko avokoa ny ankamaroany?

Ny fanabeazana dia nanome ahy zavatra manan-danja mihoatra ny fahalalana fotsiny. Nampianatra ahy fahaiza-manao. Afaka mamaky teny aho, afaka manoratra, afaka manao matematika, afaka mianatra zava-baovao, afaka miteny frantsay kely, afaka mamaha olana, mahay mitsikera zavatra. Nianatra mikiry manoloana ny famahana olana aho. Nianatra niara-miasa tamin’ireo mpianatra hafa sy ny sisa maro hafa koa!

Amin’ny maha mpampianatra anao dia tokony hofantatrao fa tsy izay fomba hahafahan’ireo mpianatra amin’ny fanadinana fotsiny ihany no ampianarinao. Mety tsy hampiasa ireo zava-dalin’ny fizika ireo mpianatrao amin’ny fiainany andavanandro. Nefa mety hampiasa ny fahaizany fizika izy rehefa handinika rafitra iray araka ny lojika na haneho zavatra amin’ny alalan’ny matematika.

Ireo zavatra samihafa ianarana/ Different things people learn

Eto indray isika dia hijery ireo karazana zavatra samihafa afaka ianarana:

Karazana fahaizana: « fait » (fahalalana na tranga).

Ohatra: Fahaizana ny formule E=mc2 na fahafantarana fa ‘smoked’ dia ny “ forme passé” ny ‘smoke’. Fahaizana “table de multiplication”. Fahaizana ny fifangaroan’ny loko mba hanome loko hafa.

Hevitra fanampiny: Ny “fait” no matetika fototr’ireo karazana fahaizana hafa. Ohatra, mba hamakiko teny dia mila fantatro ny dikan’ny teny vakiko.


Karazana fahaizana: Fahazoana (Compréhension).

Ohatra: Raha halatsako ny peniko dia hilatsaka. Ny fahazoana dia manazava ny antony.

Hevitra fanampiny:

Matetika dia misy karazana “niveau de compréhension”. Arakaraka ny taona sy ny fahaizan’ny mpianatra no hanazavanao zavatra iray:

Niveau inférieur: Ny “gravité” no misintona ilay penina hilatsaka.

Niveau intermédiaire: Ny “masse” dia mifanintona, tahaka ny fifampisintonan’ny andriamby. Izany no antsoina hoe “gravité”.

Niveau supérieur: Ny lalana momba ny anton’ny “gravité ”.


Karazana fahaizana: Famahana olana.

Ohatra:

  • Fandinihana ny antony mahatonga ny moto iray tsy mety ho velona.
  • Inona no tsaratsara kokoa: mividy vary 200Ar ny kapaoka sa vary 1000Ar ny kilao?
  • Ahoana no fomba hampamokatra bebe kokoa ny tanimbary?
  • Famantarana ny dikan’ny teny anglisy vaovao iray amin’ny alalan’ny fampitahana azy amin’ny teny efa hay.

Fanazavana fanampiny:

Ny fampianarana famahana olana dia tena zava-dehibe. Mety tena hanahirana koa, ireto ary misy toro-hevitra vitsivitsy:

  • Matetika dia mamaha olana fotsiny isika fa tsy mahafantatra ny fizotran’ny fisainantsika mamaha izany. Mieritrereta lalina mba hahazoanao ny fizotran’ny fisainanao. Avy eo, hazavao ny mpianatrao izany.
  • Omeo “problème” maro ny mpianatra.
  • Asio “problème” sarotra, antonony, mora arakaraka ny fahaizan’ny mpianatra. Matetika ny fanontaniako dia miantomboka amin’ny mora ary mihasarotra hatrany.

Karazana fahaizana: asa fampiharana (travaux pratiques)

Ohatra:

  • Manjaitra.
  • Mitondra bisikileta.
  • Zava-kanto (Art).
  • Milomano.
  • “Science appliquée”.
  • Fampiasana solosaina.

Hevitra fanampiny:

Mora kokoa ny hahaizan’ny mpianatra asa fampiharana raha toa ka tonga dia manao fampiharana arahina toro-hevitra sy fanampiana izy.

Misy fahaiza-manao azo avy amin’ny fangalana tahaka ny mpampianatra (ohatra: ny fahaizana mitondra bisikileta na milomano, mitovy avokoa izy ireo ho an’ny olona rehetra).

Misy kosa fahaiza-manao tsy mety halain-tahaka, ohatra: ny taozavatra tsara dia azo avy amin’ny famorononana zavatra vaovao, fa tsy maka tahaka ny asan’ny sasany fotsiny.

Ho famolavolana izany fahaizana asa fampiharana izany dia tokony hampahery ny mpianatra hatrany isika ka hampahafantatra azy ireo fa azo atao tsara ny manao fanandramana ary tsy maninona na manao fahadisoana aza. Ny fahadisoana dia zava-dehibe amin’ny fianarana…raha toa ka fantatr’ilay mpianatra fa nanao fahadisoana izy.

Matetika ny manao asa tarika (devoir en goupe) dia manampy ny mpianatra mba hahay satria afaka mifampizara izay traikefa sy toro-hevitra ananany izy ireo. Indrindra fa amin’ny fianarana mampiasa solosaina.


Karazana fahaizana: Fiteny.

Ohatra: Fianarana Malagasy, Frantsay, Anglisy.

Hevitra fanampiny:

Tena ilaina ny fahafahan’ireo mpianatra hamaky, hanoratra, hihaino ary hiteny io fiteny io. Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia vakio ilay toko mikasika ny fanabeazana amin’ny fiteny roa.


Karazana fahaizana: Toe-tsaina mitsikera.

Ohatra: Tsikerao ity fanontaniana ity ‘Tsara ho an’I Madagasikara ve ny fisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao Ambatovy?’.

Hevitra fanampiny:

Maro amintsika no manana ny heviny mikasika an’Ambatovy, nefa kosa tsy mahatsapa fa io resaka io dia tena sarotra. Ambatovy dia misy lafiny tsara ary lafiny ratsy.

Ny toe-tsaina mitsikera dia nofaritana ho ‘“analyse objective” sy fanombanana olana iray ahafahana manangana hevitra.’

Ny fijery tsy miangatra (analyse objective) dia midika hoe tsy mandeha araka ny fihetsem-po fa mandanjalanja ny hevitra mikasika ny olana iray. Indraindray dia ilaina ny fahazoana ny hevitra amin’ireo andaniny roa. Rehefa azonao ireo hevitra rehetra dia afaka mitsara amin’izay ianao na mametraka ny fomba fijerinao mikasika ilay olana araka ireo porofo hitanao.

Raha toa ka mahay mitsikera ny mpianatra dia hahomby kokoa izy amin’ny fiainany satria afaka mamaha ny ankamaroan’ny olana tonga eo amin’ny fiainany. Fa mety handreraka koa…satria mety hametraka fanontaniana maro be mikasika izay zavatra henony izy ary mety tsy hiombon-kevitra aminao indraindray. Fa masahia mampirisika azy mba hanana izany toetra izany!


Karazana fahaizana: Fahasalamana sy toetra tsara, eo anivon’ny isam-batan’olona ary ara-tsosialy.

Ohatra:

  • Mianatra mba ho marina.
  • Mianatra mihevitra ny hafa.
  • Mianatra miaro-tena amin’ireo loza eto amin’izao tontolo izao.
  • Mianatra mikarakara vatana.
  • Mianatra ny mikiry hatrany manoloana ireo fanamby.
  • Fahendrena.

Hevitra fanampiny: Ity dia fomba iray ahafahan’ny mpampianatra tsara manova ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fampianarana ireo mpianatra mba ho olona marina, mahitsy, be fitiavana, salama ary mahomby.


Karazana fahaizana: Ny ara-panahy.

Ohatra: Raha sekolim-pinoana ny sekolinao dia tokony hampianatra ny ankizy mba hanaraka ilay finoana arahin’ilay sekoly. Tafiditra amin’izany ny fanaovana fanompoam-pivavahana, vavaka, fianarana Soratra Masina, fanompoana ny fiaraha-monina na fanangonam-bola ho an’ireo anatin’ny fahantrana.

Hevitra fanampiny: Ho an’ny sekoly kristiana dia mety ho sarotra ny hampianatra ny ankizy mba tena hanana finoana ary hiaina amin’ny finoana fa tsy hahafantatra ny fisian’ny finoana fotsiny. Ny kristiana dia mino fa Andriamanitra dia nanome antsika safidy malalaka. Izany hoe ny finoana dia safidy – tsy afaka hoterena ny hino ny mpianatra.


Karazana fahaizana: Fahaiza-mamorona.

Hevitra: Ny fahafahana mamorona hevitra vaovao, ohatra amin’ny sehatry ny zava-kanto, asa, amin’ny fomba famahana olana na amin’ny mozika dia tena ilaina mba hahafahana mahomby . Maro ny olona no tsy manana toe-tsaina mivoatra ary tsy afaka mamorona fomba vaovao na fomba tsaratsara kokoa entina hanaovana zavatra iray. Ireo mpamboly dia manohitra mafy ny fanovana ny fomba fambolena nentin-drazana fantany na dia omena fomba vaovao izay hampitombo ny vokatra azony aza izany. Maro ireo lalana ahafahana manao asa ahazoana tombony be dia be eto Madagasikara nefa tsy misy manomboka.

Betsaka ireo karazana fahaizana mety hisy. Ny mpampianatra tsara dia hiezaka hampiditra karazana fahaizana samihafa amin’ny lesony. Misy oha-pitenenana iray milaza hoe ‘ Tsy hohadinonao mandrakizay ny fahaizana mitondra bisikileta’. Ny fahalalana sy ny fahazoana dia mora hadino fa ireo karazana fahaizana hafa kosa dia tadidy foana, indraindray mandritra ny fiainana manontolo mihitsy.

Fanontaniana/Questions

Fakafakao miaraka amin’ireo mpampianatra hafa ireto fanontaniana ireto ary soraty ny valin-teninao:

1) Inona ireo karazana fahaizana tsy noeritreretinao nefa afaka ampianarina any an-tsekoly mialohan’ny namakinao ity toko ity?

2) Inona avy ireo karazana fahaizana efa ampitaina ao amin’ny sekoly misy anao?

3) Inona avy ireo karazana fahaizana tianao ho hita bebe kokoa ao amin’ny sekoly misy anao?

4) Inona no zavatra nanaitra anao ary hitanao fa zava-dehibe tao anatin’ity toko ity?

5) Fitsikerana: Inona no zavatra tsy ekenao amin’ity toko ity? Nahoana?