‘Te hianatra ny fomba ahafahako mahita ny ao an-dohan’ny mpianatro aho’ Dominique, Toamasina
Inona no antony hanaovana fitsapam-pahaizana?/Why assessment?
Nisasaka ny fizarana ny taom-pianarana, nahafinaritra avokoa ny lesona nampianarin’i Mr Robert an’ireo mpianany ary miandrandra vokatra tsara avy amin’izy ireo izy amin’ny fanadinana izay hataony. Ireo mpianatra dia mavitrika manoloana ny fianarany, tena miditra lalina amin’izany, ary kilasy tena tiany indrindra io kilasy io. Rehefa tonga ny fanadinana, nitranga ny tsy nampoizina! Ratsy be ny naoty azon’ny mpianatra, ary hita fa tsy ampy ny fahalalana sy fahazoan’izy ireo ny lesona. Tena taitra Mr Robert ary nitsetra: ‘Nahoana no tsy hain’izy ireo na azony akory ireo zavatra tsotra izay toa hainy tsara?’
Fakafakao/Discuss
Efa olana matetika renao ve izany? Inona ny antony heverinao nahadiso hevitra an’i Mr Robert?
Inona no tsy nandeha araka ny tokony ho izy?/What went wrong?
Ny tena olana dia tsotra:
- Mr Robert dia nieritreritra fa, satria ireo mpianany navitrika sy liana, dia nandray ireo fampianarana marina. Tsy norefesiny hoe hatraiza marina ny fahaizan’izy ireo.
- Satria ireo lesona nandeha tsara avokoa ary nahafinaritra, ireo mpianatra dia nieritreritra fa nahay tsara izy ireo ka tsy mila mamerin-desona loatra ho fanomanana ny fanadinana.
Nisy zavatra voarain’ireo mpianatra ihany fa tsy naharay zavatra maro araka ny tokony ho izy izy ireo.
Inona no antony hanaovana ny fitsapam-pahaizana? / Why assess?
- Ny fitsapam-pahaizana dia manampy ireo mpianatra mba hatoky tena satria hitany fa mahay zava-baovao izy.
- Ireo mpianatra dia afaka mitsapa ny fahaizany amin’ny alalan’ny fampitahana ny zavatra hainy sy ny lisitrin’ny zavatra tokony ho hainy ka afaka mianatra izay zavatra mbola tsy hainy izy.
- Ny fitsapam-pahaizana dia mahatonga ireo mpianatra hamerin-desona ary izany dia hanamafy ny fitadidiany.
- Ny mpampianatra dia manao fitsapam-pahaizana mba “hahitany ny ao an-dohan’ny mpianatra”, ahafahany mijery izay efa hain’izy ireo sy izay tsy mbola hainy. Izany “information” izany no hampiasain’ny mpampianatra mba hanatsarana ny fampianaran’ireo lohahevitra sarotra sy hanomezany fanampiana bebe kokoa ho an’ireo mpianatra somary sahirana mandray zavatra.
- Ireo fanadinana famaranana taom-pianarana sy ireo fanadinam-panjakana dia mampitaha ireo mpianatra ao amin’ny sekoly iray amin’ny fari-pahaizan’ny mpianatra manerana ny nosy.
Karazana fitsapam-pahaizana / Types of assessment
Misy karazana fitsapam-pahaizana telo lehibe:
- Fitsapam-pahaizana izay hanome anao sy ny mpianatra valiny malaky (feedback immédiat), antsoina hoe évaluation formative.
- Fitsapam-pahaizana izay manana endrika fanadinana na asa fampiharana (travaux pratiques), izay avy amin’ny mpampianatra na ny sekoly.
- Fanadinam-panjakana na fanadinana famaranana taom-pianarana.
Fitsapam-pahaizana izay hanome anao sy ny mpianatrao valiny malaky – Evaluation formative / Assessment that gives you and learners’ immediate feedback – formative assessment
Tena manan-danja tokoa ny “évaluation formative”. Rehefa manao izany dia fantatr’ireo mpianatra avy hatrany raha nety na tsia ny zavatra nataony. Ary fantatry ny mpampianatra avy hatrany raha azon’ny mpianatra na tsia ilay lesona nampianariny.
Ny fahalalana izany dia tena ilaina tokoa. Izany dia hanampy ireo mpianatra mba hanamafy ny fitadidiany ireo zavatra marina sy hahitany ireo fitadidiana diso nananany ary manampy ny mpampianatra mba hamantatra izay zavatra sarotra amin’ireo mpianatra, ireo zavatra mila haverina na hampianarina amin’ny fomba hafa.
Ohatra “activité d’évaluation formative”?/What are examples of formative assessment activities?
“Penser – Apparier – En groupe de 4 – Partager”/TPSS: Izany dia noresahintsika tao amin’ny toko nisy ny “apprentissage actif”. Amin’ilay fotoana hizaran’ireo “groupe” ny heviny amin’ny mpianatra rehetra dia afaka mitsara ny hevitr’ireo “groupe” ianao ary manome “feedback” an’ireo “groupe” raha marina ny hevitr’izy ireo na tsia ary manazava ny anton’izany.
Ankihibe/ thumbs: Izany dia noresahina tamin’ilay toko mikasika ny “apprentissage actif”. Ny mpampianatra dia afaka ny hahita ny fahazoan’ny kilasy iray manontolo amin’ny alalan’izany ary manazava ny valiny marina.
“Billet d’entrée” /Admit Slips: Rehefa miditra ny efitrano ireo mpianatra dia omeo taratasy kely tsirairay izy ireo. Efa misy fanontaniana hitsapana ny fahaizana azony tamin’ny lesona farany eo amin’ny solaitra be. Ireo mpianatra kosa hanoratra ny anarany sy ny valim-panontaniana amin’ilay taratasy.
Rehefa saika nahavaly ireo fanontaniana avokoa ireo mpianatra (aza manahy raha ohatra ka mbola tsy nahavita ireo mpianatra votsavotsa) dia jereo ny valiny ary tsarao amin’ny alalan’ny iray amin’ireto fomba ireto:
- Makà taratasy vitsivitsy “au hasard” ary jereo ny valiny. Eny am-panaovana izany dia ambarao ny mpianatra ny valiny marina.
- Omeo naoty ireo taratasy rehetra ary tehirizo ao amin’ny “bulletin” ireo naoty ireo.
- Asaivo mampifamadika ny taratasiny ireo mpianatra ary manome isa (noter) izany.
Raha maro be ny mpianatra amin’ny kilasy iray dia afaka zaraina ho tarika izy ireo ka omena taratasy iray isan-tarika. Izany dia hampihena ny asa fitsarana ary hanome tombotsoa ireo mpianatra mba hifampianatra.
Manontany mpianatra iray/Questioning one student: Amin’ity “activité” ity dia mifidy mpianatra iray ianao ary mametraka fanontaniana aminy. Mety tsara izany raha ohatra ka te-hahavita lesona haingana ianao satria ireo “activité” hafa dia mila fotoana lava kokoa. Kanefa mpianatra iray isaky ny fanontaniana ihany no afaka mandray anjara. Rehefa manao “problème de Mathématiques” izaho sy ny mpianatro dia manondro mpianatra iray aho mba hanazava ireo “solutions” hitanay . Miezaha mametraka fanontaniana amin’ireo mpianatra tsy be teny ary koa, ireo mpianatra mavitrika izay mananga-tanana foana.
Miara mihiaka/All shout out: Tena ilaina rehefa mampianatra fiteny (langues) na teny vaovao, asaivo miara-mamaly fanontaniana am-bava ny kilasy iray manontolo. Ilay fanontaniana dia tokony ho mora ary ny valin-teny tokony ho teny iray. Ny hamafin’ny feon’izy ireo dia hanambara aminao raha hain’ireo mpianatra ilay valiny! Tena ilaina amin’ny fianarana fanononana teny izany – Ireo mpianatra dia tokony afaka manonona ilay teny mialohan’ny hianarany ny dikany.
“Billet de sortie”/Exit slips: Mitovy tanteraka amin’ilay “billet d’entrée” fa kosa, any amin’ny faran’ny lesona vao mameno izany ireo mpianatra. Mifidiana fanontaniana izay hanampy ireo mpianatra hamerina ilay lesona. Ohatra: Asaivo manoratra ireto zavatra manaraka ireto ireo mpianatra: Anarana, Ny zavatra voaraiko androany; Ny nahaliana ahy; Fanontaniana mikasika ilay lohahevitra teo. Vakio ireo taratasy ireo mba hijerenao izay zavatra voarain’ireo mpianatra tamin’ilay lesona.
Mpianatra mitsara mpianatra hafa (fitsarana namana)/Students assess other students (peer assessment): Raha maro ny mpianatrao dia mety tena hanahirana ny asa fitsarana. Fa misy vaovao mahafaly ho anao: tsy voatery ianao avokoa no hitsara ny zavatra rehetra nataon’ny mpianatra. Ireo mpianatra dia afaka mifampitsara ny asany. Raha omena torolalana mazava mikasika ny fomba hitsarana izany izy ireo dia afaka hitsara izany amin’ny fomba marina. Ohatra anankiroa:
Ohatra 1:
1) Manao fanadinana fohifohy ireo mpianatra.
2) Avy eo mifanakalo ny taratasim-panadinany. Hazavao tsara ireo valim-panontaniana sy ny fomba hitsarana izany. Eo am-panaovanao izany no hitsaran’ireo mpianatra ilay taratasim-panadinana. Ireo fanontaniana sarotra tsaraina toy ny famoronan-dahatsoratra dia afaka tsarain’izy ireo ihany fa avy eo mila averinao jerena.
Ohatra 2:
1) Asaivo manoratra “paragraphe” manoritsoritra ny tanan’i Toamasina amin’ny teny anglisy ireo mpianatra.
2) Asaivo mifanakalo ny asany izy ireo ary manitsy ny fahadisoana rehetra hitany.
3) Asaivo mamerina ilay asany amin’ny tompony ary mifampiresaka momba ilay fitsarana nataony tsiroaroa.
Omeo “feed-back descriptif” ireo mpianatra: Mba hivoatra, ny mpianatra iray dia tokony hahazo mihoatra ny ‘3/10’. Mila manoratra teny kely hanampiana azy ianao, ohatra hoe ‘3/10. Mianara “fraction”’. Ilay fanamarihana dia tokony hanampy ireo mpianatra mba hahafantarany ny tokony hataony mba hivoarany. Aza hadino fa tena ilaina ihany koa ny manome tsikera “positif”, ohatra: ‘8/10. Nisy fivoarana be’.
Mampiasa solaitra na “ardoise”/ Use Mini-whiteboards, or a slate: Fomba tsara hitsapana ny fahaizan’ny kilasy iray manontolo izany fanaovana “devoir” amin’ny solaitra izany. Rehefa nahavita avokoa ny rehetra, asaivo ampiakariny ambony ilay “ardoise”. Matetika aho no maka “ardoise” iray ka manontany ny mpianatra ‘ny zavatra hitany fa mety/tsara amin’ilay valin-teny’ ary avy eo, ‘ny afaka hatsaraina amin’ilay valin-teniny’. Raha manana mpianatra maro ianao dia afaka zarainao ho tarika izy ireo ka omena “ardoise” iray isan-tarika. Hifampianatra ireo mpianatra ary ho vitsivitsy kokoa ny valin-teny hovakinao.
Aotra ka hatramin’ny dimy/ “fist to five”: Tamin’ilay toko mikasika ny “apprentissage actif” dia niresaka momba ny fampiasana ny “0 à 5”isika, izany dia ahafahan’ny mpianatra rehetra miara-mamaly fanontaniana. Ny valin’izany dia afaka ahafantaranao ny fahaizan’ny mpianatra.
Fitsarana tena na “auto-évaluation”/ Self assessment: Mitovy amin’ny fitsapana namana fa amin’ity kosa dia hitsara ny asan’ny tenany ireo mpianatra. Ny fitsarana ny tenany sy ny fitsarana ny namany dia samy manampy ny mpianatra mba hifantoka kokoa amin’ny fitsarana ilay fanadinana no sady haneho aminy ny fomba fanomezana isa izany ary izany dia hanampy azy mba hahazo vokatra tsara kokoa amin’ny fanadinana izay hataony amin’ny ho avy.
Jereo ny “language corporelle” ny mpianatra/Watch body language of the students: Ny “language corporelle” (ny fomba fijery na fomba fipetraky ny mpianatra) dia afaka manambara aminao raha mifantoka sy manaraka ny lesona ireo mpianatra, na very, manonofy antoandro fotsiny na matory. Manao ahoana ny fahitanao ny fihetsik’ireo mpianatra, manaraka ny lesona ampianarinao ve izy ireo?

Fanadinana avy amin’ny mpampianatra na ny sekoly/Tests set by the teacher or school
Ny “évaluation formative” dia saika hatao amin’ny lesona rehetra fa ny fanadinana kosa dia tsy dia fanao matetika.
Rehefa mety tsara ny fanatanterahana azy dia betsaka ny vokatra azo avy amin’ny fanadinana:
- Famerenana ireo lesona vao natao tsy ela izay hanamafy ny fitadidiana.
- Manome fahazotoana ireo mpianatra mba hamerina ireo zavatra vao nianarany.
- Manome fahafahana ireo mpianatra sy mpampianatra hamantatra ireo zavatra efa hain’ireo mpianatra sy izay mbola mila hianarany bebe kokoa.
- Manome tombotsoa ireo mpianatra mba hamaly ireo fanontaniana mitovy amin’ny fanontaniana any amin’ny fanadinana famaranana.
- Manome hevitra ny mpampianatra ny amin’ny zavatra tokony handrandrainy ho vitan’ny mpianatra.
Rehefa nampianatra siansa tao amin’ny Mercy Ships aho dia nanana adiny 4 handraisana ny mpianatro isaky ny herinandro. Ireto manaraka ireto no fanadinana nampanaoviko azy ireo:
- Fanadinana kely maharitra 15 minitra isaky ny Alakamisy. Ny mpianatra dia tia “routine” ary tsy hadinon’izy ireo ny mianatra lesona raha andro tsy miovaova no hanaovana ilay fanadinana.
- Isaky ny mamarana lohahevitra iray dia mampanao fanadinana lavalava kokoa maharitra 40 minitra aho.
- Ary mampanao fanadinana andrana herinandro vitsivitsy mialoha ny fanadinana lehibe rehetra.
Ny fanadinana ampanaoviko ny mpianatro dia misy fanontaniana mahakasika ireo hevi-dehibe avy amin’ny lohahevitra nampianarina izay tokony ho hain’ireo mpianatra. Manodidina ny antsasaky ny fanontaniana dia fanontaniana mampahatsiahy ireo “fait” an’ireo mpianatra na maneho fahazoana tsotsotra. Ny tapany manaraka kosa dia fanontaniana mitaky famahana olana sarotsarotra kokoa, famoronan-dahatsoratra fohy na fahaiza-manao ambonimbony amin’ny sokajin’i Bloom.
Izaho dia nampanao “test pratique” ihany koa indraindray, izay hanaovan’ny mpianatra fanandramana na“expérience”, manao fanehoana an-tsary ny valiny ary mitsikera ny valiny azo sy ny fomba hanatsarana ilay andrana.
Rehefa mampanao fanadinana dia ampilazao andro vitsivitsy mialoha foana ireo mpianatra ary lazao aminy amin’ny an-tsipiriany ilay lesona hohadininao. Amin’izay mba afaka mody ary manomana ilay fanadinana ireo mpianatra.
Resaho miaraka amin’ny namanao: Inona no karazana fanadinana ataonao amin’ny taranja ampianarinao? Moa mihevitra ianao fa tokony hovainao ireo fanadinana ataonao? Inona no maha zava-dehibe ny fanadinana?
Karazana fanadinana mahazatra/Common types of test
Fanadinana an-tsoratra: Amin’ny fanadinana an-tsoratra dia ataon’ny mpianatra an-tsoratra ny valin-teniny. Ny naoty omena dia miankina amin’izay nosoratany. Ny fanontaniana dia afaka soratana eo amin’ny solaitra be na atonta amin’ny taratasy. Ny fanadinana an-tsoratra dia mety amin’ny ankamaroan’ny taranja. Fa amin’ny taranja fampiharana tahaka ny fandrafetana hazo na resaka nahandro kosa dia mety tsy hety loatra izany. Misy olona mety ho mpanefy na mpahandro tena mahay fa tsy mahay mamaky teny na manoratra.
Fanadinana ara-pihainoana sy am-bava: Ireo roa ireo dia amin’ny fampianarana teny vahiny ihany no tena ampiasaina azy, kanefa mety hifanaraka amin’ireo taranja mila fampiharana ireny ihany koa raha toa ka tsy mahay mamaky teny na manoratra ilay mpianatra. Amin’ny fanadinana toy ireny dia ny fahafahan’ireo ankizy mahazo izay lazaina amin’ilay teny vahiny sy ny fahaizany miteny no tsapaina. Tena zava-dehibe izany satria ny fahaizana mihaino sy miteny dia tena ilaina mba hahafahana mifandray tsara amin’ny teny vahiny.
Raha vitsy ireo mpianatra dia tokony hitady fotoana iresahana amin’ny mpianatra tsirairay ny mpampianatra ary ny mpianatra ambiny kosa manao asa an-tsoratra. Fa ahoana kosa ary no hanaovana fanadinana am-bava amin’ny mpianatra maro? Ireto ary misy hevitra vitsivitsy:
Fihainoana (test d’écoute)
- Mifidiana lahatsoratra amin’ilay teny ampianarina. Manorata fanontaniana vitsivitsy ho valian’ny mpianatra, izay haneho ny fahazoan’izy ireo ny lahatsoratra. Vakio indroa na in-telo amin’ireo mpianatra ilay lahatsoratra, ary asaivo valian’ireo mpianatra ireo fanontaniana. Omeo naoty ny valim-panontanian’izy ireo.
- Mandika izay fehezanteny teneninao amin’ilay teny ianarana ireo mpianatra. Omeo naoty ny valin-teniny.
Fitenenena (test d’expression orale)
- Asaivo miresaka mikasika lohahevitra iray “en groupe” ireo mpianatra. Tokony hanana fotoana itenenana avokoa ireo mpianatra tsirairay. Ataovy mifanome naoty ny fiteniny izy ireo.
- Mametraha fanontaniana iray amina mpianatra vitsivitsy ary omeo naoty ny valin-teniny. Afaka asainao milaza izay zavatra tsara tamin’ny valin-teniny sy ny fomba afaka hanatsarany izany ny mpianatra sisa. Raha manao izany amin’ny mpianatra samihafa isaky ny lesona ianao dia hahavita hanome naoty ny mpianatra tsirairay rehefa nahavita lesona maromaro.
Fanadinana vakiteny: Ireo mpianatra dia mamaky lahatsoratra voasoratra eo amin’ny solaitra be na voatonta amin’ny taratasy. Avy eo kosa izy hamaly fanontaniana mikasika ny lahatsoratra.
Fanadinana fampiharana (évaluation pratique): Ho an’ny mpianatra maro, ny fanaovana fampiharana dia fomba mahafinaritra ampifandraisana ireo lesona an-tsoratra amin’ny tena fiainana. Ny asa fampiharana – “expérience scientifique”, fanaovana zava-kanto na fanaovana lalao ara-panatanjahantena dia tena zava-dehibe satria ny ankamaroan’ny zavatra hataon’ny mpianatra amin’ny fiainana dia fampiharana avokoa.
Ny zava-kanto dia tsy fandikana sary tsy misy valaka fotsiny. Ny mpanakanto mahay indrindra dia mamorona asa vaovao izay tsy mitovy amin’izay efa noforonina taloha.
Amin’ny taranja siansa dia maro ny “expérience” afaka atao izay tsy mila fitaovana manokana, ohatra:
- Fotopotory hoe inona no mitsingevana na milentika anaty rano.
- Mitsapa ny fisian’ny “amidon” amin’ny alalan’ny solution d’iode.
- Mambole hazo fihinam-boa na voa hafa ary refeso ny fitomboany. Avy eo amboleo any an-toeran-kafa ilay hazo ary jereo ny fitomboany mandra-pahamoany voankazo azon’izy ireo hohanina! Tsarao arakaraka ny kalitaon’ny fanarahan’izy ireo ny fitomboan’ilay hazo, ny kisarisariny ary ny hevitra nosintoniny ireo mpianatra.
- Jereo ny tranonkalako http://www.mada-enseignants.org raha mila hevitra maro kokoa mikasika ny fampianarana siansa ianao.
Tsarao araka ny fahombiazany tamin’ny fanatanterahana ireo “expérience” sy ny tatitra mikasika izany ireo mpianatra.
Amin’ny fanatanjahantena, afaka mitsara mpianatra iray amin’ny alalan’ny fijerena azy milalao mandritra ny dimy minitra ianao. Inona no zavatra tsara vitany? Inona no azony atao mba hanatsarana izany?.
Ny enti-mody: Ny fanaovana enti-mody dia tena fampiharana tsara hamerenan-desona ho an’ny mpianatra. Tadidio fa ireo mpianatra dia afaka miresaka amin’olon-kafa ary mamaky ny lesony rehefa manao ny enti-modiny. Izany hoe mety hisy mpianatra hahazo 20/20 amin’ny enti-mody nefa tsy mahazo tsara ilay lesona akory.
Ny fanomezana naoty/ Marking
Ny fitsarana marina sy ara-dalàna ary haingana ny fanadinan’ireo mpianatra dia tena zava-dehibe. Misy zava-dehibe tokony homarihina mikasika ny fitsarana:
- Aza atao ela ny famerenana ireo asan’ireo mpianatra. Kely ny tombony azon’ny mpianatra volana maromaro any aorian’ilay fanadinana vao voarainy ny valiny.
- Ataovy azo antoka fa mazava tsara ny fomba fanomezanao naoty mba ho azon’ny mpianatra izany. Amin’izay na ianao na ny mpianatra dia samy mahazo an-tsaina tsara ny zavatra antenaina ho hita.
- Mety hisy mpianatra hahita valiny hafa nefa marina izay tsy noeritreretinao akory.
- Raha maro amin’ireo mpianatra no tsy mahazo ireo fanontaniana napetrakao dia mety ny fanontanianao no tsy mazava ary tokony omenao naoty araka ny fahazoany ilay fanontaniana ireo mpianatra.
- Rehefa mitsara ianao, miezaha manome fanamarihana mampahery sy fomba entina hanatsarana asa iray.
Fampihenana ny asa fitsarana
Ny fahadisoana matetika ataon’ny mpampianatra dia ny fieritreretana fa tsy maintsy hotsarainy avokoa ireo zavatra rehetra ataon’ireo mpianatra. Tsy marina izany! Kanefa tokony ho fantatry ny mpianatra foana hoe nanao ahoana ny zava-bitany ary inona no tokony hataony mba hivoarany.
Fomba vitsivitsy hanomezan’ny mpampianatra naoty:
- Ny mpianatra ihany no asaina mitsara ny asany. Ny mpampianatra manazava tsara ny fomba hanomezana naoty.
- Ny mpianatra mifanakalo asa amin’ny mpianatra hafa. Ny mpianatra tsirairay mitsara ny asan’ny mpianatra hafa.
Ny fitsaran’ny mpianatra ilay asa dia ahazoana tombony lehibe:
- Rehefa miresaka momba ny valim-panontaniana tamin’ilay fanadinana (izay resaka tsy maintsy atao) dia mandray anjara mavitrika amin’ny fijerena ireo valiny raha marina na tsia ireo mpianatra.
- Tsy voatery hitsara ny asan’ny kilasy iray manontolo ianao.
- Afaka mahita ny fomba namalian’ireo namany ireo fanontaniana ny mpianatra ary raha tsara ireo valin-teny dia afaka mianatra amin’ny alalan’izany izy.
- Afaka mahazo kokoa ny fomba hitsarana ny fanadinana amin’ny taranja ampianarinao ireo mpianatra.
Misy lafiny ratsy vitsivitsy ihany koa:
- Mila vonona hifandahatra mikasika ilay fomba fanomezana naoty miaraka amin’ireo mpianatra ianao. Indraindray dia mety mahita valiny marina tsy noeritreretinao izy ireo na mila fanampiana amin’ny fitsarana ilay valiny raha marina na tsia.
- Misy fanontaniana tena sarotra tsaraina. Ohatra ny famoronan-dahatsoratra. Ampianaro ireo mpianatra ny fomba hitsarana ireny, fa tsara raha averinao tsaraina ireny mba hahatoky ireo mpianatra fa marina ny naoty azony.
- Tena zava-dehibe ny hitsaranao ireo fanadinana lehibe.
Hevitra vitsivitsy
Raha ny zavatra hitako dia misy ny mifangala-tahaka kanefa tsy matetika no hitrangan’izany. Aoka haka fanapahan-kevitra hentitra amin’ireo mpianatra mangala-tahaka ianao. Ohatra: atao tsy afa-panadinana na mamerina fanadinana irery aorian’ny ora fianarana.
Raha fantatry ny mpianatra fa ny tanjon’ny fanadinana dia ny mba hanehoana azy ireo ny tanjany sy ny fahalemeny dia mety tsy dia halaim-panahy hangala-tahaka izy. Aza tezitra raha tsy afaka ireo mpianatrao, raha tsy hoe tsy niomana ho an’ny fanadinana izy. Ny zava-dehibe dia ny hoe inona no zavatra hataony manoloana ny tsy fahombiazany! Rehefa avy nanao fanadinana ireo mpianatra dia afaka manoratra ireo zavatra mila hohatsarainy sy ny fomba hampivoarany ny fianarany.
Fanadinam-panjakana na fanadinana famaranana ny taom-pianarana/National or end of year examinations
Mety mila miandry amam-bolana vao mivoaka ny valim-panadinana toy izany. Noho izany dia tsy manampy ny fizotry ny fianaran’ny mpianatra ireny fanadinana ireny, fa manome alalana ny fanjakana hitsapa ny fahaizan’ny mpianatra ary ahazoan’ireo mpianatra mahay sertifikà.
Tsy dia manana fahefana amin’ireny fanadinana ireny isika ka noho izany dia ho fohifohy ity fizarana ity. Tena zava-dehibe ny hiarovana ireny fanadinana ireny ho lavitra ny kolikoly ary mila manao izay zavatra rehetra ambanin’ny fahefanao ianao mba tsy hahafahan’ireo mpianatra mividy ny fahombiazana amin’ny fanadinam-panjakana. Rehefa mora ny mividy fanadinana dia lasa very ny lanjany.
Raha toa ka mitsara na manara-maso na mikarakara ireny fanadinana ireny ianao dia aoka mba hiasa am-pahamarinana sy hampirisika ny hafa mba hanao toy izany ihany koa ianao. Aza entina hanomezana tombony ho an’ireo mpianatrao na hamelana azy hangala-tahaka ny fahalalana manokana azonao mikasika ny fanadinam-panjakana ho avy.
Fanasokajiana ny naoty/Grading
50% foana ve no ilaina mba ho afaka? 90% foana ve no naoty tsara indrindra? Tsy mino aho! Raha sarotra be ny laza adina, mety 80% no ho ambony indrindra satria betsaka ireo fanontaniana sarotra. Rehefa nampianatra nandritra ny taona maromaro ianao dia afaka mampiasa ny traikefa anananao sy ny fomba fijerinao ianao hamantarana raha mora na sarotra ilay laza adina. Ahafahanao mampiakatra ny naotin’ny mpianatra rehetra raha sarotra ilay laza adina ary mampidina izany raha mora. Raha ohatra ka manome naoty amin’ny alalan’ny litera ianao. Ohatra: ‘A’ na ‘D’, dia mety hanova ny naoty mila tratrarina mba hahazoana sokajy iray ianao arakaraka ny mahasarotra ny laza adina. Amin’ny fanadinana an-dakilasy dia tsy tokony ho gaga ianao raha mahazo naoty ambanimbany kokoa noho ny amin’ny fanadinana famaranana ireo mpianatra satria mbola hanao fampiharana bebe kokoa izy ireo mialohan’ny fanadinana famaranana.
Hevitra vitsivitsy momba ny fitsapam-pahaizana/ A few other thoughts about assessment
Ny mpianatra dia afaka mandray an-tsoratra ny naotiny ahafahany manaraka akaiky ny zava-bitany ka ahitany raha mivoatra izy na tsia.
Mila mitandrina tsara ny sekoly amin’ny fanamboarana laza adim-panadinana. Tehirizo tsara ary ampiasao indray amin’ny manaraka. Tsy voatery hamorona fanadinana vaovao foana. Arovy tsara ireo laza adina ho an’ny fanadinana lehibe izay tianao mbola hampiasaina amin’ny ho avy ka aza avela entin’ny mpianatra mody.
Famintinana/Summary
Ny fanadinana dia fitaovana tena manan-danja izay manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hahafantatra ny fahaizany. Rehefa mety ny fampiasana azy dia afaka hahatonga ny fampianaranao sy ny mpianatrao hahomby kokoa izany.
Fanontaniana/Questions
1) Inona no hevitra vaovao voarainao avy amin’ity toko ity?
2) Inona no fanovana tianao hatao amin’ny fampianaranao avy amin’ny famakianao ity toko ity?
3) Manandrama “technique d’évaluation formative” ao amin’ny kilasy ampianarinao amin’ity herinandro ity. Inona no “technique”nety? Inona no tsy nety?
4) Fitsikerana: Eritrereto ireo fanadinam-panjakana nataonao.
- Manorata zavatra tsara 5 mikasika ireny fanadinam-panjakana ireny.
- Manorata zavatra 5 tianao hohatsaraina.
5) Fitsikerana: Araka ny hevitrao, moa ve mifanaraka amin’ny karazana mpianatra rehetra ny rafi-panadinana misy eto amintsika amin’izao?