‘Tsy misy zavatra manohitra ny “égalité” mihoatra ny fitondrana olona tsy mitovy amin’ny fomba iray iraisana’- Thomas Jefferson, Père fondateur de l’Amerique

Fakafakao / Discuss
1) Eritrereto kely ireo mpianatrao mahay indrindra. Mandritra ny firy isan-jaton’ny fampianaranao izy no mipetraka tsy misy atao?
2) Eritrereto kely ireo mpianatrao manana fahaizana antonontonony. Mandritra ny firy isan-jaton’ny fampianaranao izy no mipetraka tsy misy atao?
3) Eritrereto kely ireo mpianatrao votsavotsa saina indrindra. Mety firy ny tahan’ny zavatra azony amin’ny lesona ampianarinao?
Misy lesona roa izay arosoko eto, ny iray dia lesona “différenciée”, ny manaraka kosa dia “non- différenciée”. Ity lesona ity dia mifototra amin’ny lesona tena nisy izay natrehako.
Lesona 1: lesona “non- différenciée”/ Lesson 1: A non-differentiated lesson
Tanjon’ny lesona: Fahafantarana fa ny Romana dia nampiasa “symbole” ho solon’ny “chiffre” tsotra.
Amin’ity lesona ity, asaivo adikan’ny mpianatra ny lesona ary araho amin’ny fanazavana mahazatra izany.
Les Chiffres Romains
Les Romains ont utilisé des symboles à la place des chiffres normalement utilisés:
Symbole | I | II | III | IV | V | VI | VII | VIII | IX | X | XI | … | XIV | … | XIX | XX |
Nombre | 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | … | 14 | … | 19 | 20 |
Afaka 30 minitra, rehefa nahavita nandika ilay lesona ireo mpianatra miadana indrindra dia tapitra ilay lesona.
Fakafakao / Discuss:
Inona no zavatra tsara sy ratsy hitanao tamin’iny ohatra lesona iny?
Ny hevitro / My Thoughts:
Ny lesona sy ny fanazavana dia nazava avokoa ary ireo mpianatra votsa indrindra dia nisy zavatra natao foana nandritra ilay lesona.
Kanefa misy olana lehibe maromaro:
- Ny ankamaroan’ireo mpianatra dia tsy nisy atao nandritra ny fotoana lava nanaovana ilay lesona. Ireo mpianatra amin’ny fahaizana antonony dia nanoratra nandritra ny 15 minitra ary nipetraka fotsiny nandritra ny 15 minitra. Ireo ankizy mahay indrindra dia nanoratra nandritra ny 5 minitra ary nipetraka fotsiny nandritra ny 25 minitra.
- Ity lesona ity dia tsy “différenciée”- ireo mpianatra rehetra dia nampanaovina zavatra mitovy tanteraka. Ilay lesona dia nokendrena ho an’ireo mpianatra vitsivitsy izay votsa indrindra, izany hoe ny ankamaroan’ireo mpianatra dia tsy nianatra zavatra maro araka ny tokony ho izy.
- Tsy nisy fitsapam-pahaizana ka tsy fantatr’ilay mpampianatra raha naharay zavatra ireo mpianatra na tsia.
Lesona 2: Lesona “différenciée” / Lesson 2: A differentiated lesson:
Amin’ny lesona “différenciée”, samy hafa ny tanjon’ny lesona apetraka ho an’ny mpianatra tsy mitovy fahaizana:
Ny mpianatra rehetra: Fahafantarana fa ny Romana dia nampiasa “symbole” ho solon’ny “chiffre” tsotra.
Ny ankamaroan’ny mpianatra: Fahaizana mamadika ny “Numération romaine” ho “nombre” tsotra sy ny mifanohitra amin’izany hatramin’ny isa 20.
Mpianatra vitsivitsy: Fahaizana mampiasa ireo “symbole” ‘C’ sy ‘M’ amin’ny “Numération romaine”.
Mitovy amin’ny nanolorana ilay lesona voalohany ny nampianarana ity lesona ity. Fa nampiana fanontaniana maromaro mihasarotra hatrany ho an’ny mpianatra antonontonony sy ny mpianatra mahay kokoa. Ary asaina mandika fanontaniana iray ka mamaly izany vao miditra amin’ny fanontaniana manaraka izy ireo satria tsy natao ho voavalin’izy ireo avokoa ireo fanontaniana rehetra ireo.
Les chiffres romains

Questions: Utilisez les informations dans vos notes pour répondre à ces questions:
1) Ecrivez les nombres correspondants aux chiffres romains suivants:
a) I b) II c) VII d) XI e) XX
2) Ecrivez les nombres suivants en chiffre romain:
a) 3 b) 4 c) 14 d) 19
3) Ecrivez les nombres de 12 à 18 en utilisant les chiffres romains
4) L = 5
Reliez les nombres suivants aux numérations romaines qui conviennent :
49 XLI
50 LI
51 LXXI
71 L
65 LXV
41 IL
5) C = 100. Ecrivez 199 et 180 en utlilisant les chiffres romains
Omeo 20 minitra ireo mpianatra handikany ilay lesona ary avy eo, mamaly ireo fanontaniana.
Hafamadika avy eo ny kahieny ary hazavainao azy ireo ny valin’ireo fanontaniana. Ataovy an-tsaina foana ny “niveau” an’ireo mpianatra izay mety sahirana mamaly ilay fanontaniana hazavainao, ka amin’ilay fanontaniana voalohany, ataovy tsotra sy mora azo ny fanazavanao ary amin’ilay fanontaniana 5, afaka ataonao sarotsarotra kosa satria ireo mpianatra tena mahay no nanaovana ireo fanontaniana ireo.
Ary farany, manaova “activité d’évaluation formative” amin’ny alalan’ny “Aotra hatramin’ny dimy” (0 à 5) :
1) Asehoy amin’ny rantsa-tananao ny “nombre” mifanaraka amin’ireo “symbole” ireo:
a) II
b) IV
c) VI
d) IX
2) Soraty eo amin’ny solaitra be ireto manaraka ireto :
1) XVII
2) XIX
3) XXI
4) LXXX
5) CXX
Asaivo asehon’ny mpianatra anao amin’ny rantsan-tanany ny “numération romaine” mifanaraka amin’ny a) 19 b) 21 c) 80 d) 17 e) 120
Resaka mikasika ilay lesona 2 / Discussion of lesson 2
Amin’ilay lesona faharoa, ireo mpianatra faible dia handika ilay lesona ary mety hiezaka hanao ilay fanontaniana voalohany. Mety ho azony ny fanazavana an’ilay fanontaniana voalohany sy faharoa fa avy eo dia tsy ho arany intsony ny tohiny .
Ireo mpianatra amin’ny ankapobeny dia hahavita ireo fanontaniana 1-3 ary mety hahazo ny fanazavana ilay fanontaniana 4 sy 5.
Ireo mpianatra tena mahay dia hahavita io fampiharana io, mety ho vitsivitsy ihany ny diso na ho marina avokoa ny valiny.
Ilay lesona faharoa dia misy zavatra mifanentana amin’ny fahaizan’ny mpianatra tsirairay avy no sady misy “évaluation formative” izay ahafahan’ny mpampianatra mahita izay mpianatra nahazo ilay lesona.
Ny “théorie” mikasika ny “différenciation” / Differentiation theory
Amin’ny ankamaroan’ny kilasy dia mizara ho sokajy telo ny mpianatra:
- Mpianatra votsa: Ireo mpianatra sahirana mandray ireo lesona tsotra ary ahiana ho tsy afa-panadinana. Saika misy 10%-20% mpianatra votsa ny ankamaroan’ny kilasy.
- Mpianatra antonontonony: Ireo mpianatra izay mahomby amin’ny fianarany, nefa tsy manana fahaizana manokana. Eo amin’ny 60-80% ny mpianatrao dia ao anatin’izany sokajy ‘antonony’ izany.
- Ireo mpianatra tena mahay: Ireo mpianatra izay mahita fa mora aminy ny fianarana ary mila zavatra sarotsarotra kokoa mba hahafahany mandray zavatra maro araka ny fahaizany avy amin’ilay lesona. Maro ny kilasy mety hahitana 10-20% mpianatra tena mahay.
Ny lesona “différenciée” dia natao mba hianatra foana ny mpianatra tsirairay avy amin’ireo sokajy samihafa amin’ny ankamaroan’ny fotoany ao an-dakilasy ary mba hahazoan’ny mpianatra tsirairay zavatra sarotsarotra ianarany izay tokony ho tratran’ny fahaizany.
Amin’ny lesona “différenciée”, ny kahien’ny mpianatra dia tsy hitovy satria misy mpianatra hahavita zavatra maro kokoa noho ny sasany.
Misy karazany telo ny “méthode de différenciation” afaka ampiasaina:
“Différenciation par tâche” / Differentiation by task
Samy manao asa (tâche) avokoa ny mpianatra tsirairay fa atao araka ny fahaizany izany.
Ohatra:
- Raha mampianatra vakiteny any amin’ny ambaratonga fototra dia zaraina ho tarika 3 araka ny fahaizany ireo mpianatra. Ho an’ireo tarika roa izay mahay indrindra, asaina mifandimbidimby mamaky an’ilay lahatsoratra amin’ny tarika misy azy izy ireo. Mandritra ny fotoana hiarahan’ireo ankizy ao amin’ireo tarika roa mifanampy manao izany, ilay tarika votsa indrindra dia manao ny asa ampanaovina azy miaraka amin’ny mpampianatra izay manampy azy @ fanaovana ilay vakiteny.
- Mitovy amin’ilay lesona natao ohatra teny am-panombohana, rehefa voadika ilay lesona dia asaina mamaly ireo andiam-panontaniana indray ireo mpianatra. Atao mihasarotra hatrany ireo fanontaniana ary atao karazam-panontaniana izay hanampy ireo mpianatra amin’ny fahazoana ilay lesona. Tsy tokony handika ireo fanontaniana hatramin’ny farany ireo mpianatra vao manomboka mamaly izany. Raha voamboatra tsara ireo fanontaniana dia ho maro ny mpianatra no tsy hahavita izany hatramin’ny farany.
- Asaivo manao zavatra hafa hataony (tâche) ireo mpianatra rehefa vitany ny “devoir de classe”. Ny zavatra ampanaovina azy anefa dia tokony hifandray amin’ny fianarana. Ohatra: mamaky boky avy any amin’ny trano fitehirizam-boky, vaovao mahakasika ilay taranja na manomana “projet”.
“Différenciation par résultat” / Differentiation by outcome
Ny mpianatra rehetra dia manao asa mitovy, fa ny zava-bitan’ireo mpianatra kosa dia hiankina amin’ny fahaizan’ilay mpianatra.
Ohatra:
1) Tantarao an-tsoratra amin’ny teny frantsay ny toerana onenanao. Lazalazao amin’ny an-tsipiriany araka izay vitanao izany. Ireo mpianatra votsavotsa dia mety hanoratra fehezanteny iray, ireo mahay kokoa kosa hanoratra “paragraphe” iray.
2) Manorata lahatsoratra mikasika ny fomba fiasan’ny “système digestif”.
3) Mamorona teny maro araka izay fantatrao amin’ny alalan’ireto litera ireto: a r t i m s h o
4) Amin’ny fanaovana sorakaliana, anatin’ny 3 minitra, adikao tsara izay rehetra vitanao amin’io. Avy eo, omeo mpianatra hafa izany mba hotsarainy.
5) Asaivo manao fikarohana mikasika lohahevitra iray ireo mpianatra, any amin’ny trano famakiam-boky na amin’ny alalan’ny “encyclopédie” efa anaty solosaina na aterineto. Avy eo dia manomana famelabelaran-kevitra mikasika izay zavatra hitany ireo mpianatra.
6) Mametraha “question ouverte” izay mety hahazoana karazana valin-teny maro be avy amin’ireo mpianatra.
“Différenciation par assistance” / Differentiation by support
Ireo mpianatra rehetra dia ampanaovina asa mitovy ary antenaina hitovy ny zava-bitany. Ireo mpianatra votsavotsa kosa dia omena fanampiana mba hahavita ilay asa.
Ohatra:
1) Zarao ho tarika ireo mpianatra, afangaro ireo mpianatra mahay sy tsy dia mahay ary asaina miara-miasa manao “devoir de problème” maromaro izy ireo. Hazavao amin’izy ireo fa ireo mpianatra tsirairay ao anatin’ilay tarika dia samy tokony ho afaka manazava ny valin-teny hitan’izy ireo, ary asaivo manampy ireo tsy dia mahay ireo mpianatra mahay.
2) Makà mpianatra iray mahay sy mpianatra tsy dia mahay ka asaivo miaraka manao ilay asa izy ireo, ny tanjona amin’izany dia ny hampitombo bebe kokoa ny fahaizan’ilay mpianatra mahay amin’ny alalan’ny fampianarany ilay mpianatra iray ary ilay tsy dia mahay kosa dia hahay kokoa nohon’ny fampianarana azony avy amin’ilay namany.
3) Ampirisiho ireo mpianatra mba hitady fanampiana avy amin’ny namany raha misy zavatra tsy hainy mialohan’ny hanantonany anao.
Activité/ Activity
Manomana “différenciation” izay hataonao amin’ny lesona hampianarinao amin’ny herinandro. Zarao amin’ny mpiara-miasa aminao ireo hevitrao.

• “Différenciation par tâche”
• “Différenciation par résultat”
• “Différenciation par assistance”