1. Fampidirana/ Introduction

‘Tsara noho ny andro anarivony hianarana mafy ny andro iray hiarahana amin’ny mpampianatra mahay’ – ohabolana Japonais

Ilay mpampianatra nahafinaritra ahy indrindra dia tena tia ilay taranja nampianariny ary nahita zavatra mahaliana, lazaolana (problème) na “activité” hampidirina amin’ny lesona ampianariny foana. Ny lesona rehetra dia nahafinaritra ary nisy karazana “activités” avokoa. Olona be fitiavana sady nanokana fotoana mba hahafantarana anay bebe kokoa izy.

Fa na ratsy na tsara ny mpampianatrao fahiny dia manentana anao aho mba hamaky ity boky ity amin-kitsim-po. Be dia be ireo hevitra sy teknika vaovao ato anatin’ity boky ity izay afaka hahatonga ny fampianaranao ho tsara kokoa noho ny an’ireo mpampianatra anao tamin’ny fahazazanao.

Ny mpampianatra rehetra dia manova ny fiainan’ireo mpianany ary ireo mpampianatra tsara dia hahatonga ireo mpianany hahahomby amin’ny taranja ampianariny sy amin’ny fiainany. Izany fahombiazana izany dia afaka hanova ny firenena sy ny fiaraha-monina misy azy.

Activité/Activity

Fakafakao miaraka amin’ireo mpampianatra hafa ireto fanontaniana manaraka ireto, na diniho ireo fanontaniana. Soraty amin’ny kahie ireo hevitrao:

1) Eritrereto ireo mpampianatra nampianatra anao tany an-tsekoly, na mpampianatra efa nojerenao nampianatra. Mifidiana mpampianatra iray izay heverinao fa tena mahay.

  • Inona no hitanao manokana tamin’ny fomba fampianarany?
  • Araka ny hevitrao, inona koa ireo toetra hafa tokony hananan’ny mpampianatra tsara?

2) Ahoana no mety hahatonga ny fampianarana tsara hiteraka fiovana amin’ny fiaraha-monina na firenena?