15. Fametrahana tanjona ho an’ny mpianatra

Raha manana zavatra ho kendrena ny olona dia hihoatra ny tanjony.

Activité/Activity

Eritrereto hoe hametraka tanjona ho an’ny mpianatra iray ianao: ‘Miezaha’. Fakafakao raha tsara io tanjona io na tsia? Inona no tianao amin’io tanjona io? Inona no tsy tianao amin’io tanjona io?

Fametrahana tanjona mahasoa/Setting useful goals

Rehefa mametraka tanjona dia tena ilaina ny tanjona mba ho mahasoa. Andao hijery tanjona vitsivitsy isika:

 ‘Miezaha’: Izany dia tsy tanjona tsara satria tsy mazava. Hatraiza ny ezaka tokony hataoko? Inona no mila fiezahana?

 ‘Miezaha amin’ny matematika’: Tsara kokoa, fa mbola tsy mahalaza ny tahan’ny ezaka mila ataony.

 ‘Miezaha mba hiakatra avy amin’ny 10/20 ho 20/20 ny naotinao amin’ny matematika’: Tsara kokoa fa mety sarotra loatra ny hahatratrarana izany.

 ‘Miezaha mba hiakatra avy amin’ny 10/20 ho 12/20 ny naotinao amin’ny matematika’: Tanjona azo tanterahina, fa ahoana no hatratrarana izany, rahoviana no tokony ho tratra izany?

 ‘Miezaha mba hiakatra avy amin’ny 10/20 ho 12/20 ny naotinao amin’ny matematika anatin’ny telo volana, amin’ny alalan’ny famerenanao lesona rehefa tonga any an-trano ianao, fanontanianao namana raha misy zavatra tsy azonao antoka ary ny fanaovanao enti-mody miaraka amin’ireo namanao’: Izany dia tanjona tena tsara. Ny zavatra tokony atao mba hahombiazana, ny fotoana hahavitana izany ary ny fomba hanaovana izany dia mazava.

Ny tanjona tsara dia:

               Voasoritra mazava: Mazava hoe inona no mila hohatsaraina.

               Azo refesina: Tokony hazava tsara ny fomba hahafahana mandrefy raha efa tratra ilay tanjona.

               Azo tratrarina: Tokony ho voafaritra amin’ilay tanjona ny fomba hanatratrarana izany.

               Azo tanterahina: Tanjona izay afaka ny ho tratran’ilay mpianatra.

               Voafehy ara-potoana: Misy fe-potoana hanatratrarana ilay tanjona.

Amin’ny maha-mpampianatra anao dia mila manampy ireo mpianatrao ianao mba hametraka tanjona ho an’ny tenany. Afaka manome soso-kevitra mikasika ny tanjona tokony hananany ianao, fa ny tanjona dia tsy mety raha tsy ilay mpianatra no maniry hanatratra izany. Manoro hevitra anareo aho mba hanokana fotoana ahafahan’ireo mpianatra hieritreritra momba izay tiany hohatsaraina sy hanampianao azy mba hahitany tanjona azo tanterahina ary ireo fomba ahafahany hanatratra izany. Afaka milaza izany tanjona izany amin’ireo ray aman-dreniny na olona hafa fantany izy mba hahatonga azy hanao izay ho afany hahatratrarany izany.

Fakafakao/Discuss

1) Amin’ny taranja ampianarinao, tanjona manao ahoana no mety hapetrak’ireo mpianatra?

2) Amin’ny taranja ampianarinao, inona avy no tokony hataon’ny mpianatra mba hivoarany? 3) Fakafakao miaraka amin’ireo mpampianatra hafa izay mampianatra taranja mitovy aminao ny valiny.