17. Fanabeazana amin’ny fiteny roa

“Raha tianao ho tonga lafatra ny fahalalanao dia mianara ireo fiteny rehetra ary aza hadino ny tenin-drazanao.[1]

Ny rafi-pampianarana eto Madagasikara dia mikendry mba hahay fiteny roa ny mpianatra rehefa vita ny fianarany eny amin’ny ambaratonga faharoa. Ireo mpianatra izay mahavita ny fianarana eny amin’ny ambaratonga faharoa dia tokony hahavitaHho:

  • Mamaky teny sy manoratra amin’ny teny frantsay.
  • Mamaky teny sy manoratra amin’ny teny malagasy ofisialy.

Raha samy hafa be amin’ny teny malagasy ofisialy ny tenim-paritra eo an-toerana, toy ny amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara dia mila mahay fiteny 3 izany ireo mpianatra.

Fakafakao/Discuss

Araka ny fandinihinao, inona avy ireo olana mikasika ny fiteny izay hatrehan’ireo mpianatra any an-tsekoly eto Madagasikara?

Ny olana amin’ny fiteny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana/Language issues in education

Mino aho fa ny olana ara-pitenenana no antony mahatonga ny maro amin’ireo olana ara-panabeazana eto amin’ity firenena ity.

Ny sasany amin’ireo olana ireo:

  • Maro amin’ireo mpianatra nahavita ny fianarany no tsy mahafehy tsara ny teny frantsay na Malagasy. Misy mahazo izany am-bava fa tsy mahay mamaky teny na manoratra araka ny tokony ho izy.
  • Maro amin’ireo ankizy niala an-daharana no nandao ny sekoly noho ny olana amin’ny fiteny.
  • Ireo mpianatra tratran’ny “dyslexie” sy ireo mpianatra somary votsavotsa dia efa mijaly mianatra fiteny iray ary ny fianarana fiteny faharoa dia tena sarotra amin’izy ireo.
  • Ireo mpampianatra dia mety tsy mahafehy tanteraka ireo fiteny tokony hampiasainy rehefa mampianatra.
  • Ireo mpampianatra taranja hafa dia tsy mihevitra ny tenany ho mpampianatra fiteny, na tsy mahay ny fomba tsara entina mampianatra fiteny.
  • Ilay fomba fampianarana dia mahatonga ireo ankizy hianatra ireo lesony tahaka ny boloky na “perroquet”. Tsy azon’izy ireo akory ny dikan’ireo teny fa ianarany fotsiny hoe ireo no teny tokony hosoratany rehefa mahita fanontaniana misy teny mitovitovy amin’izany izy. Izany hoe ireo mpianatra dia mety afa-panadinana ka handao ny sekoly fa tsy manana fahaiza-manao maro ankoatra ny fitadidiana.
  • Tena sarotra amin’ireo mpianatra ny miampita tanteraka avy amin’ny fanabeazana amin’ny teny malagasy ho any amin’ny fanabeazana amin’ny teny frantsay.
  • Ny fahafehezana ny teny frantsay dia ilaina mba hahazoana asa tsara karama.
  • Maro ireo mpianatra no mampiasa fitenim-paritra izay tsy teny malagasy ofisialy. Izany dia mety hampananosarotra ireo mpianatra amin’ny fanadinana satria mila mampiasa tenim-paritra izay tsy manavanana azy na tsy tiany izy.

Fikarohana mikasika ny fanabeazana amin’ny fiteny roa/Research into bilingual education

Maro ireo fikarohana natao mikasika ny fanabeazana amin’ny fiteny roa[2].

Ny ‘tenin-drazana’ dia ilay fiteny na tenim-paritra ampiasain’ny ankohonana misy ilay ankizy. Eto Madagasikara, ny 0.57% ny Malagasy dia tsy mampiasa teny hafa ankoatra ny teny frantsay, ny 15.82% mampiasa teny frantsay indraindray ary ny 83.61% dia mampiasa teny malagasy isan’andro. Amin’ity toko ity dia heverina fa ny tenim-paritra (fa tsy ny ao Antananarivo) eto Madagasikara no tenin-drazan’ireo mpianatrao. Heverina ihany koa fa ny fiteny faharoa ampianarina dia ny teny frantsay.

Teboka vitsivitsy avy amin’ilay fikarohana:

  • Raha toa ka avadika amin’ny teny hafa ny teny ampiasaina any an-tsekoly mialohan’ny tena hahafehezan’ireo mpianatra ny tenin-drazany dia hiteraka voka-dratsy amin’ny fianaran’izy ireo izany. Tsy mitombona kosa izany raha toa ka ilay fanabeazana amin’ny fiteny roa “à double sens” no ampiasaina.
  • Eo amin’ny 5 -7 taona eo no fanabeazana an-tsekoly ilaina mba ahafehezana ny tenin-drazana.
  • Raha toa ka mahafehy fiteny iray ireo mpianatra dia ho mora aminy ny hahafehy fitenim-pirenena hafa.
  • Ny fomba fampianarana tsara ny fiteny dia tena zava-dehibe amin’ny fahombiazan’ny rafi-pampianarana mampiasa fiteny roa.
  • Mila omena lanja hatrany ny tenin-drazana. Raha misy sekoly milaza hoe ‘ny tenin-drazanareo dia tsy manana ny lanjany’, dia manambara amin’ireo mpianatra fa ilay sekoly dia tsy manome lanja ny kolontsain’izy ireo na ny firazanany, ary ho very ny fahazotoan’ireo mpianatra.
  • Tena sarotra amin’ny mpianatra ny mianatra fiteny iray raha toa ka tsy misy mampiasa izany ny olona iray trano aminy ary toa tsy misy dikany ny hianarany izany. Ireo ankizy eny ambanivohitra dia mety mbola tsy nahita olona miteny frantsay mihitsy ka ho sarotra kokoa amin’izy ireo ny teny frantsay raha oharina amin’ireo ankizy izay manana ray aman-dreny mahay miteny frantsay.

Fomba vitsivitsy afaka hanatanterahana ny fanabeazana amin’ny fiteny roa:

1) Fanabeazana amin’ny teny rano ray: Ny tenin-drazana no fiteny ampiasaina amin’ny fampianarana ny taranja rehetra. Raha mampianatra teny vahiny (ohatra”: Frantsay) dia ny tenin-drazana no entina manazava ireo lesona. Raha eto Madagasikara no hanaovana izany dia hampianarina amin’ny tenim-paritra eo an-toerana avokoa ny taranja rehetra.

2) Ny fanabeazana amin’ny fiteny roa “à double sens”: Misy taranja ampianarina amin’ny teny malagasy ary misy kosa amin’ny teny frantsay. Matetika dia ny Siansa sy ny Matematika no ampianarina amin’ny teny frantsay.

3) Ny fanabeazana amin’ny fiteny roa: Ny fanabeazana dia hatomboka amin’ny tenin-drazana ary afaka taona vitsivitsy dia avadika amin’ilay fiteny faharoa. Raha eto Madagasikara no hanaovana izany dia ny teny malagasy no teny entina mampianatra eny am-panombohana ny fianarana ary avy eo avadika amin’ny teny frantsay izany aty aoriana.

 a) Ny fialana aloha amin’ny tenin-drazana: Ny fanabeazana dia tanterahina amin’ny tenin-drazana mandritra ny 1-2 taona. Izany dia ampy hampivelarana ny fahaizan’ireo mpianatra mifanerasera amin’ilay teny. Avy eo avadika amin’ilay fiteny faharoa. Ny fikarohana dia maneho fa tsy mahomby izany fomba izany.

 b) Ny fijanonana ela amin’ny tenin-drazana: Ny fanabeazana dia tanterahina amin’ny tenin-drazana mandritra ny 5-7 taona. 5-7 taona no fe-potoana ilaina hampivelarana ny fahaizana mamakafaka ireo zavatra ianarana amin’ilay fiteny. Rehefa afaka izany dia avadika amin’ilay fiteny faharoa ny teny entina anabeazana.

Karazana «méthode » iray amin’ireo voalaza etsy ambony ireo no ampiasaina eto Madagasikara. Mino aho fa ny safidy 2) na 3b) no mety indrindra amin’ny fanabeazana eto.

Fakafakao/Discuss

1) Mitovitovy ve ny teny malagasy ofisialy sy ny tenim-paritra ampiasaina any amin’ny toerana misy anao ka samy afaka antsoina hoe ‘tenin-drazana’ avokoa?

2) Manao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra ao amin’ny sekoly misy anao manoloana ny fianarana ny teny malagasy ofisialy?

3) Inona no ataonao mba hananan’ireo mpianatrao fahalalana ampy ny teny malagasy ofisialy izay ilaina hiatretrahana ny fanadinana?

Ny fomba fampianarana fiteny mahomby/Effective language teaching

Na inona na inona no rafitra ampiasain’ny sekoly misy anao, afaka mitondra fiovana lehibe ho an’ireo mpianatrao ianao raha mampianatra azy ireo fiteny iray amin’ny fomba mahomby. Afaka ny hahomby ireo mpianatrao na dia tsy ny rafitra tsara indrindra aza no ampiharina.

Tokony ho azonao an-tsaina fa mpampianatra fiteny (langue) ianao.

Mpampianatra fiteny ianao.

Hevitra vitsivitsy mikasika ny fampianarana fitenim-pirenena:

1) Ataovy izay hampazoto ireo mpianatra hianatra fiteny:

a) Ataovy sary an-tsaina hoe handeha any an-tsekoly ianao ary lazaina aminao fa ny fiteny ampiasain’ny ray aman-dreninao dia tsy misy dikany ary fandaniam-potoana fotsiny ny fianarana izany. Tsy hazoto hianatra ianao! Omeo lanja foana ilay tenin-drazan’ireo mpianatra, na tsy mampianatra amin’izany fiteny izany aza ianao.

b) Ampio ireo mpianatra mba hahazo ny antony mila hianarany ilay fiteny. Ny teny malagasy ofisialy dia ianarana satria ilain’ireo mpianatra izany amin’ny fiatrehany fanadinana ary ampiasaina matetika izany amin’ny lahatsoratra, “télévision” ary “radio”. Ny teny frantsay dia tsy maintsy ianarana satria izany no hahafahan’ireo mpianatra manohy fianarana any amin’ny ambaratonga faharoa sy hahazoany asa handraisany karama mihoatra ny karama ambany indrindra.

c) Ataovy mahafinaritra ny fianarana izany. Manaova kilalao mikasika ny fiteny, toy ny Fady (jereo ny toko mikasika ny “apprentissage actif”) na ataovy mandray anjara mavitrika amin’ny lesona ireo ankizy mba hampitombo ny fahazotoany.

2) Manaova ezaka mba tena hahaizanao ilay fiteny ampiasainao rehefa mampianatra. Aza menatra raha toa ka mbola tsy tena voafehinao izany amin’izao fotoana izao, fa katsaho ireo tombotsoa rehetra izay ahafahanao manatsara ny fahaizanao ireo teny ampiasainao:

  • Ampiasao amin’ny fividianana “dictionnaire” ny volanao.
  • Mamakia boky na gazety izay hitanao tsara.
  • Mamonje ireo fianarana “langue” izay ampianaran’ireo olona mahay izany indrindra ao amin’ny fiaraha-monina na sekoly misy anao.
  • Manaova “cours” any amin’ny Alliance Française izay manolotra fampianarana tena tsara.

3) Omeo lanja ny tenin-drazana. Ny fikarohana dia maneho fa ny fanomezana lanja ambony an’ilay tenin-drazana dia hampivoatra ireo fiteny rehetra ianaran’ireo mpianatra

4) Manaova “devoir de groupe” mandritra ny lesona. Asaivo miaraka mifanakalo hevitra momba ireo valim-panontaniana amin’ilay teny ianarany izy ireo.

5) Manokana fotoana lavalava hampitenenana ireo mpianatra ao an-dakilasy. Ireo mpianatra dia mila mahavita miresaka mikasika ilay zavatra ianarana mialohan’ny hahafahany manoratra mikasika izany.

6) Raha mampianatra amin’ny fiteny faharoa izay tsy tena hain’ireo mpianatra ianao dia hampifandraiso amin’ilay tenin-drazana ireo teny ampiasainao.

Raiso sary an-tsaina hoe manome lesona tahaka io fehezanteny manaraka io ho an’ireo mpianatra ianao:

               Ik weet dat de zee blauw is.

Ampio ireo mpianatra mba hampifandray ireo lesona amin’ny teny frantsay amin’ny tenin-drazany. Afaka manao toa izao ianao:

Ireo mpianatra dia mahafantatra fa ‘Ik’ dia midika hoe ‘izaho’. Ampifandraiso ireo teny frantsay (izay ianaran’ireo mpianatra) sy ireo teny malagasy. Mety mila mampianatra ny dikan’ireo teny amin’ny teny malagasy ihany koa ianao. Na dia nianatra tsianjery ireo fehezanteny amin’ny teny frantsay aza ireo mpianatra somary votsavotsa dia sady nianatra teny frantsay ihany izy tao anatin’izany.

Ireo efa mahay tsara ny teny frantsay dia afaka ny hahazo tsara ireo fanazavana teny vaovao amin’ny teny frantsay fa ireo izay mbola vao manomboka mianatra izany dia ho sahirana.

7) Ny lesona mikasika ny fiteny dia tokony hampavitrika (active). Asaivo manao zavatra iray amin’ilay teny ianarany ireo mpianatra. Ohatra: Asaivo manoratra fanazavana iray amin’ny fomba hafa izy ireo, mampiasa teny hafa na “stucture grammaticale” hafa. Asaivo mamorona tantara fohifohy mikasika lohahevitra iray ny tarika iray. Na asaivo mitady ny valim-panontaniana marina mahakasika fanontaniana iray “en groupe” ireo mpianatra. Na ampiasao ireo “technique d’apprentissage actif” hafa izay ato amin’ity boky ity.

8) Asaivo manamboatra “dictionnaire” kely momba ilay taranja izay ahitana ireo teny rehetra ilainy amin’ilay taranja ampianarinao ireo mpianatra. Ilay “dictionnaire” dia tokony hisy:

  • Teny Malagasy.
  • Ny famaritana ireo teny amin’ny teny malagasy.
  • Teny Frantsay (raha ampianarina amin’ny teny frantsay ny lesona).
  • Ny famaritana ireo teny amin’ny teny frantsay (raha ampianarina amin’ny teny frantsay ny lesona).

9) Raha toa ka misy mpianatra vao manomboka mianatra amin’ny teny frantsay, fantaro fa ny ankamaroan’ny asanao dia hirona amin’ny fampianarana ilay teny satria ny ankamaroan’ny mpianatrao dia tsy hahay firy ny teny frantsay. Raha miezaka mampianatra izany teny izany ianao dia hohitan’ireo mpianatra mora kokoa ny fianarana ilay taranja.

10) Asaivo miteny mafy ireo mpianatra rehefa mamaky teny. Mandraisa teny iray na roa izay tsy notononiny araka ny tokony ho izy ary ampio izy ireo mba hanatsara ny fanononany izany. Na asaivo mitady teny iray na roa diso fanononana izay mila hahitsin’izy ireo ny mpianatra mihaino azy.

11) Mampiasa “évaluation formative” hijerenao ny fahazoan’ireo mpianatra ilay fiteny. Aza kivy raha tsy azon’ireo mpianatra ny teninao, fa manana faharetana ary ampio izy ireo mba hahay ny “base”.

12) Mampiasa ohatra izay afaka ampifandraisin’ireo mpianatra amin’ny zavatra efa hitany rehefa mampianatra fiteny. Raha misy ohatra toa ity manaraka ity amin’ireo boky fampianarana: ‘Tamin’izaho tany Paris dia nitsidika ny Tour Eiffel aho’, dia ovao zavatra izay fantatr’ireo ankizy eto Madagasikara izany. ohatra ‘Tamin’izaho tany Toamasina dia nitsidika ny “plage”’. Matetika dia mety ho sarotra raisina ireo ohatra anatin’ny boky fampianarana satria efa sady miady mafy mba hahazo ilay tenim-pirenena vaovao ireo mpianatra no mbola miresaka zavatra tsy mbola hitany na niainany ilay teny ao.

13) Raha sady mampianatra amin’ny teny malagasy ofisialy ianao no mampiasa ny tenim-paritra, ampahafantaro ireo mpianatra mazava tsara raha toa ka mampiasa teny malagasy ofisialy ianao.

14) Tadidio fa tsy ny mpianatra rehetra no manana fahitalavitra, “video” na “radio” izay ahafahan’izy ireo mandre ny teny malagasy ofisialy. Afaka ny manokana fotoana ianao aorian’ny ora fianarana, fotoana izay ahafahan’ireo mpianatra mihaino “radio” na mijery “video” amin’ny teny malagasy.

15) Aoka mba ny fahazoana ilay teny no tena hifantohana fa tsy ny fitadidiana lesona fotsiny.

16) Raha azo atao, asaivo mamaky boky ireo mpianatra. Ny fanaovana vakiteny tsy tapaka dia mampivoatra tokoa ny fahaizana tenim-pirenena. Ny fanaovana vakiteny be dia be dia tena zava-dehibe raha tiana hahay ilay fiteny ireo mpianatra.

17) Raha mampianatra mpianatra mampiasa tenim-paritra samihafa ianao dia izy ireo no asaivo mampianatra anao. Anontanio azy ny fomba hitenenany zavatra iray amin’ny tenin-drazany ary ampitahao amin’ny tenim-paritra hafa izany.

18) Tsara raha afaka mampianatra teny frantsay ireo ray aman-dreny ianao.

Fanontaniana/Questions

1) Manao ahoana ny fahaizanao ny teny ampiasainao rehefa mampianatra?

2) Ahoana no hampivoaranao ireo teny ampiasainao rehefa mampianatra?

3) Ahoana no hanovanao ireo lesona ampianarinao mba hanampianao ireo mpianatra mba hahay fiteny (langue) bebe kokoa?


[1] Nalaina avy tamin’ny “Publication royal médiévale norvégienne” Konungs skuggsjá tamin’ny taona 1200 taorian’i Jesosy Kristy

[2] ‘Ireo olana amin’ny politika mikasika ny fiteny eto Madagasikara’, nosoratan’i Oyvind Dahl izay miresaka momba ireo fikarohana mifantoka amin’i Madagasikara https://vid.brage.unit.no/vid-xmlui/bitstream/handle/11250/162102/OD_Linguistic_policy.pdf  notsidihina tamin’ny Jolay 2021. Raha te-handalina bebe kokoa mikasika izany ianao dia jereo ny momba ny rafi-pampianarana eto Madagasikara sy any Philippines.