Misy sekoly iray any amin’ny faritra avon’ny “Malaisie”, any amin’ny toerana mitoka-monina, mitovy amin’ny faritra ambanivohitra eto Madagasikara. Ireo olona any dia be fitiavana, mahafinaritra ary manan-karena. Izy ireo dia nahazo fanabeazana tsara ary manana fahefahana eo anivon’ny fanjakana misy azy ireo na dia lavitra ny misy azy ireo aza izany.
Ny fahombiazany dia avy amin’ny zavatra roa: Voalohany, ny finoana kristiana izay nanafaka azy ireo tamin’ny fisotroan-toaka sy ny fady izay miteraka zava-dratsy; ary faharoa, ny fitiavany ny fanabeazana. Talohan’ny nananganana sekoly tany dia misy ankizy tsy maintsy mandeha dian-tongotra mandritra ny herinandro mba hamonjy ny sekoly ambaratonga faharoa, saika mipetraka any foana izy ireo mandritra ny taona. Tamin’ny fotoana nandehanako tany dia tonga dia hitako fa nomen-danja tokoa ny fanabeazana.
Ilay sekoly ambaratonga faharoa dia nisy zaridaina mahafinaritra lafatra dia lafatra. Ilay mpikarakara izany dia nampiseho anay ny manodidina ary nanazava fa ireo tanàna tsirairay any dia samy manana andraikitra amin’ny ampahan’ny sekoly avokoa. Misy mponina avy amina tanàna iray mikarakara ny efitrano fianarana; ny sasany mikarakara ny tokontany.
Ireo mponina tao dia tena liana mafy amin’ny fanabeazana ny zanany ary vokatr’izany dia niasa mafy ary nahomby ireo mpampianatra sy mpianatra. Ary io sekoly lavitra be io no anisan’ny nahazo ireo vokatra tsara indrindra tany Malaisie.
Manerana izao tontolo izao, ireo firenena izay manome lanja ary manao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny fanabeazana dia mahomby kokoa. Ireo Filipiana izay firenena mitovy amin’i Madagasikara dia tena manome lanja ny fanabeazana. Izany dia manome azy ireo ny fahaiza-manao ahafahany miasa maneran-tany ka andefasany vola any amin’ny fianakaviany. Maro amin’ireo mponina any Asie no mahita fa tena zava-dehibe ny fanabeazany ny zanany mba hahafahan’izy ireo ho tonga dokotera, “ingénieur” na “dentiste”.
Fakafakao/Discuss
1) Ahoana no fomba hampandraisantsika anjara ireo olona tsotra avy amin’ny fiaraha-monina amin’ny fampivoarana ny sekoly eto Madagasikara?
2) Inona no mety ho fahasamihafana hiseho raha mandray anjara amin’ny sekoly ny fiaraha-monina?
3) Inona no mety ho vato misakana amin’ny fandraisan’anjaran’ny fiaraha-monina?
Fandraisan’ny ray aman-dreny andraikitra/Parental involvement
Matetika dia mora amiko ny mamantatra hoe iza amin’ireo ray aman-dreny no ho avy hihaona amiko amin’ireo “porte ouverte”. Raha hendry, mazoto mianatra ary manao ezaka araka izay vitany ireo mpianatra dia ho avy handalo ireo ray aman-dreniny. Raha maditra ilay ankizy, tsy mba manao enti-mody mihitsy ary toa te ho any an-toeran-kafa foana fa tsy te hijanona ao an-tsekoly dia ho any an-toeran-kafa koa ireo ray aman-dreniny.
Ireo ray aman-dreny izay mihevitra ny fanabeazana dia matetika manan-janaka izay mahomby amin’ny fianarana. Satria maro amin’ireo fahaiza-manao sy fahalianan’ireo ankizy no nianarany avy tamin’ireo ray aman-dreniny. Misy ray aman-dreny milaza fa tsy misy asa ho an’ireo ankizy nianatra. Tsy hoe tsy mahita asa izy ireo anio dia tsy misy ny asa na tsy hisy asa mihitsy amin’ny ho avy. Ary misy ankizy hanangana raharaham-barotra ho an’ny tenany ary hamokatra asa maro vaovao, na hampiasa ny fanabeazana azony mba hampahomby bebe kokoa ireo raharaham-barotra efa misy.
Inona no azon’ny sekoly atao hanampiana ireo ray aman-dreny mba ho taitra amin’ny fanabeazana/How can schools help parents get excited about education?
- Manaova “porte ouverte” na “soirée d’information” ho an’ireo ray aman-dreny, izay hanasana ny ray aman-dreny rehetra mba hanatrika. Mandritra izany ianao dia afaka:
- Mizara momba ny zavatra ianaran’ireo mpianatra.
- Mizara ny vaovaon’ny sekoly sy ny fahombiazana.
- Mizara ireo daty manan-danja amin’ny sekoly.
- Mizara ireo tantaram-pahombiazan’ireo mpianatra efa nianatra tao amin’io sekoly io taloha.
- Mampahery ireo ray aman-dreny mba handefa ireo zanany an-tsekoly foana.
- Mampahery ireo ray aman-dreny mba haneho fahalianana amin’ny zavatra ianaran’ireo mpianatra, ohatra: Asaivo manasa ny zanany mba hampianatra azy ireo zavatra ianarany ireo ray aman-dreny, na manontany azy izay zavatra nianarany.
- Ataovy mahafinaritra izany, asio fialam-boly raha mety, mba hahatonga ny ray aman-dreny haniry ny ho avy.
- Ny “bulletin” : Tsy tokony ho naoty sy teny fanamarihana iray fotsiny no voasoratra ao. Ireo mpampianatra dia tokony hilaza zavatra tsara momba ny mpianatra sy izay zavatra mila hohatsaraina. Izany dia midika fa mila maka fotoana hahafantaranao ny tanjaka sy fahalemen’ilay mpianatra ianao. Hahafaly ireo ray aman-dreny ny fahitany zavatra tsara mikasika ireo zanany na dia tsy tanteraka aza izy ireo.
- Ny fivorian’ny ray aman-dreny dia tombotsoa iray hiresahana amin’ireo ray aman-dreny (matetika amin’ireo mpianatra) mikasika ny fandehan’ny fianarany, hampaherezana azy ireo mba handroso foana ary hanolorana azy hevitra mba hivoarany. Izany dia tombontsoa iray hanampiana ireo ray aman-dreny mba hahazo ny lanjan’ny zavatra ataon’ireo zanany. Na dia tena ratsy aza ny mpianatra iray dia mila mijery fomba hivoarany ary mitady izay zavatra hainy ianao.
- Ampandraiso anjara amin’ny sekoly ireo ray aman-dreny, izany dia hampitombo ny fahavitrihany amin’ny zavatra ataon’ny sekoly. Fa tsy ny ray aman-dreny rehetra no hanana fotoana hanaovana izany. Ohatra :
- Asaina manatona ny sekoly ireo ray aman-dreny ary mampianatra ireo zavatra izay ananany traikefa.
- Mikojakoja ny efitrano fianarana.
- Mamboly ary mikojakoja hazo fihinam-boa ao amin’ny tokontanin’ny sekoly.
- Miompy akoho ao amin’ilay sekoly ho tombontsoan’ireo mpianatra.
- Manofana ireo mpianatra amin’ny baolina kitra na fanatanjahantena hafa.
- Raha tsy afaka mandoa saram-pianarana ireo ray aman-dreny, mitadiava fomba hahafahan’izy ireo manampy ny sekoly ho solon’izany! Ny tsy fahafahany mandoa izany dia matetika noho ny tsy fananan’asa. Afaka manampy amin’ny fikojakojana ny sekoly, na miasa any an-dakozia na tokontany mandritra ny andro vitsivitsy ve izy ireo? Misy sekoly iray nividy tany, lavitra ny sekoly. Ireo ray aman-dreny izay tsy afaka mandoa ny saram-pianarana dia miasa tany iray andro na roa volana ho solon’izany. Ny sakafo azo avy amin’izany dia atao sakafon’ny ankizy any an-tsekoly. Amin’izay dia tsy misy manadala hoe ‘mahantra’ ireo ankizy, ilay tany fambolena dia ivelan’ny toerana misy ny sekoly ary ny fanampiana ireo ray aman-dreny dia tsy atao ampahibe-maso.
- Raha misy vola aloa amin’ny fanabeazana dia ho liana kokoa amin’izany ny olona. Raha tsy maintsy hampiasa ny volany amin’izany ny olona, dia midika izany fa manome lanja ilay fanabeazana izy. Fa tena zava-dehibe ihany koa anefa ny fanomezana fahafahana hianatra ho an’ny olona tena tsy manam-bola.
- Rehefa vita ny fanadinana an-dakilasy dia omeo ny mpianatra entiny mody ilay taratasim-panadinana ary averina miaraka amin’ny sonian’ny ray aman-dreny avy eo. Ny fahalalan’ny ray aman-dreny ny fandehan’ny fianaran’ny zanany dia tena zava-dehibe tokoa.
Inona no tokony hataon’ireo ray aman-dreny ao an-tokantrano mba hampiseho ny fahalianany amin’ny fanabeazana/What should parents do at home to show interest in education
- Manontany amin’ny an-tsipiriany ny tontolo andron’ireo ankizy tany an-tsekoly, ohatra ‘Inona avy ny taranja nataonareo? Inona no zavatra nianaranao tamin’ny matematika? Afaka manome ahy ohatra “équation” novahanao ve ianao?’
- Miresaka amin’ireo zanany mahakasika ny fanadinana nataony na ny “bulletin” voarainy. Derao izy amin’ireo zavatra tsara ary ampaherezo mba hanao tsaratsara kokoa amin’izay zavatra nampananosarotra azy.
- Ampio ireo mpianatra mba hanana faniriana ambony. Izany akory tsy midika hoe voatery ovaina ny raharaham-barotry ny fianakaviana (ohatra: fambolena) fa kosa mety hoe hampiasa ny fahalalana noratoviny izy mba hanatsarana izany.
- Asaivo manokana fotoana hamerenana izay zavatra nianarany ireo ankizy rehefa any an-trano. Omeo fotoana ahafahany mifantoka izy ao an-trano mba hianarany.
- Manana fomba fijery tsara mahakasika ny fanabeazana foana, na dia tsy dia nahita fianarana firy aza ianao.
- Mamaky boky ho an’ireo ankizy madinika. Mety afaka manokatra trano famakiam-boky ahitana boky ho vakin’ny ray aman-dreny ny sekoly?
- Tokony hampianatra ireo zavatra hainy an’ireo zanany ireo ray aman-dreniny.
- Mampirisika ireo ankizy mba hamaky boky.
Misy ankizy tsy taizan’ny ray aman-dreniny. Amin’ny toe-javatra toy izany dia tokony hampandraisinao andraikitra tahaka ny ataonao amin’ny ray aman-dreny ireo mpitaiza.
Ny fandraisan’anjaran’ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina amin’ny sekoly dia samy afaka mitondra fivoarana lehibe amin’ny vokatry ny sekoly.
Fanontaniana/Questions
- Manao ahoana ny fomba fijerin’ny fiaraha-monina sy ny ray aman-dreny ny fanabeazana?
- Ahoana no fomba hanatsaran’ny sekoly ny fifandraisany amin’ny fiaraha-monina?
- Inona no dingana hataonao mba hanatsaranao ny fifandraisanao amin’ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina amin’ny maha-mpampianatra anao?
- Resaho amin’ny lehiben’ny sekoly misy anao ny hevitra hitanao ho manan-danja.