“Raha manao drafitra haharitra ho an’ny taona iray ianao, mamafaza voa. Raha tianao haharitra folo taona, mambole hazo. Raha tianao haharitra arivo taona, ampianaro ny olona. Raha mamafy voa indray ianao, vokatra iray monja no hojinjainao. Raha mampianatra ireo olona ianao dia hijinja vokatra aman-jato.” Kuan Chung
Fakafakao/Discuss
1) Ahoana ny fomba hanomananao ny lesona ampianarinao amin’izao?
2) Fitsikerana: Inona no hitanao mahomby amin’ny fomba fanomananao lesona?
3) Fitsikerana: Inona no afaka hatsaraina amin’ny fomba fanomananao lesona?
I Mr Rakoto dia tara kely vao tonga tao am-pianarana rehefa avy nankafỳ ny fotoana fisakafoanany. Tsy tena azony antoka hoe aiza no kilasy hampianariny fa izany dia tsy nahataitra azy. Rehefa avy nampiditra ireo mpianatra izy dia nanontany ny iray tamin’ireo mpianatra ny zavatra nataon’izy ireo tamin’ny lesona nampianariny farany. Nieritreritra kely izy ary afaka minitra vitsivitsy dia nanapa-kevitra ny hanao soratononina ny lesona mikasika izany lohahevitra izany. Nihodikodina kely teo ny lesona ary lasa lava kokoa noho ny tokony ho izy, fa tsy maintsy nandany ora iray izy. Rehefa vita ny soratononina dia tapitra ilay lesona.
Tonga alohaloha kely i ramatoa kely Clare, ary nanoratra fanontaniana hitarihana ilay lesona sy hampieritreretana ireo mpianatra rehefa eo am-pidirana izy ireo. Ireo mpianatra dia niresaka momba ireo fanontaniana ary ramatoa kely Clare dia nanoratra ireo hevitra lehibe voalazan’izy ireo. Nasainy nadikan’izy ireo izany, ary avy eo nampiasainy ilay lesona voafintimpitina tany aminy mba hampianarana izay zavatra tokony ho hain’izy ireo. Avy eo dia nomeny fanontaniana fito mahakasika ilay lohahevitra izy ireo, fanontaniana dimy mitaky fitadidiana na fahazoana ilay lesona ary fanontaniana roa izay hampieritreritra lalina kokoa an’izy ireo. Aloha kely ny fifaranan’ny lesona dia niresaka momba ireo valim-panontaniana ireo mpianatra.
Fakafakao/Discuss
1) Iza amin’ireo lesona etsy ambony ireo no tsara kokoa? Nahoana?
2) Iza amin’ireo no voaomana bebe kokoa? Nahoana?
Ny fanomanana tsara dia midika fa hanana lesona mahomby izay hampahay ny mpianatra ianao. Ny tsy fahampian’ny fanomanana dia midika fa ho very fotoana ilay kilasy ampianarinao, tsy hazava ny lesona ary kely no ho voarain’ireo mpianatra.
Misy fanomanana karazany roa:
- Ny fanomanana drafitra lavitr’ezaka (répartition à long terme) izay hanomananao ny ambangovangon’ilay taranja ampianarinao.
- Ny fanomanana drafitra ho an’ny herinandro vitsivitsy izay hanomanana ny lohahevitra na ny fe-potoana hanaovana izany.
- Ny fanomanana drafitra fohy ezaka (répartition à court terme) izay hanomananao ny zavatra hitranga amin’ny lesona tsirairay.
Ny fanomanana drafitra lavitr’ezaka/Long term planning
Ny fanomanana drafitra lavitr’ezaka dia ilay fandaminanao ny fotoana hampianaranao ireo fizaran’ny taranja manontolo.

Ity manaraka ity dia fitsinjaran’asa lavitr’ezaka ho an’ny fampianarana siansa iray nataoko:
Fanaovana drafitra maharitra na lavitr’ezaka/Making a long term plan
Mba hanaovana drafitra maharitra dia fantaro ny fotoana anananao mba hampianarana ilay taranja. Avy eo, raiso avokoa ireo lohahevitra rehetra amin’ilay taranja, ary ampidiro amin’ireo fotoana izay anananao hampianarana. Asio herinandro vitsivitsy ambiny amin’ny farany mba hanaovana famerenana na ho an’ireo fotoana tsy ampoizina hikatonan’ny sekoly.
Raha mampianatra programa izay vaovao aminao ianao, ampiasao izay fizotrin’ny programa namboarin’ny namana mpiara-miasa aminao ho anao, na zarazarao isaky ny lohatenin-desona lehibe ilay programa. Raha manana boky fampianarana ianao dia afaka ampiasainao ireo lohateny lehibe izay voasoratra ao amin’ny fanehoam-pejin’ilay boky mba hanampy anao hizarazara ilay programa.
Aoka hahay hifanaraka amin’ny zava-misy (flexible) ianao. Ny tiana hambara dia mety hisy lohahevitra hitaky fotoana lavalava kokoa noho izay noeritreretinao, ny sasany mety hila fotoana fohifohy kokoa. Fa na izany aza dia tokony hitandrina mba tsy ho tara loatra ianao fa hahararaka ny fandaharam-potoananao, raha tsy izany dia mety tsy ho vitanao ny programa. Adidinao manoloana ny mpianatrao ny famitanao ny programa.
Tokony hijery miandalana ny drafitra maharitra nataonao hatrany ianao mba ho azo antoka fa tsy ho tara ianao. Raha manana fotoana hitsapana ny fahaizan’ireo mpianatrao momba ilay taranja ampianarinao ianao mialohan’ny hampianarana azy ireo, dia hanampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hianaran’izy ireo izany.
Ny fanomanana drafitra ho an’ny herinandro vitsivitsy/Medium term planning
Ity fanomanana drafitra iray ity dia ahafahanao manomana lesona hataonao anatin’ny herinandro vitsivitsy, na hanomananao lohahevitra lehibe iray.
Amin’ity drafitra ho an’ny herinandro vitsivitsy ity dia manao lamina fohifohy ho an’ny lesona tsirairay ianao. Mifidiana lohatenin-desona iray, ary manorata hevitra vitsivitsy mahakasika izay zavatra mety hataonao amin’ireo lesona tsirairay ireo.
Raisintsika ohatra ny mety ho drafitra ampiasaina amin’ity fampiofanana ity :
Lohatenin’ny lesona | Activité | |
1 | Fampidirana, ny fomba fampianarana tsara sy fomba hanovozan’ny olona fahalalana. | Resaka hitarihana ireo mpianatra mba hieritreritra. |
2 | Inona avy ireo zavatra afaka ampianarina any an-tsekoly. Ny fomba hianaran’ny olona. Ny “apprentissage actif”. | Mijery ireo tarigetran’ny sekoly. Ankihibe. Modelin’ny “circuit electrique”. |
3 | Sokajin’i Bloom sy ny momba ny fiteny sy ny fianarana. | Fampidirana ny sokajin’i Bloom ary mandahatra ireo karatra. Enti-mody- ny sahanasa avy amin’ny sokajin’i Bloom. Miresaka momba ireo olan’ireo mpianatra amin’ny resaka fiteny. |
4 | Fahasarotana ara-pianarana. | Manaraka izay voalaza ao amin’ny boky fampianarana. |
5 | Fitsapam-pahaizana. | Manaraka izay voalaza ao amin’ny boky fampianarana. |
6 | … | … |
Fanomanana drafitra lesona tsirairay/ Planning individual lessons
Ny fanomanana drafitra lesona tsirairay, na laharana lesona maromaro mikasika lohahevitra iray dia hampahomby bebe kokoa ny lesonao. Raha sambany manomana lesona ianao dia mety hitaky fotoana lavalava izany satria hieritreritra lalina momba ireo lafiny isan-karazany mahakasika ilay lesona hampitainao rehetra izay mety mbola tsy noeritreretinao taloha ianao. Fa rehefa zatra kokoa manao fanomanana ianao dia ho haingana kokoa izany.
Activité/Activity
Amin’ny pejy manaraka eo dia hisy modely afaka hampiasainao hanomanana lesona iray na laharana lesona maromaro. Diniho ireo fizarana rehetra:
a) Inona no asany?
b) Inona no maha-zava-dehibe izany?

Ity manaraka ity dia famakafakana ireo fizarana ao amin’ilay taratasy misy drafitra fanomanana lesona etsy ambony. Hanome ohatra mikasika ny lesona azonao ampianarina mikasika ny sakafo (nutrition) aho.
Lohatenin’ny lesona: Lohateny izay mamehy ny lesona, ohatra ‘Nutrition’.
Tanjon’ny lesona“différenciée”: Inona avy ireo hevi-dehibe tokony ho hain’ireo mpianatra amin’ilay lesona. Tokony ampiasainao izany mba hitsapana ny fahazoan’izy ireo ny lesona amin’ny faran’ny lesona rehetra.
Tanjon’ny lesona ratsy: Mampianatra momba ny “nutrition”
Tanjon’ny lesona tsara:
Mpianatra rehetra: Inona no sakafo mitondra proteinina, carbohydrate”, “corps gras”, mineraly ary vitaminina?
Ny ankamaroan’ny mpianatra: Inona no atao hoe proteinina, “carbohydrate”, “corps gras”, mineraly ary vitaminina ary nahoana no ilaina ireo?
Ny endrikendriky ny sakafo ara-pahasalamana.
Ny mpianatra mahay indrindra: Ahoana no hanaovany ny sakafo fihinany mba ho ara-pahasalamana kokoa izany?
Ratsy ny tanjon’ny lesona raha toa ka tsy mazava ny zavatra tena tiana hampianarina amin’ilay lesona. Ny tanjon’ny lesona tsara dia “différenciée”ary mampiseho mazava izay zavatra tokony ho hain’ireo mpianatra rehefa vita ny lesona. Rehefa voasoratrao mazava tsara ireo tanjon’ny lesona dia ho mora aminao ny hanomana izany
Inona no tokony ho fantatry ny mpianatra mialohan’ny hanaovana ity lesona ity: Amin’ity fizarana iray ity dia tokony hieritreritra ireo zavatra tokony ho hain’ireo mpianatra mba hahafahany mianatra ilay lesona vaovao hampianarinao ianao. Tena zava-dehibe izany satria matetika dia mila hampahatsiahivina ireo mpianatra ireny fahalalana ireny mialohan’ny hanombohana ilay tena lesona.
Ho an’ity lesona mikasika ny “nutrition” ity, mety hanoratra aho hoe: ‘Mahafantatra karazana sakafo samihafa’.
Afaka mampatsiahy izany fahalalana izany ianao amin’ny alalan’ny fanontaniana ireo mpianatra ireo karazana sakafo rehetra ao an-dohany.
Afaka mandinika ny fomba ampidiranao io lesona io amin’ilay lohahevitra manontolo izay hampianarinao ihany koa ianao.
Fitaovana ilaina: Mila mitondra boky manokana na fitaovana ve ianao amin’io lesona io?
Fahasarotana ara-pianarana: Ahoana no hanampianao ireo mpianatra manana fahasarotana ara-pianarana? Mety hanoratra ianao hoe: ‘Resaho Theo mba hivoaka handehandeha kely rehefa manomboka tsy tafapetraka fa mipelipelika izy’, na ‘manao “photocopie” ny lesona ho an’i Roxanna’.
Teny: Inona avy ireo teny mbola vaovao ho an’ireo mpianatra. Aza hadino ny manazava ireo teny vaovao tsirairay ireo, asaivo manonona ilay teny ny mpianatra tsirairay ary afaka adikan’izy ireo any amin’ny “cahier de vocabulaire” any aminy izany. Tadidio fa sarotra ny mianatra ny dikan’ny teny iray raha tsy hainao ny manonona izany. Matetika ny mpampianatra “langue” dia manome lisitra misy ireo teny tsy maintsy hianarany ireo mpianatra aorian’ny lesona rehetra.
Raha ho an’ity lesona momba ny “nutrition” ity dia mety hoe : ‘proteinina, “carbohydrate”, “corps gras”, mineraly ary vitaminina’.
Tanjona ara-pitondran-tena: Misy fitondran-tena tianao ampianarina ireo mpianatra ve? Mety hoe tianao mba hianatra hihaino ny valin-teny omen’ny namany ireo mpianatra na hoe mila hatsaraina ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny asa tarika.
Drafitry ny lesona: Eto no hanoratanao izay ho fandehan’ny lesona.
Rehefa manao drafitry ny lesona ianao dia aza hadino ny mametraka fanontaniana amin’ny tenanao hoe inona no hataon’ireo mpianatra mandritra izany? Eritrereto izay hataonao mba hahatonga ireo mpianatra handray anjara amin’ilay lesona.
Ohatra drafitra lesona azo atao:
Fanombohana (5min): Asaivo ‘mieritreritra karazana sakafo faran’izay maro’ fantany ireo mpianatra. Soraty amin’ny solaitra be ireo sakafo lazain’izy ireo. (Ny antsasaky ny solaitra be ihany ampiasaina satria hijanona eo mandritra ny lesona manontolo izany)
Votoatiny 1 (15 min): Manazava ny tanjon’ny lesona. “Prise de note active”: Manazava ny atao hoe proteinina, “carbohydrate”, “corps gras”, mineraly ary vitaminina ary nahoana no ilaina ireo. Atao azo antoka fa hain’ireo mpianatra ny manonona ireo teny ireo. Mampiasa ireo lesona ao amin’ny kahie leson’ny mpampianatra. Manontany ireo mpianatra ireo hevi-dehibe ary manoratra izany eny amin’ny solaitra be mba hahafahan’ireo mpianatra somary votsavotsa mandika izany.
Votoatiny 2 (10 min): “Apprentissage par découverte” (fomba fianarana izay hikarohan’ny mpianatra fa tsy tolorana fotsiny): Isaky ny manonona sakafo iray ny mpampianatra dia manontany ireo mpianatra raha proteinina/ “carbohydrate”/“corps gras”/mineraly/vitaminina no azo avy amin’izany. Mifidy avokoa ireo mpianatra rehetra: ankihibe manondro ambony/manondro ambany. Amin’ny voalohany dia ho maro ireo diso fa amin’ny farany dia hahay hamantatra izany bebe kokoa izy ireo. (ohatra: ny hena rehetra dia misy proteinina).
Votoatiny 3 (5 min): Manorata lesona mikasika ireo fahalalana azon’ireo mpianatra avy amin’ilay “activité” natao teo. Ireo mpianatra mandika izany. Ohatra: Ny hena rehetra dia misy proteinina. Ny legioma rehetra dia misy vitaminina sy mineraly. Ny vary sy ireo “céréale” rehetra dia misy “carbohydrate”.
Votoatiny 4 (10 min): Manazava fa ny sakafo ara-pahasalamana dia misy proteinina,“carbohydrate”, “corps gras”, mineraly ary vitaminina. “Penser – Apparier – En groupe de 4 – Partager” (TPSS): Tahaka ny ahoana ny sakafo ara-pahasalamana?
Asongadino fa raha vary fotsiny no hohanina dia “régime alimentaire” tena tsy mety izany. Tsara kokoa raha ampiarahana amin’ny tsaramaso ny vary. Raha toa ka misy ankohonana tsy manam-bola ampy ividianana sakafo ara-pahasalamana dia tsara raha asiany ananambo maina manta voatoto iray sotro amin’ny sakafo hohaniny isan’andro. Ny ananambo dia sakafo tsy dia malaza nefa tena be vitaminina sy mineraly. Ho an’ireo manan-katao, tsara raha atao maro karazana ny sakafo, tena tsara raha misy karazana sakafo miloko samihafa eo amin’ny lovianao. Ny Malagasy manan-katao dia tokony hinana voankazo sy legioma 50%, proteinina (tsaramaso/”noix”/ hena) 25%, ary “carbohydrates” (vary/ovy) 25%. Fadio ihany koa ireo sakafo mamy satria ireny dia manimba ny nify ary mahatonga ny diabeta.
Famaranana (10 min): “Penser – Apparier – En groupe de 4 – Partager”/TPSS: Miresaha mikasika ireo sakafo fihinanao ary ahoana no hanatsaranao izany.
Enti-mody: Eto no hanoratanao ireo enti-mody izay omenao na mila takina. Ho an’ity lesona mikasika “nutrition” ity: Milaza amin’ny olona faran’izay maro hitanao mikasika ny sakafo tokony hohanina mba ho ara-pahasalamana kokoa ny sakafontsika.
Fitsapam-pahaizana: Inona no hataonao hahafantaranao raha tratran’ireo mpianatra ny tanjon’ny lesona (na tsia)? Amin’ny lesona momba ny “nutrition”, ilay “activité” famaranana dia hanampy anao hitsapa ny fahaizan’ireo mpianatra.
Jery todiky ny lesona: Rehefa vita ilay lesona…inona no nety? Inona no azonao hatsaraina amin’ny manaraka? Ity fizarana ity dia hanampy anao hivoatra amin’ny maha-mpampianatra anao. Aza hadino ny manisy zavatra tsara ihany koa. Ohatra:
1) “Activité” votoatiny 2 sy votoatiny 3 dia tena nety tsara. 2) Nankafizin’ireo mpianatra ny lesona 2) Tsy ampy namitana ilay famaranana araka ny tokony ho izy ny fotoana.
Ity manaraka ity dia modely fandrafetana lesona izay tena malaza amin’ny mpampianatra maro:

Hazavaiko kely ireo ampahany tsy dia mazava:
Jery ankapobeny (The Big Picture) dia ilay fanehoana ny fifandraisan’ilay lesona ampianarina amin’ireo andiana lesona rehetra.
Fisintonan-tsaina (engagement) dia izay ataonao mba hisintonana ny fahalianan’ny mpianatra eny am-panombohana ny lesona, ohatra, mampiasa ny “Penser-Apparier-en groupe de 4-Partager” (TPSS) mba handinihana fanontaniana iray na maneho sary mahaliana azy ireo mahakasika ilay lohahevitra.
Ny fandraiketana (stickability) dia izay zavatra hataonao mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ilay lohahevitra, ohatra rehefa tapitra ilay lesona dia hametrahana fanontaniana vitsivitsy izay hanampy azy ireo hitadidy ilay lesona ireo mpianatra na manao “démonstration” na “activité” izay mora tadidy.
Différenciation (differentiation): Ny fomba hanoloranao lesona izay mety amin’ireo mpianatra somary votsavotsa sy ireo izay mahay ary ireo izay manana fahasarotana ara-pianarana.
Ireo fizaran’ny fizotrin’ny lesona (Learning episodes): Ireo fizarazarana samihafa amin’ny lesona ampianarinao. Raha mampianatra lesona iray ao anatin’ny adiny roa araka ny fanao eto Madagasikara dia mety hisy fizarana mihoatra ny 4 ilay lesona.
Hevitra hafa momba ny fandrafetana lesona/Other lesson planning thoughts
- Samy manana ny fomba fianarany ny mpianatra tsirairay. Ny mpampianatra tsara indrindra dia hanana lesona miovaova izay misy “activité” samihafa.
- Zarazarao ho fanombohana, votoatiny ary famaranana ny lesona.
- Amin’ny fanombohana, afantohy amin’ilay lesona ampianarinao ireo mpianatra ary ampahatsiahivo azy ireo ny zavatra tokony ho hainy mialohan’ny hanaovanao ilay lesona.
- Ny votoatiny no fizarana lava indrindra, eo no iezahan’ireo mpianatra manatratra ny tanjon’ny lesona.
- Rehefa hamarana ilay lesona ianao dia manaova “activité d’évaluation formative” izay hamerenanao ireo zavatra noresahina tamin’ilay lesona ary ahitanao izay hain’ireo mpianatra.
Activité/Activity
Manaova drafitra lesona ho an’ireo lesona hampianarinao mandritra ireo herinandro vitsivitsy ho avy ka mampiasa ireo hevitra voarainao avy amin’ity toko ity sy ny iray amin’ireo modely ireo. Amin’ny voalohany dia mety ho elaela ianao vao hahavita izany.
Rehefa mahavita drafitra lesona tsara ianao, eritrereto ny fomba hanafaingananao ny fanomananao izany.