6. Ny sokajin’i Bloom/Bloom’s Taxonomy

‘Izay mahasahy mampianatra dia tsy tokony hitsahatra ny hianatra mihitsy.’ John Cotton Dana

Nisy mpampianatra anankiray nantsoina hoe Bloom, naneho fanasokajiana (classification) ny “activité d’apprentissage”. Io fanasokajiana namboariny io dia hanampy anao hamorona « activité d’apprentissage” izay hampianatra karazana fahaiza-manao maro hilain’ireo mpianatra mandritra ny fiainany. Ny sokajin’i Bloom dia mampianatra antsika fa ny fanabeazana dia tsy vitan’ny fitadidiana “fait” sy fahazoana izany fotsiny. Io fanasokajiana io dia hahatonga ny kilasy ampianarintsika ho lafatra sy ahitana karazana sahanasa maro entina hianarana.

I Bloom dia nahita karazana “activité” ara-panabeazana izay nosokajiany ho 6:

Niveau 1: Mitadidy: Mampatsiahy “fait” na fahalalana fototra.

Niveau 2: Mahazo: Mamantatra ny antony maha marina “fait” na hevitra iray.

Niveau 3: Mampihatra: Mampiasa izay hainao amina toe-javatra vaovao.

Niveau 4: Mitsikera: Manadihady “méthodiquement” sy amin’ny an-tsipiriany zavatra iray mba hanazavana sy hilazana ny hevitr’izany.

Niveau 5: Manombana: Mamory hevitra maro mba hananganana “opinion” na hanohanana hevitra.

Niveau 6: Mamorona: Mamokatra fahalalana, asa na zavatra vaovao na “original”.

Fakafakao/Discuss

  1. Inona amin’ireo sokajy ireo no ampianarina amin’ny rafi-pampianarana malagasy?
  2. Inona amin’ireo sokajy ireo no tsy ampianarina amin’ny rafi-pampianarana malagasy?
  3. Fitsikerana: Inona no maha-zava-dehibe ny fampianarana an’ireo sokajy tsirairay ireo? Miezaha mitady ohatra amin’ny fiainana ivelan’ny sekoly izay ahitana fa zava-dehibe ireo fahaiza-manao avy amin’ireo sokajy tsirairay ireo.

Inona no mahazava-dehibe ireo fahaiza-manao izay ambonimbony amin’ny sokajin’i Bloom? /Why are skills in the higher levels of Bloom’s Taxonomy important?

Rehefa nisakafo tany Foulpointe aho dia nikaomandy vary sy “légume sauté”. Izany dia tsy tao anatin’ny safidy tao amin’ny “menu”, fa tao kosa dia nisy hoe vary, akoho sy “légume sauté”. Izany dia niteraka resaka lava be tamin’ilay “serveuse”:

 Izaho: ‘Mba anaovy vary sy “légume sauté” ‘

 Serveuse: ‘Tsy afaka manao izany izahay’

 Izaho: ‘Nahoana?’

 Serveuse: ‘Tsy ao anaty menu izany’

 Izaho: ‘Misy legioma ve miaraka amin’io akoho io?’

 Serveuse: ‘Eny’

 Izaho: ‘Misy vary ve miaraka amin’io akoho io?’

 Serveuse: ‘Eny’

 Izaho: ‘Afaka mahandro vary sy “légume sauté” ianao raha izany?’

 Serveuse: ‘Tsia…tsy ao anaty menu izany’

 Izaho: ‘Ary ahoana raha vary, akoho sy “légume sauté”….fa tsy asiana akoho?’

 Serveuse: ‘Tsy afaka hanao izany aho’

Manantena aho fa hitanao ny maha-hafahafa io resaka io. Ilay serveuse dia tsy afa-niala tamin’ireo fitsipika henjana napetraka ary tsy mba afaka namorona sy nanao zavatra vaovao. Ireo mpianatra tsy ampy fanabeazana na ireo izay tsy nampianarina fahaiza-manao ankoatra ireo izay ao amin’ireo sokajy ambany amin’ny sokajin’i Bloom dia ho tonga tahaka io serveuse io. Fa ireo izay nampianarina fahaiza-manao ambonimbony amin’ny sokajin’i Bloom dia mety afaka hahita vahaolana “créative” ho an’ireo olana misy. Izany dia hanampy azy ireo mba hamorona fitadiavam-bola vaovao, hiatrika ireo zava-tsarotra amin’ny fiainana am-pahendrena sns…

Ireo naotim-panadinana dia mety hihatsara ihany koa satria rehefa misy zavatra tsy hain’ireo mpianatra dia mety ho vitany ny hamaha izany irery.

Ny fizarana manaraka amin’ity toko ity dia hiresaka tsirairay ireo sokajy anatin’ny sokajin’i Bloom ary hahitanao karazana “activité” izay afaka ataonao any an-dakilasy. Ireo ohatra ireo dia afaka ovaovainao araka ny taranja ampianarinao.

Torohevitra ho an’ny mpampianatra! Rehefa manomana lesona dia aza mandany andro be loatra mieritreritra hoe aiza ho aiza amin’ny sokajin’i Bloom no misy ny “activité” iray. Mety hanahirana ny hieritreritra izany ary misy “activité” tafiditra amina sokajy maro. Fa manokàna fotoana hiezahana hampidirana “activité” avy amin’ireo sokajy rehetra ny sokajin’i Bloom.

Sokajy 1: Mitadidy/Level 1: Remember

Soso-kevitra momba ireo “activités”/ Activity ideas

  • Manomeza anaran-javatra iray.
  • Manorata fehezanteny misy banga eo amin’ny solaitra be izay hadikan’ny mpianatra ary hofenoiny. Izany dia hampandray anjara bebe kokoa ireo mpianatra raha oharina amin’ny fandikana izay zavatra soratanao fotsiny. Ohatra:

Antananarivo dia tanana __________ any ____________.

Teny ampiasaina: Madagasikara  Espaina  Lehibe indrindra

  • Rehefa hifarana ny lesona, soratan’ireo mpianatra ireo hevi-dehiben’ny lesona. Rehefa vita izany, miombona tsiroaroa izy ireo ary mampitaha izay voasorany amin’ny mpianatra hafa.
  • Manao ilay kilalao atao hoe fady izay hamerenany ny famaritana ireo teny nianarany (Jereo ilay toko mikasika ny “Apprentissage actif”)
  • Omeo enti-mody misy fanontaniana 5 mikasika ireo “fait” tena ilaina tao amin’ny lesona ireo mpianatra.

Famakafakana/Discussion

Ity fitadidiana ity dia mikasika ny fitadidiana “fait”, teny, famaritana, “équation”.

Ireo fanontaniana izay mitsapa ny fitadidiana dia matetika iray ihany ny valiny marina. Tahaka izao:

 ‘Inona no “symbole chimique” ny Uranium?’

 ‘Milaza anarana tanana 3 any amin’ny faritra amoron-tsiraka andrefan’i Madagasikara’.

 ‘Inona no nitranga nahatonga ny praiminisitra teto Madagasikara niova?’

Toro-hevitra ho an’ny mpampianatra! Raha tsy tadidin’ireo mpianatra ireo “fait” manan-danja, mety hoe tsy fantatr’izy ireo hoe inona amin’ireny no tena tokony ho hainy. Tokony hamafisinao amin’ireo mpianatra ireo “fait” mety hilainy any amin’ny fanadinana ary asaivo havohitr’izy ireo ny tena manan-danja amin’ireo “fait” ireo.

Sokajy 2: Mahazo/Level 2: Understand

Soso-kevitra momba ireo “activités”/ Activity ideas

  • Mampianara “fait”, ary hazavao ny antony mahamarina izany. Ohatra: Antananarivo dia renivohitr’I Madagasikara satria avy any foana no nitondrana an’I Madagasikara hatramin’izay.
  • Asaivo manoratra zavatra iray amin’ny fomba filazany azy ireo mpianatra (reformulation).
  • Mametraha fanontaniana izay mitaky mihoatra ny filazana “fait” fotsiny, ohatra: Nahoana no ilaina kokoa ny lay rehefa matory amin’ny alina noho ny mandritra ny andro?
  • Mamakia lahatsoratra izay ahitana hevitra manohana sy manohitra ny fanamelohana ho faty. Avy eo asaina manao lisitra ireo hevitra manohana sy izay manohitra izany ireo mpianatra.
  • Fakafakao ny mahatonga ny “disassembly” sy “discontent” samy miantomboka amin’ny ‘dis’.
  • Anontanio ireo mpianatra ny antony mahatonga ny gidro ho isan’ny “mammifère” fa tsy “reptile”.
  • Fantaro hoe inona amin’ireo teny ao anatin’ny fehezanteny ireo no “adjectif” (mpamaritra).
  • Adikao amin’ny fiteny (langue) hafa ity lahatsoratra ity.
  • Mampiasa modely (izay voalaza ao amin’ilay toko mikasika ny “Apprentissage actif”) mba hanampiana ny fahazoan’ny mpianatra ny zavatra tsy hitany maso.
  • Mampiasa sary na horonan-tsary hanampiana ireo mpianatra mba hahita ireo zavatra ampianarinao. Na maro aza ireo mpianatra dia afaka asainao mizarazara ho tarika (groupe) izy ireo mba hijery “diaporama” na horonan-tsary iray amina “écran” kely ary ny sasany kosa omeo “devoir écrit” hataony. Ohatra: Raha mampianatra momba ny jeografia Malagasy ianao dia tokony hampiseho sary na horonan-tsary maneho karazana vato na “paysage” misy maneranan’i Madagasikara.
  • Manaova fanandramana (expérience) izay ahitana “information” vaovao.
  • Hazavao amin’ny namanao fa ny rano tsy voadio dia mety hankarary.
  • Tadiavo ny mahasamihafa ireo antokom-pinoana samihafa.

Famakafakana/Discussion

Mba hahafahanao mahazo zavatra iray dia mila hainao ny manazava ny antony mahatonga izany na ny mamaly ny hoe “Nahoana?”. Asaivo manoratra zavatra amin’ny fomba firesahany ireo mpianatra (en utilisant ses propres mots). Asaivo mamantatra ny hevitra fototra na teboka lehibe mahakasika zavatra iray. Na raha mampianatra “langue” ianao dia asaivo mandika zavatra iray amin’ny teny hafa (traduction) ireo mpianatra.

Mila miezaka ny hahazo tsara ireo lohahevitra ampianarinao ihany koa ianao. Ekeo fa mety ho diso ny fahazoanao. Na dia efa nampianatra siansa nandritry ny taona maro aza aho dia mbola matetika mianatra zava-baovao ihany rehefa mampianatra.

Sokajy 3: Mampihatra/Level 3: Apply

Ny fampiharana dia ny fampiasana ireo fahalalana sy ny fahazoana izany mba entina mamaha ireo olana tsotra.

Soso-kevitra momba ireo “activités”/ Activity ideas

  • Resoudre x2 + 6x – 12 = 0
  • Fantaro ny habetsahan’ny vary azonao vidiana amin’ny 1200Ar.
  • Ataovy kajikajy ny “gain d’énergie potentielle” raha misy lehilahy iray 50kg mananika 20m.
  • Amin’ilay fiteny ianaranao, ataovy toy ny hoe eny an-tsena ianao, miady varotra entana. Atao “en groupe” izany: olona iray mivarotra ary ny anankiray mividy.
  • Manaova “croquis” maneho ny “plan” an’ny sekoly misy anao. Ny fanaovana “croquis” dia fanaovana sary hanehoana ny “partie importante”- Izany dia tsy mitovy amin’ny manao sary (schéma) izay efa tadidin’ireo mpianatra.
  • Manaova kilalao izay entina mifanadina lesona mba hamerenana ireo hevitra avy amin’ilay lohahevitra.
  • Manomeza anarana biby izay afaka ny hosokajiana ho “reptile” raha ny endriny fotsiny no jerena.
  • Manaova ady hevitra ao an-dakilasy.
  • Mamaha olana mifandray amin’ilay taranja.
  • Asaivo mitady ohatra hafa mikasika ny zavatra ampianarinao ireo mpianatra, ohatra: ‘Afaka mitady teny hafa miantomboka amin’ny ‘dis’ ve ianao? Mifanaraka amin’ireo ohatra ireo ve ireo teny hitanao?
  • Manasokajy hevitra maromaro anaty sokajy samihafa, ohatra: Sokajio ireo “forme” samihafa ireo ka avaho izay mahitsy sy izay miolana ny sisiny.
  • Manao ahoana ny fitondran-tena tokony hananan’ny kristiana amin’ny toe-javatra toy izao….?

Famakafakana/Discussion

Ny fampiharana ireo fahalalana sy fahazoana dia tena ilaina amin’ny asa. Ka noho izany dia tena ilaina ny hametrahanao fanontaniana izay mitaky fampiharana amin’ireo mpianatrao. Toy ny amin’ny fahaiza-manao vaovao rehetra dia ho sarotra amin’ireo mpianatra ny fanaovana izany fampiharana izany amin’ny voalohany. Ny fampiharana dia sarotsarotra kokoa noho ny fahalalana ireo “faits” sy ny fahazoana izany ka noho izany dia tokony tsy ho gaga ianao raha maro kokoa ny fahadisoana hataon’ireo mpianatra amin’io lafiny io ary mety mila hasehonao an’ireo mpianatra ny fomba tokony hampiharany ny fahalalany.

Sokajy 4: Mitsikera/Level 4: Analyse

Ny fitsikerana dia nofaritana ho ‘Fanadihadiana omban-damina sy amin’ny antsipiriany mba ahafahana manazava sy milaza ny hevitry ny zavatra iray’.

Soso-kevitra momba ireo “activités”/ Activity ideas

  • Inona no mahasamy hafa
    • Inona no mahasamy hafa an’ny Stella Maris amin’ny Happiness school?
  • Ampitahao ary ampifanohero (Fampitahana = milaza ny fitoviana. Fampifanoherana = milaza ny mahasamy hafa)
    • Ampitahao ary lazao ny mahasamy hafa ny gidro sy ny trondro.
  • Inona no foto-kevitr’io boky io?
  • Hazavao nahoana no nitranga ny…?
  • Inona no voka-tsoa sy voka-dratsin’ny sekoly tsy miankina?
  • Fotory
    • Fotopotory ahoana no ahafahan’ny fanovana ny fomba fambolem-bary ary manatsara ny vokatra.

Izany dia mampisaina momba ny fomba hahafantarana hoe nahoana ny fanovana ny fambolem-bary no mety hanatsara ny vokatra? Mety hanao fanandramana (expérience) amin’ny tanimbary ianao na mety hamaky boky nosoratan’ny manam-pahaizana momba ny vary.

  • Fakafakao (Examiner)
    • Mamakafaka ny fomba fiasan’ny “système complexe” iray, ohatra: Ny “cycle de vie” an’ny “parasite” miteraka ny tazomoka, na motera iray.
  • Ahoana raha?
    • Ahoana raha tsy nisy olona nahay ny zavatra nianarantsika androany mihitsy teto an-tany?
    • Mety nanao ahoana ny fiainana teto an-tany raha toa ka maro anaka tahaka ny sahona ny olombelona?
    • Mety hanao ahoana raha afaka nanao fanabeazana aizana avokoa ny olona teto Madagasikara?
  • Tsikerao
    • Inona ireo antony tao ambadiky ny fanonganam-panjakana?
    • Maninona ireo orinasa vahiny no tsy mazoto mampiasa vola eto Madagasikara?
    • Inona no antony mamparary ahy?
    • Nahoana no nomen’ny dokotera ahy ireto fanafody ireto?

Famakafakana/Discussion

Tsy mora ny fanaovana fitsikerana tsara. Misy lafiny maro ahitana fa misy zavatra tsy tonga dia hita mazava ny valiny na ny antony. Ohatra, Tsy hitovy ny valin-teny omen’olona samy hafa an’ireo fanontaniana etsy ambony ireo.

Matetika dia ny asa tarika no tena mety ampianarana ny fitsikerana, asa tarika izay iresahan’ireo tarika olana iray ary avy eo hizarany izany amin’ny mpianatra rehetra. Ny mpampianatra kosa dia mila mivonona mba haneho ny fomba fitsikerany olana satria dia amin’ny alalan’ny fahitan’izy ireo ny fomba fisainanao no hianaran’izy ireo izany.

Torohevitra ho an’ny mpampianatra! Mila ekenao am-panentren-tena fa tsy voatery ho ny hevitrao irery no marina, ary tsy voatery ho ny fombanao ihany no mety hamahana olana! Maneke hianatra amin’ireo mpianatrao na ny fomba hafa entiny hamahana olana iray, indrindra amin’ireo taranja izay ahitana mazava ny marina sy ny diso tahaka ny matematika na siansa.

Sokajy 5: Manombana/Level 5: Evaluate

Tena nila fotoana lavalava aho vao haiko ny manombana voankazo eny an-tsena. Ny voankazo malagasy dia tena hafa amin’ny voankazo anglisy, ary ny lalana mankany an-tsena dia mety hanahirana. Tamin’ny voalohany dia tena tsy nahalala hoe masaka ve ity voankazo ity na hoe antonony ve ny vidiny. Fa taorian’ny nanaovako fahadisoana somary mampihomehy, ohatra ny nividianako manga lo, nividianako voatavo raha papay no nilaiko ary ny fijaliako nanala ditin’ampalibe tamin’ny antsy dia efa mahay manombana kokoa aho amin’izao…na dia mbola tsy mahay tahaka ny mponina eto aza!

Ny fanombanana dia fahaiza-manao miovaova arakaraka ny zavatra ianarana ary hay amin’ny alalan’ny fanandramana matetika sy fanaovana fahadisoana maro. Ny tena fomba tsara ianarana izany dia amin’ny alalan’ny fanaovana izany miaraka amin’ny olona hafa. Ary toy ny amin’ny fitsikerana dia tsy voatery hisy valiny iray marina ireo fanontaniana mikasika ny fanombanana. Raha ny amiko dia ny papay masaka no tiako, ny olona sasany kosa ny manta no tiany.

Soso-kevitra momba ireo “activités”/ Activities ideas

Maro ireo mpianatra mahita fa sarotra ny fanombanana ka noho izany dia tsara raha hatao “en groupe” izany ary rehefa hifarana ny fotoana dia milaza ny hevitrao amin’ny mpianatra rehetra ianao.

Ohatra “activité de classe” azonao atao:

  • Mijere lesona na boky na lalao ara-panatanjahantena. Lazao izay hitanao tsara sy ratsy mikasika izany ary ny fomba entina hampivoarana izany.
  • Fidio ny fitaovana hitanao mety indrindra hanaovana fanandramana siantifika (expérience scientifique).Tsy voatery hitovy ny fitaovana ampiasain’ny mpahay siansa samy hafa na dia entina hanaovana zavatra mitovy aza izany.
  • Manomeza hevitra mety hampivoarana zavatra iray.
  • Fantaro ireo sehatra hitanao sarotra ary hitanao fa mila hianaranao bebe kokoa.
  • Alaharo araka ny laharam-pahamehany ny andraikitry ny governemanta.
  • Manomana famelabelaran-kevitra mikasika ny fomba hamahana ny olana mikasika ny tsy fahampian-tsakafo eto Madagasikara.
  • Omeo naoty araka ny lisitra “critère” izay namboarin’ireo mpianatra ireo mpivarotra sakafo akaikin’ny sekoly.
  • Asaivo mifampitsara kahie ireo mpianatra.
  • Fakafakao ireo lafiny tsara sy lafiny ratsy mikasika antokom-pivavahana iray.

Famakafakana/ Discussion

Karazana fanombanana vitsivitsy:

  • Mitsara. Ny mitsara dia ny fampiasanao ireo “information” anananao entina hanapahana hevitra. Ohatra:Tsarao inona amin’ireo hevitra ireo no marina araka ny lalana. Tsarao raha marina avokoa ireo “recommendation” avy any amin’ny dokotera.
  • Fidio. Mitovy amin’ny mitsara, fa amin’ity kosa dia misafidy ny tsara indrindra amin’ny zavatra maromaro ianao…ohatra. Fidio izay mpampianatra tsara indrindra ho amin’ny asa iray, fidio izay voankazo tsara indrindra.
  • Manapaha hevitra. Mitovy amin’ny mifidy ihany koa, ohatra, Tapaho ny hevitrao raha tokony hianatra teny anglisy ianao na tsia.
  • Manamarina. Ny hoe hamarino dia midika hoe manome hevitra manohina zavatra iray. Ohatra, hamarino nahoana no ilazanao fa tsara io sekoly ampianaranao io. Mba hamaliana izany dia hanome ahy ireo antony rehetra mahatonga io sekoly io ho sekoly tsara ianao.
  • Miady hevitra. Ny miady hevitra dia sahala amin’ny manamarina, fa mila mijery ireo lafiny roa momba ny hevitra iray. Ohatra: Manaova ady hevitra mikasika ny antony nahatonga ny fanabeazana eto Madagasikara tsy tsara tahaka ny taloha intsony. Eto dia mila manome ireo antony manohana sy manohitra ilay hevitra fa niharatsy ny fanabeazana.
  • Omeo isa (noter). Manome isa zavatra iray. Ohatra: manome naoty an’ireo sakafo nandrahoin’olona samihafa.
  • Omeo ny laharam-pahamehana. Mifidiana izay hitanao fa zava-dehibe indrindra sy izay tsy manan-danja indrindra amin’ny lisitra iray. Ohatra ‘omeo ny laharam-pahamehana ny zavatra tokony hianaranao’.
  • Manoro hevitra. Manomeza torohevitra araka ny fahalalanao zavatra iray. Ohatra. Manomeza toro-hevitra mikasika ny hetsika tokony hatao hiadiana amin’ny sahona misy poizina manodidina an’i Toamasina.
  • Manombana. Ny mpianatra dia afaka manombana ny tenany hijereny ny zavatra voarainy tamin’ny lesona iray ka maneho izany aminao amin’ny alalan’ny “ankihibe” na “ aotra ka hatramin’ny dimy”.                                                            

Sokajy 6: Mamorona sy manao “synthèse”/Level 6: Creating and synthesis

Izaho dia efa nampianatra siansa, matematika ary “informatique” nandritra ny taona maro. Rehefa tonga teto Madagasikara ny tenako dia nisy nanasa hampianatra teny anglisy. Mbola tsy ary nanao izany aho taloha fa izaho kosa dia afaka nampihatra ny fahalalako momba ny fampianarana, ny fahazoako ary ny fahaizako mba hamoronana lesona anglisy vaovao.

Ny famoronana zavatra vaovao dia mitaky aminao mba hampiasa ny fahalalana efa anananao, ny fahazoanao sy ny fahaizanao ka hampihatra izany amin’ny zava-baovao.

Soso-kevitra momba ireo “activités”/ Activity ideas

Ireo teny “en gras” ireo no teny manan-danja mifandray amin’ny famoronana na famintinana. Maro amin’ireo “activité” amin’ity sokajy ity dia hisy ireo teny ireo.

  • Mamorona (composer) hira mikasika ny mahazava-dehibe ny miborosy nify.
  • Raha ianao no eo amin’ny toeran’ny governemanta, ahoana no hanovanao ny fanabeazana eto Madagasikara?
  • Manamboara fanandramana (expérience) entina hamantarana hoe iza amin’ireo kaopy ireo no mitazona hafanana indrindra.
  • Mieritrereta fomba vaovao hahatonga ny fianarana ho mahafinaritra.
  • Mahita vahaolana hanampy anay hanofana ireo mpampianatra rehetra eto Toamasina ve ianao?
  • Misy firy ireo fomba hitanao ahafahana miala eto hankany Antananarivo?
  • Manamboara sary hosodoko vaovao, sarin-javatra izay mbola tsy hitanao.
  • Manorata tantara mikasika ny….
  • Mamorona (inventer) bisikileta ho an’ny olona tsy misy tongotra.
  • Manamboara “produit” vaovao. Omeo anarana ary manomana “campagne marketing” ho an’izany.
  • Manamboara drafitra trano vaovao.
  • Mitadiava fahalalanavaovao mifototra amin’izay zavatra efa fantatrao. Izany dia mety hiteraka vokatra tsara amin’ny fampianarana siansa raha ohatra ka hampianao ireo mpianatra manao “dérivation” an’ireo raiki-pohy na ”formule” (fa tsy manoratra izany eo amin’ny solaitra be fotsiny), na ampiasao ny fahazoany zavatra iray haminavinany zavatra hafa.
  • Manamboara (réparer) karazanamachine” iray mbola tsy fahitanao taloha.
  • Mamaha olana izay mitaky fahalalana sy fahazoana lohahevitra maro..

Famakafakana/Discussion

Ny famoronana sy famintinanana dia mety ho sarotra kanefa dia ireo no manan-danja indrindra amin’ny “activité” amin’ny sokajin’i Bloom. Ny namoronana ity fampiofanana ity dia nitaky fotoana sy ezaka be dia be. Mora lavitra kokoa ny manolotra karazana fampiofanana efa misy noho ny manoratra iray vaovao.

Amin’ny maha-mpampianatra, ny fahaiza-mamorona dia fahaiza-manao tena ilaina ho trandrahana. Rehefa mahavaky an’ity boky ity ianao dia hanana hevitra maro vaovao izay hanampy anao hamorona lesona vaovao sy mahomby kokoa!

Famerenana/Review activity

1) Inona no nanaitra anao ka hitanao tena ilaina amin’ny sokajin’i Bloom? Inona no mety fiovana aterak’izany amin’ny fomba fampianaranao?

2) Mamorona “activité” enina izay hampiasainao any amin’ny toerana hampianaranao mandritra ny roa herinandro ho avy manaraka eo. Ny “activité” tsirairay dia tokony hifantoka amin’ny sokajy samy hafa anatin’ny sokajin’i Bloom.

Ity “activité” ity dia mety hitaky fotoana lava dia lava. Aza manahy! Rehefa miovaova sy ahitana fahaiza-mamorona kokoa ny fampianaranao, ho vitanao faingana sy handeha ho azy avokoa ny zava-drehetra.

3) Fitsikerana: Inona no maha-zava-dehibe ny fampianarana ireo sokajy rehetra ao amin’ny sokajin’i Bloom?